Fampahafantarana ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina GV 2020

Tonga dia hiditra? Tsidiho ny taratasy Fangatahana Hiditra/ Fanavaozana ary midira!

GV Community Council LogoFotoana izao iresahana momba ny hoavin'ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina GV! Raha ny hevitray, fahombiazana goavana ny filankevitra tamin'ny herintaona, ary na teo aza ireo asa rehetra natao tao, na avy amin'ny ekipa fototra izany na avy amin'ireo mpikambana rehetra mahafatra-po tato anatin'ny filankevitra, heveriko fa saika manaiky avokoa isika rehetra fa ezaka feno sy mendrika iny.

Raha nitondra antsika taminà tsoankevitra mifangaro sy sarotra mikasika ny laharampahamehantsika ny sasany tamin'ireo “olana” noresahantsika, ho ahy dia ilay olana momba ny “Firafitry ny Fandaminana” no tena nampisy vokany: nalaza ve ny endrik'ilay filankevitra hany ka na dia tsy nvoatonona tao anatin'ny lisitr'ilay fitsapankevitra faran'ny filankevitra aza izany, dia nanontany ny olona hoe “iza no ho tahaka ity filankevitra ity?”.

Araka izany, noho ny fangatahan'ny maro dia haverina indray ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina GV!

Hizotra miandalana ny endriny vaovao, fa tsy hanenjika isanà fivoriana efa voapetraka mialoha, ary hivelatra manaraka ny taona izany, fa tsy hamintina olana maro anatinà fotoana fohy. Ankoatra izay, hitovy be amin'ilay filankevitra niandohana izy io!

Vakio ireo antsipiriany manan-danja rehetra ao amin'ny pejy vaovaon'ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina GV.

Ny tanjontsika dia ny hanomana sy hanatanteraka “fakan-kevitra” mombanà lohahevitra voafaritra, tsindraindray anatin'ny taona, miaraka aminà fotoana malalaka mivalapatra be eo anelanelany.

Eritreretinay hitovitovy amin'ireo “olana” avy ao amin'ilay filankevitra voalohany ny ankamaroan'ireo fakan-kevitra, miaraka aminà fotoana maharitra herinandro vitsivitsy hanadihadiantsika miaraka an'ireo olana, hiresahantsika momba izany anaty imailaka, anaty Zoom, ary raha misy dikany izany, dia faranantsika aminà fitsapankevitra hisafidianana ireo teboka voafaritra.

Halalaka be ny fandraisana anjara anatin'ny filankevitra ary tafiditra anatin'izany izay rehetra nandray anjara tato amin'ny GV, toy ny tamin'ny farany. Ny tena angatahana fotsiny dia ny fahavitrihanao anatin'ilay filankevitra!

Asaina ireo mpikambana rehetra teo aloha “hanavao” ny fandraisany anjara, ary isan-taona isika dia hanana dingana fanavaozana mitovitovy amin'izao, izay hamenoan'ireo mikambana fotsiny ny taratasy manamafy fa mbola te handray anjara ry zareo.

Vonona hiditra? Tsidiho ny taratasy Fangatahana Hiditra/ Fanavaozana ary midira!

Handray ireo fandraisana anjara izahay hatramin'ny faran'ny volana Janoary 2020 ary hametraka ireo adihevitra voalohany amin'ny Febroary na Martsa! Manantena ny hahita anao ao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.