Tatitra Unfreedom Monitor : Kirgizistana

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan tam-pitiavana

Hatry ny ela no efa saro-takarina ny fifandraisana misy amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera ary ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika. Ity dia tsonga nalaina avy amin'ny famintinana ireo tatitra momba an'i Kirgizistana tao anatin'ny andiana tatitra nivoaka avy tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor. Vakio here ny tatitra feno.

Taorian'ireo hetsipanoherana faobe tamin'ny Ôktôbra 2020, latsaka anaty firongatry ny fitondràna nasiônalista sy pôpilista i Kirgizistana, ilay malaza ho ny hany “nosin'ny demaokrasia” ao Azia Afovoany eo ambany fitantanan'i Sadyr Zhaparov.  Hatramin'ny nandaniana ilay Lalàna momba ny Fiarovana amin'ny Vaovao Diso (antsoina hoe lalàna iadiana amin'ny fanelezana vaovao tsy marina) ao Kirgizistana tamin'ny Aogositra 2021, efa azo atao izao ny manenjika araka ny lalàna sy misambotra ny mpanakiana sy ireo bilaogera noho ny lahatsoratra navoakan'izy ireny tety anaty media sôsialy. Mitombo be tsy misy toy izany ny isan'ireo mpampiasa Facebook sy sehatra media sôsialy hafa iharan'ny sivana sy ny fakàna am-bavany ataon'ny mpitandro filaminana Kirgizy noho ny fanakianana ataon-dry zareo ny filoha sy ny governemanta am-perinasa. Teo anelanelan'ny Janoary sy Jona 2022 (Kadyrov), bilaogera miisa fito, isan'ireny ireo mifandray amin'ireo fantsona media mpanakiana fanjakàna, no tratry ny sivana sy nalaina am-bavany tany amin'ny sampan-draharahan'ny mpitandro filaminana. Mihoatra ny 30  ireo mpanakiana fitondràna — fikambanana sivily, pôlitisiàna mpanohitra, mpanao gazety tsy miankina, bilaogera ary mpikatroka mpiaro zon'olombelona — no notànana teo anelanelan'ny Ôktôbra sy Desambra 2022 noho ny fanakianana an-tambajotra (indrindra fa tao amin'ny Facebook) nataon-dry zareo tamin'ilay fanapahankevitry ny fanjakàna hamindra ny siniben-drano tao Kempir-Abad ho any Ozbekistana tao anatin'ny fifanarahana iray momba ny sisintany. Taorian'ny namoahan'ny sampan-draharaham-piarovana ireo rakipeon'ny resaka nifanaovan'ireo pôlitisiàna mpanohitra sy ireo mpikatroka avy amin'ny fikambanana sivily, ireo voatàna dia nampangaina ho nikasa ny hanongana fitondràna. Vetivety foana, nakaton'ireo manampahefana nandritra ny roa volana ny tranonkalan'ny onjampeo Azattyk, solontenan'ny Radio Free Europe ao Kirgizistana, noho ny filazàna azy ho “manao tatitra vilana “; tamin'ny Desambra 2022, nitarina ho mandritra ny fotoana tsy voafetra izany. Ny Novambra 2022, namoahana didim-pitsaràna ka nalefa niala an'i Kirgizistana ho any Rosia ilay mpanao gazety mpanadihady malaza, Bolot Temirov. Fikasàn'ireo manampahefana Kirgizy ny hankato lalàna iray momba ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna sy tsy manao fandraharahàna ara-barotra (antsoina hoe lalàna momba ireo masoivoho vahiny) izay eo ambany fakàna hevitry ny daholobe amin'izao fotoana izao. Farany, tamin'ny Janoary 2023, ny Fitantanan-draharahan'ny Filohan'ny Repoblika Kirgizy dia namoaka volavolan-dalàna iray momba ny “Mass Media” (Mediam-Bahoaka), ka araka io lalàna io, ho arahan'ny fanjakàna maso ireo bilaogera, ireo mpilaza vaovao anaty aterineto ary ireo kaonty media sôsialy rehetra manana mpanjohy mihoatra ny 5.000. Heverin'ny fanjakàna ny hanoratana azy ireny anaty rafitra iray itambarana mba hahafahana manjohy sy manara-maso ny hetsika ataon-dry zareo.

***

Ao Kirgizistana, fomba fanao lasa mihanaka be taorian'ny fiovàna mpitondra tamin'ny 2020 ny fitantànana ny aterineto sy ny fanarahamaso, fony tonga nandray fahefana ny filoha Zhaparov. Tsy toy ireo filoha tany aloha, fa tena tsy manao tsinontsinona ny fitarihan'ny media sôsialy ny filoha  Zhaparov, ary fantatra amin'ny fahavitrihany amin'izany sy mitantana amin'ny fomba tsy ara-dalàna ireo pejy/vondrona mpankafy marobe na ny fanohanana anatin'ireo fantsona media sôsialy malaza : Instagram, Facebook, Telegram, YouTube sy WhatsApp. Na pejy/vondrona toa tsy dia tsy atahorana akory aza izy ireny, dia  tena ampiasaina be amin'ny tsy tokony ho izy ireny mba hampitomboana ny tsirefesimandidy sy ireo fomba fanao manohintohina ny fahalalahana ao amin'ny firenena (araka izay voarakitra ao anatin'ny Airtable natao ho an'ny daholobe ). Ireo tambajotra sôsialy mpomba ny filoha dia mandiso, manodinkodina ary manova ny vaovao, mamorona fanohanana artifisialy ho an'ny filoha no sady manome rariny ireo fanafihana ataon'ny manampahefana an'ireo media tsy an'ny fanjakàna, ny fiarahamonina sivily, ny bilaogera ary ireo mpampiasa media sôsialy. Amin'ny teny hafa, atahoran'ireo manampahefana Kirgizy ny “fahalalahana nomerika” tafahoatra ao amin'ny aterineto sy ny fieritreretana izay fepetra araka ny lalàna hameperana azy io.

Navoitran'ny fikarohana fa ny governemanta kirgizy am-perinasa dia mavitrika amin'ny fanafoanana ireo feo mpanohitra, amin'ny alàlan'ny fanodinkodinam-baovao sy fampandaniana ireo lalàna maneritery ary famelezana ireo media tsy mainkina sy ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana. Nampiditra lalàna vaovao ny governemanta kirgizy mba handridràna ny hetsika rehetra anaty tambajotra, ary nanolotra lalàna fanampiny momba ireo masoivoho vahiny mba hifehezana sy hamerana ny asan'ireo ONG sy media vahiny, ary ho an'ny mediam-bahoaka mba hanànana fifehezana misimisy kokoa an'ireo bilaogera sy kaonty media sôsialy manana manjohy mihoatra ny 5.000. Nampisain'ny governemanta mba hampanginana ireo mpanakiana azy ilay  “Lalàna momba ny Fiarovana amin'ny Vaovao Diso (antsoina hoe lalàna iadiana amin'ny fanelezana vaovao tsy marina). Tafiditra ho isan'izany ny fanakatonana ny tranonkalan'ny Azattyk, media iray mpilaza vaovao mpanakiana ny fanjakana, ary vatsian'ny vahiny vola, sy ny fitànana ary fanivànana ireo olontsotra mizara lahatsoratra manakiana ny governemanta ao amin'ny media sôsialy. Tahaka izay ihany, ireo mpitati-baovao mpanao fanadihadiana ao Kirgizistana dia tsy maintsy miatrika ireo fiampangàna isankarazany, ireo famelezana samihafa, na ireo fanenjehana araka ny lalàna atao azy ireo. Tamin'ny Novambra 2022, ny iray tamin-dry zareo, Temirov Bolot, dia voatery nandao an'i Kirgizistana sy nankany Rosia.

Ankoatra izay, nodinihan'ilay fikarohana ny fomba ataon'ireo Kirgizy mpitondra mba hitrandrahany ireny sehatra ireny ho fandefasana fanentanana fitaonana no sady hanosehana ny lazan'ny filoha. Ireo pejy sy vondrona mpanohana an'i Zhaparov eny amin'ireo sehatra media sôsialy isankarazany, isan'izany ny Instagram, Telegram, Facebook, YouTube, sy  WhatsApp, dia nipoitra niaraka tamin'ny tanjona fanangonana fanohanana ho an'ny filoha mandritra ireo fotoana mavaivay, ary olona misy fifandraisana amin'ny tambajotrany tsy ara-dalàna no mitantana azy ireny, mahazo famatsiambola avy amin'ireo olontsotra na vondrona tsy hay anarana mpomba ny filoha. Ireo pejy dia mampiroborobo ireo fanapahankevitra sy ny pôlitikan'ny fitondrana eo an-toerana amin'ny alàlan'ny famoronana votoaty mpomba ny fitondràna (mazàna no lahatsary) izay aparitaka amin'ireo sehatra media sôsialy maro, sady koa maneho hevitra amin'ireo votoaty mahabe resaka navoakan'ireo fantsona media mpitsikera. Ireny lahatsary ireny dia atodika mankany amin'ireo vahoaka Kirgizy tsy dia nandia fianarana izay mirona amin'ny finoana ireo loharano tsy voamarina, mampita vaovao tsy nahazoana fanamafisana sy niniana natavezina.

Amin'ny ankapobeny, miharatsy ny toedraharaha misy ny fahalalahan'ny media sy ny fahalalahana maneho hevitra ao Kirgizistana, ary mpampanahy ireny fivoaran-draharaha ireny satria ny firenena dia tompondakan'ny fanavaozana demaokratika nanomboka tamin'ny 1991. Mandritra izany fotoana izany, maha-velom-panantenana ireo manampahefana Kirgizy ny teknôlôjia avo lenta sy ireo fandraisana an-tànana nomerika. Ny ankamaroan'ireny fandraisana an-tànana nomerika ireny dia masoivoho sy fikambanana iraisampirenena daholo no mamatsy vola azy, toy ny Firenena Mikambana, ny Fiombonambe Eorôpeàna, ny OSCE, izay mikendry ny hanangana fitantanana demaokratika, mangarahara, mampiaty sy mahomby kokoa. Mba hisarihana ny sain'ireo mpanolo-tànana iraisampirenana, dia nofaritan'ny governemanta ao Kirgizistana ho toy ny laharam-pahamehany ao anatin'ny Tetikadim-Pirenena ho Fampandrosoana (Vina 2040) ny fanovàna nomerika sy ny varotra elektrônika, sy ny drafi-pampandrosoana dimy taona antsona hoe “Kirgizistana Nomerika 2019–2023” ikendrena ny haha-maoderina sy hampivelatra ny toekaren'ny firenena. Tamin'ny 2021, mba hiantohana ny fiovàna nomerika sy ny fitantanana elektrônika (e-governance) ao amin'ny firenena dia noforonina ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Nomerika sy ny Masoivohom-Panjakana momba ny Fiarovana ny Angondrakitra Manokana. Ny 19 Janoary 2023, ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Nomerika dia nanolotra tetikasa ara-potokevitra ho an'ny Fepetra Nomerika ao amin'ny Repoblika Kirgizy, antontan-kevitra iray natao handrindràna ny fifandraisana amin'ny daholobe ao anatin'ny tontolo nomerika. Ireo manampahefana, indrindra indrindra, dia miasa mafy mba hanosika ny toekarena nomerika amin'ny alàlan'ny varotra elektrônika, ny famoronana ara-teknika, ny fandraharahàna amin'ny nomerika ary ireo “techno-parks” iarahana amin'ireo mpanolo-tànana sy mpamatsy vola iraisampirenena.

Araka izany, ireo Kirgizy manampahefana dia mirona mankamin'ny filalaovana eo anelanelan'ireo tendro roa nomerika mifandrirotra ireo, eo amin'ny sehatra nasiônaly sy iraisampirenena: ny iray mikendry ny faneriterena “ny fahalalahana nomerika”, ny iray hafa mikendry hisian'ny fitantanana demaokratika mangarahara amin'ny alàlan'ny fikisahana ho any amin'ny nomerika sy ny fananganana toekarena eletrônika.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Ny Unfreedom Monitor Dia santatr'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox ary mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona mitambatra anaty tambajotra na tsirefesimandidy nomerika.

Hitroka ny tatitra anaty PDF momba an'i Kyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.