Gazetikely isambolana, vondrom-piarahamonina an-tambajotra sy fidirana amin'ny aterineto – laharana faha-8

Sary: Pikantsary avy amina lahatsary nataon'i Rhizomatica mikasika ny tetikasa HERMES.

Ampahany amin'ny tetikasa antsoina hoe, ”Fidirana amin'ny Aterineto Eo an-Toerana: Afaka mifandray izy samy izy ve ireo tsy mifandray?” izay noforonin'ny APC niarahany tamin'ny Internet Society sy ny Rhizomática, miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Foibem-Pikarohana Momba Ny Fampandrosoana Erantany ao Kanada (IDRC) ty gazetikely ity. Naverina navoaka teto amin'ny Rising Voices ho toy ny ampahany amin'ny fiarahana miasa amin'ny APC izy ity. Kitiho eto mba hahitàna ny lahatsoratra niandohàna ao amin'ny tranonkalan'ny APC.

1. Mirotsaha

  • Fihaonam-pirahalahiana ho an'ny IETF 103, 3-9 Novambra 2018 ao Bangkok, Tailandy. Vakio bebe kokoa.
  • Fihaonam-pirahalahiana ho an'ny Fivoriamben'ny Vondrom-piarahamonina An-tambajotra andiany faha-3, 2-7 Septambra 2018 ao amin'ny Cape atsinanana, Afrika Atsimo. Vakio bebe kokoa.
  • Antso fitadiavana fampitaovana ho an'ny IGF Dynamic Coalition on Community Connectivity (amin'ny 5 Aogositra ny fe-potoana farany). Vakio bebe kokoa.
  • Tecnologías Indígenas Comunitarias está buscando persona para la Coordinación Operativa. Vakio bebe kokoa.

2. Hetsika sy Fivoriana

     2.1 Hetsika ho avy

  • Fivoriambe faha-3-n'ny Vondrom-piarahamonina An-tambajotra ao Afrika, 2-8 Septambra ao Lubanzi, Cape atsinanana, Afrika Atsimo. Vakio bebe kokoa.
  • Politika Fanolo sy Paikady Fandaminana ho an'ireo Firenena An-dalam-pandrosoana ao anatin'ny Toekarena Nomerika, 6-8 Septambre 2018 ao Johannesburg, Afrika Atsimo. Vakio bebe kokoa.
  • Atrikasa OpenCellular faharoa an'ny Facebook, 11-12 Septambra 2018 ao Nairobia, Afrika. Vakio bebe kokoa.
  • ITU Telecom World 2018, 10-13 Septambra 2018 ao Durban, Afrika Atsimo. Hisy hetsika hafa ihany koa mandritra io fotoana io, anisan'izany ny Fihaonana Antampon'ny Connect Africa, miaraka amin'ny fanolorana mikasika ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra. Vakio bebe kokoa.
  • Sehatra 2018 firesahana momba ny  Fahalalahan'ny Aterineto ao Afrika  (FIFAfrica), 26-28 Septambra 2018 ao Accra, Ghana. Vakio bebe kokoa.
  • LACNOG, 24-28 Septambra 2018 ao Rosario, Arzantina. Vakio bebe kokoa.
  • Fihaonana Antampony faharoa momba ny Fampifandraisana ny Indizeny , 8-12 Oktobra 2018 ao Inuvik, Zaratany Avaratra-Andrefana, Kanadà. Vakio bebe kokoa.
  • Radical Networks, 19-21 Novambra 2018 ao Berlin, Alemaina. Vakio bebe kokoa.
  • Hisy ihany amin'ny 12-14 Novambra ao Parisy, Frantsa ny Internet Governance Forum 2018 ny farany (Sehatra iresahana ny fitantanana ny aterineto). Vakio bebe kokoa.
  • [amin'ny teny Espaniola] Taller para América Latina y el Caribe (WALC), 26-30 de noviembre 2018 en Santo Domingo, República Dominicana. El mismo incluirá una capacitación en redes comunitarias. Vakio bebe kokoa.

2.2 Loharano avy amin'ny zava-nitranga taloha

  • Fivoriana tao Sarantaporo: Fanorenana Vondrom-piarahamonina ao anatin'ny Vondrom-piarahamonina An-tambajotra, 7-9 Jolay 2018. Vakio bebe kokoa.
  • Nihaona nandritra ny IETF 102 ny Fahafahana Manerantany miditra amin'ny Aterineto ho an'ny Vondrona Miasa Rehetra (Global Access to the Internet for All – GAIA) :
    Fandaharam-potoana
    Lahatsary mikasika ilay fivoriana
  • Fivoriana mikasika ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra tao CANTO 2018, Panama ny 24 Jolay 2018. Vakio bebe kokoa.
  • Vondrom-piarahamonina an-tambajotra: Mampifandray ireo tsy mbola mifandray ao Haïti: nikarakara fivoriana tety anaty aterineto niaraka tamin'ny vahiny nasaina, Reynold Guerrier, izay niresaka mikasika ny fomba hampifandraisana ireo tsy mbola mifandray ao Haiti amin'ny alalan'ny vondrom-piarahamonina an-tambajotra ny ISOC Haiti Chapter. Vakio bebe kokoa.

3. Vondrom-piarahamonina an-tambajotra amin'ny vaovao sy blaogy

  • Nanapa-kevitra ireo mponina miisa 300 ao Michaelston y Fedw hoe ”leo dia leo” rehefa tonga tamin'ny resaka Wi-Fi sy ‘bande passante’-n'izy ireo ny resaka, ary ankehitriny, anisan'ny manana ny aterineto mandeha haingana indrindra any amin'ny Wales izy ireo. Vakio bebe kokoa.
  • Fivoriana momba ny Fanambin'ny Fampifandraisana ao Eoropa: Ny Anjara asan'ny tambajotranà vondrom-piarahamonina. Vakio bebe kokoa.
  • [En español] Inauguración del proyecto Comunidades Inteligentes que tiene como objetivo conectar con el mundo a comunidades rurales, remotas y desatendidas, donde no hay acceso a los principales servicios básicos. Leer más.
  • [Amin'ny teny espaniola] Un nuevo ecosistema de internet para conectar a los no conectados: “La brecha digital no se va a cerrar haciendo lo mismo que en las últimas dos décadas, y es necesario desarrollar estrategias innovadoras con la activa participación de las comunidades interesadas en lograr acceso a Internet”, aseguró el director ejecutivo de LACNIC, Oscar Robles, durante el Congreso Latinoamericano de Telecomunicaciones realizado en Cuba. Leer más.
  • Resaka TEDx: ”Avy amin'ny tsy fitanilàn'ny aterineto mankany amin'ny famaritan-tenan'ny tambajotra” miaraka amin'i Luca Belli. Vakio bebe kokoa.
  • Hevitra: tolotra aterineto goavana sy tsara indrindra ho an'ireo vondrom-piarahamonina indizeny. Vakio bebe kokoa.
  • Nambara ireo tafakatra amin'ny dingana famaranana tamin'ny Mozilla WINS! Ary misy tetikasana vondrom-piarahamonina an-tambajotra sy teknolojia mahaliana ao, anisan'izany ny HERMES-n'ny Rhizomatica. Vakio bebe kokoa.

4. Lahatsoratra manandanja mikasika ny teknolojia mifandraika amin'ny fahafahana miditra amin'ny aterineto eny an-toerana

  • Sosokevitra avy amin'ny fandalinana ny hoe mety hisy voina hanjo ny fotodrafitrasa aterineto milevina arakaraky ny fisondrotry ny ranomasina: mety tsy ho ela dia ho tondraky ny fiakaran'ny ranomasina ireo hosona arivony maro mpitondra tarapahazavana any amin'ny faritra amorontsiraka be mponina ao Etazonia, araka ny fanadihadiana vaovao nataon'ireo mpikaroka avy ao amin'ny Oniversiten'ny Wisconsin-Madison sy ny Oniversiten'i Oregon. Vakio bebe kokoa.
  • Afaka manavao ny SA telecoms ny habaka  fotsy ao amin'ny fahitalavitra. Vakio bebe kokoa.
  • Hanomboka ny tolotra ara-barotra Loon voalohany ao Afrika ny Telkom Kenya. Vakio bebe kokoa.

5. Tatitra mifandraika amin'ireo vondrom-piarahamonina an-tambajotra sy ny fandraisana andraikitra ho amin'ny fahafahana miditra eny an-toerana

  • Fivoriana momba ny Fanambin'ny Fampifandraisana ao Eoropa : Ny Anjara asan'ny tambajotranà vondrom-piarahamonina. Vakio bebe kokoa.
  • Mandrefy ny fivakisana nomerika: Nahoana no tokony hampiasa fanadihadiana mifantoka amin'ny vehivavy isika. Vakio bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.