FOKO: Tonga ny BOMBS (Ny bilaogy Malagasy tsara indrindra)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Mba hanokafana varavarankely midadasika kokoa ho an'ny tontolon'ny bilaogy malagasy, nanomboka ny fifaninanana bilaogy tamin'ny taona 2007, antsoina hoe Bilaogy Malagasy Tsara Indrindra – Best Of Malagasy Blogs (BOMBS) ny FOKO Madagascar. Ny vaovao tsara dia efa niverina ny taona 2009 ny BOMBS. Ireo mpandresy tamin'ny taona 2007 no nanao mpitsara tamin'ity indray mitoraka ity. Joan Razafimaharo mampahafantatra fa:

bestofmalagasyblogs [640x480]

BOMBS blogging contest nominations period will end on December 31st and winners will be announced on February 3rd after a review of the finalists list from the jury.

Hifarana ny 31 Desambra ny fanendrena bilaogy amin'ny fifaninanana bilaogy tsara indrindra BOMBS ary hambara amin'ny 3 febroary izay mpandresy aorian'ny fandinihan'ny mpitsara ny lisitr'ireo tafiditra famaranana.

Hisy sokajy 6 izany, anisan'izany ny famantarana ara-kolontsaina eto Madagasikara, ny zavatra Malagasy arovana, ny bilaogy amin'ny teny malagasy sns, izay ahafahana manendry ny bilaogy.

Nanasa ireo bilaogera Malagasy mba hikarajia hiresaka momba ny loka ny FOKO .

Nanamarika i Tahina fa tsy dia nahasarika firy tao Madagasikara ny Fihaonambe momba ny Fiovan'ny toetrandro tao Copenhague noho ny krizy ara-politika misy (jereo ny lahatsoratr'i Andrydago raha hijery ny antsipiriany). Saingy araka ny tatitra nataon'ny haino aman-jery ao an-toerana, manahy momba ity olana ity ny tanora Malagasy. Ary miharihary kokoa izany noho ny zava-nitranga taorian'izay. Nikarakara valan-dresaka an-DAHATSARY tao Toamasina ny JADE Madagasikara sy ny FOKO Madagasikara mba hiresaka momba ny zava-mitranga ao amin'ny valan-dresaka COP 15 ao Copenhagen.

cop-15 madagascar

Manoratra momba ny fihaonambe i Patrick:

This last Saturday was an exceptional day in the capital of Betsimisaraka. Tamatave was in direct touch to Copenhagen Denmark by a video-conference. Technology! Amazing! Don’t you see? And that’s because of FOKO Blog Club Tamatave and JADE Madagascar activists who are always struggling and find the right way to save this planet in the middle of the Climate Change threat.

Andro iray niavaka tao an-drenivohitr'i Betsimisaraka ny Sabotsy farany teo. Nifanerasera mivantana tamin'i Copenhagen Danemark tamin'ny alalan'ny “video-conference” i Toamasina. Mahavariana! ny Teknolojia! Tsy hitanao ve? Ary izany dia noho ireo mpikatroka ao amin'ny FOKO Blog Club Tamatave sy JADE Madagasikara izay miezaka mafy hatrany ary mahita fomba tsara hiarovana ity planeta ity eo afovoan'ny fandrahonan'ny fiovan'ny toetrandro ity.

tamatave climate conference

In the beginning of the conference everything looked like alright. We could watch and listen very clear the Cop15 discussion. Suddenly we were very sad because only five (5) minutes before our direct participation onto the discussion, there was a power cut which blocked all and that’s the reason why there was a moment when I was offline. Fortunately we were well prepared for that, and also Cop15 participants understood very well our situation. But anyway that wasn’t too long. Few minutes later everything worked very well as before. It was successfully because we could participate on the conference in real time. We finished our mission with a full joy.

cop-15madagascar1

Tany am-piandohan'ny fihaonambe dia toa tahaka ny mahazatra ny zavatra rehetra. Afaka mijery sy mihaino tsara ny adihevitra Cop15 izahay. Tampoka teo dia nalahelo izahay satria dimy (minitra) monja talohan'ny fandraisanay anjara mivantana tamin'ity adihevitra ity, dia tapaka ny jiro ka nampihitsoka ny rehetra ary izany no antony nahatonga ny fotoana iray tsy nahitana ahy tao amin'ny aterineto. Soa ihany fa efa niomana tsara izahay, ary nahatakatra tsara ny toe-javatra nisy anay ihany koa ireo mpandray anjara tamin'ny Cop15. Saingy na izany aza, tsy naharitra ela izany. Minitra vitsy taorian'izay dia nisosa tsara toy ny teo aloha ny zava-drehetra. Nahomby izany satria afaka nandray anjara tamin'ny fihaonambe tamin'ny fotoana tena nisy izahay. Nahavita ny iraka tamim-pifaliana tanteraka izahay.

Ariniania miresaka momba ny Fozaorana, karazana patsabe izay miaina anaty dobo sy tanimbary:

The Fozaorana became famous these last two years. It became an expression that the Malagasy people use in their everyday life. The main meaning is combined with these words: numerous, popular, cheap.

- A girl called Fozaorana is an easy girl

- A phone is called Fozaorana when it’s cheap

Nanjary nalaza tao anatin'izay roa taona lasa izay ny Fozaorana. Lasa fiteny iray izay ampiasain'ny Malagasy amin'ny fiainany andavanandro izany. Ny dikany lehibe dia mifanaraka amin'ireto teny ireto: marobe, malaza, mora.

- Antsoina hoe Fozaorana ny tovovavy maolamaola

- Antsoina hoe Fozaorana ny finday mora vidy

Nitantara zavatra mampalahelo izy fa niharan'ny halatra sy haro-paosy.

Diana mitanisa ireo zavatra izay ataonao rehefa any Madagasikara. Imahaka namoaka toro-hevitra mikasika ny fomba ahafahana mitady sakaiza tsara amin'ny fiainana ary nahoana no tsy maintsy misafidy iray ny olona.

Pakysse namoaka lahatsary mampiseho ny korontana tanteraka amin'ny fifamoivoizana any Antananarivo, fa na dia ny fiara mpitondra marary aza tsy afaka mandeha:

Satria efa akaiky ny fety Krismasy, mirary ny rehetra hanao Krismasy Sambatra i Lova Rakotomalala (Enga anie hilamina ny ny Krismasinao). Nizara karazana fialantsasatra malaza vitsivitsy amin'ny fomba malagasy izy:

https://youtube.com/watch?v=f58qEMgz1zg

Mirary Krismasy sambatra sy fialantsasatra mahafinaritra ho an'ny mpikambana rehetra ao amin'ny fianakaviana Rising Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.