Sary avy ao India: Seho Rock Tsy Niseho

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)
Mumbai Rock Show

Sary nalain'i Soumik

Tsy tanteraka ny Seho Rock ho an'ny Fahaleovantenan'i Mumbai tamin'ity taona ity noho ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. Nofoanana tamin'ny fotoana farany izany. Manana lahatsoratra miaraka aminà taratasy mivelatra nosoratan'i Farhad Wadia ho an'ireo mpankafy ny Lazygeek. Milaza i Soumik fa:

Nofoanana tamin'ny fotoana farany ny Rock ho an'ny Fahaleovantena (fetiben'ny Rock fanao isan-taona ao Mumbai) ny Sabotsy 03 Septambra satria tsy nanome ny alàlana ilaina teo an-toerana amin'ny tsy famelàna ireo seho mampidi-bola eo alohan'ny Vavahady Tokana ny mpitandro filaminana ao Mumbai. Nizotra ho hariva makotroka ny fankalazana ilay faha-20 Taonan'ny I-Rock rehefa tonga tampoka ilay fanambaràna, izay azo antoka fa nandiso fanantenana ireo mpankafy 4000 tonga avy any amin'ny lafivalon'ny tanàna.

Toa mampihomehy manokana ity sary ity noho ilay dokambarotra ao aorian'ilay fanambaràna ny fanafoanana izay mandrisika antsika haneho hevitra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.