Miroborobo Ny Angovo Avy Amin’ny Masoandro, Saingy Hipaka Any Amin'ny Tena Mila Izany Ve?

Meenakshi Dewan brings something very special to her home in Orissa, India: electricity. Photo by Flickr user DFID - UK Department for International Development. CC-BY-NC-SA 2.0

mitondra zavatra manokana ao an-tranony ao Orissa, India i Meenakshi Dewan: herinaratra. Sary avy amin'ny mpisera Flickr DFID – Departemanta UK ho amin'ny Fampandrosoana Iraisampirenena. CC-BY-NC-SA 2.0

Ity lahatsoratr’i Didem Tali ity dia nivoaka voalohany tao amin’ny Ensia.com, gazetiboky manome lanja ny vahaolana ara-tontolo iainana iraisampirenena ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mibaliaka ny masoandro ao India, ary vonona ny haka tombony amin'izany i India, amin’ny alalan'ny firohotana hanao fampiasambola ngeza amin’ny angovo avy amin’ny masoandro ahafahana mamaly ny filan’ny mponina izay heverina hitombo hametraka azy ho firenena be mponina indrindra eto amin'ny planeta alohan'ny taona 2022. Kanefa ho tonga any amin’ny mponina tena mila azy ve ny angovo?

Amin'ny hadadasiky ny tany sy ny toerana misy azy amin'ny zanapehintany tropikaly, maro ny manampahaizana no mihevitra fa tena mety amin'ny firenena ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro. Ny marina, nisy fanadihadiana nataon'ny Deloitte sy ny Fiaraha-mizotran'ny Indostria Indiana naminavina fa mety hahatratra hatrany amin'ny 749 gigawatts ny angovo avy amin'ny masoandro vokarin'i India – manakaiky ny avo telo heny amin’ny herinjiro efa voapetraka tamin’ny 2012 – ary nitatitra fa tsy ny iray isan-jaton’izany angovo azo trandrahana izany akory no voatrandraka.

Manezakezaka hentitra ny governemanta indiana hanafainganana ny fanomezana angovo avy amin'ny masoandro ao amin'ny firenena. Araka ny Bridge to India (Tetezana Mankany India), orinasan'angovo avy amin’ny masoandro miorina ao Delhi, dia antenaina hitombo hatrany amin'ny 250% ny orinasan'ny angovo avy amin'ny masoandro amin'ity taona ity, izay mametraka ny firenena ho ao anatin’ny iray amin’ireo firenena dimy voalohany erantany amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro. Vao avy nankato drafitra hampivelarana tanànan'angovon'ny masoandro miisa 50 indrindra ny governemantan’ny praiminisitra indiana Narendra Modi. Efa natsangana tao Cochin, fanjakana iray any atsimo-atsinanan'ny firenena indiana ny seranam-piaramanidina voalohany mandeha manontolo amin'ny herin'ny masoandro. Ary India no hanana tobim-pamokarana angovo avy amin'ny masoandro lehibe indrindra manerantany atsy ho atsy. Tamin'ny famelabelarana ny angovo avy amin'ny masoandro ho ” vahaolana tsara indrindra “ dia nanambara ny hanomezana herinjiro amin'ny Indiana rehetra i Modi ary niantso ny manampahaizan'ny firenena hampivelatra ny fitaovan'ny angovo avy amin'ny masoandro manana fahombiazana kokoa

‘Sanjilan'i India amin'ny androm-piainany’

“Sanjilan'i India amin'ny androm-piainany ny angovo avy amin'ny masoandro. Manana hery hamaha tsy ny olan'ny fampandrosoana an'i India ihany ny angovo avy amin'ny masoandro, fa singam-panovana manoloana ny fikorontanan'ny toetrandro manerantany ihany koa”, hoy i Tobias Engelmerier, talen'ny Bridge to India. “Azo tanterahana tsara ny mahatratra ny hery 100 gigawatts ao anatin’ny 15 taona”, hoy izy.

Araka ny vondrona mpihevi-draharaha miorina ao Dehli antsoina hoe Ivontoerana Misahana ny Angovo sy ny Loharanompamokarana, dia olona 300 tapitrisa ao India no tsy mahazo herinaratra. Mety hanamora kokoa ny fanaovan'ny mpianatra entimody amin'ny alina ny angovo avy amin'ny masoandro, manampy ny mponina hifandray amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny finday, sy maro hafa koa. Na izany aza dia nilaza i Engelmeier fa fanamby amin'ny angovon'ny masoandro ny mitsika mankany amin'ny mahantran'ny tanàna:

A volunteer shows local residents a Polllinate Energy solar power system. Photo by Didem Tali.

Ireo mpanao asa soa mampiseho amin'ny mponina ny pilaky manome herin'aratra Pollinate. Sary avy amin'i Didem Tali. A volunteer shows local residents a Polllinate Energy solar power system. Photo by Didem Tali.

 

Decisions regarding the solar power investments are very politically driven and erratic. Even those who have access to electricity in cities regularly suffer from power cuts. Especially without centralized power systems and with the unpredictable nature of politics, it’s difficult to anticipate what will happen.

Be paipaikam-politika sy mikitoatoa loatra ny fanapahan-kevitra miompana amin'ny herin'ny masoandro. Eny fa na dia ireo manana herinaratra an-tanandehibe aza dia iharan'ny fahatapahana herinaratra matetika. Noho ny tsy fisian'ny fanatobiana amin'ny toerana iray ny rafitry ny herinaratra sy ny tsy fahafahana maminavina mihitsy izay izoran'ny politika indrindra indrindra, dia sarotra ny mitsinjo izay mety hitranga

Raha voalaza izany, dia maro ireo fisantaran'andraikitra mikasa ny hahatonga ny mponina mahantra an-tanandehiben'i India hisitraka ny firoborobon'ny angovo avy amin'ny masoandro. Amin’ny alalan’ny tetikasa “Lighting a Billion Lives,” (Manazava ain'olona amina miliara), ny Ivontoerana Misahana ny Angovo sy ny Loharanompamokarana  no efa nahazava tokantrano dimy hetsy, tsy ao India ihany, fa tany amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana 11 hafa ihany koa. Toa izany koa, ny Tahiry Fampivoarana Ny Fotodrafitrasa Madinika Maharitra dia manampy ara-bola, teknika ary ara-pandraharahana ireo orinasa madinika mpampitao angovo avy amin’ny masoandro. Nitsangana tamin’ny 2012 ny Pollinate Energy, orinasam-pandraharahana ara-tsosialy miorina ao Aostralia sy ao India, ary nahalafo tambajotram-pitaovana mampiodina ny angovon'ny masoandro tamin'ny fiaraha-monina mihoatra ny arivo.

“Ny vondronasa [tsy mitady tombombarotra] sy ireo olona avy amin'ny fiarahamonina-fikambanana no hahazo tombony amin'ny firoborobon'ny angovo avy amin'ny masoandro any amin'ireo tanànan'ny mahantra”, hoy Katerina Kimmorley, Tale Mpanorina ny Pollinate Energy.

Ny hoavy manoloana

Na izany aza anefa, eny fa na dia amin'ny vidiny ambany dia ambany atolotry ny fandraharahana ara-tsosialy toy ny Pollinate Energy aza, ny vidin'ny fehezana iray amin'ny angovo avy amin'ny masoandro dia mitentina 5 500 Ropia (izany hoe 83 Dolara Amerikanina), kanefa ny karaman’ny mpiasan'ny fananganana fotodrafitrasa raisina isan'andro dia ambany hatrany amin'ny  200 Ropia (izany hoe 3 Dolara Amerikanina). Maro amin'ny mponina an-tanandehibe no miasa amin'ny vondronasa an-tselika, toy ny fanorenana, izay tapaka asa rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny orana, izany no midika fa maro ny tokantrano tsy hahazaka izany vahaolana izany.

Tsy izay ihany, tsy ny herinaratra no fiakarana ara-tsosialy ilain'ny mponina mahantra indrindra ao India amin'ny sehatry ny angovo. Ny fandanian-kerinjiro lehibe ilaina indrindra any ambany tanàna dia ny fahandroan-kanina sy ny fanadiovan-drano – filàna notsenain'ny angovo avy amin'ny diky, izay mandoto rivotra sy mampisy olana ara-pahasalamana, ary tsy ho voasolon'ny fôtôvôltaika vetivety noho ny hakelin'ny herinaratra vokariny. Na dia izany aza, mety hahazoan'ny tokantrano tombontsoa amin'ny lafiny sasany ihany ny fitaovana madiniky ny herin'ny masoandro, indrindra amin'ny fanomezana fahafahampo amin'ireo filàna madinidinika andavanandro, toy ny fanazavana ny trano sy ny famahanana angovo ny finday.

Misy ihany ny fisalasalana fa haharitra taona maro, raha tsy ampolony taona maro, ny hahatonga ny vidin'ny herinjiro avy amin'ny masoandro ho takatry ny rehetra, noho ny filàn'ny mpanjifa sy ny fiakaran'ny fifaninanana eny an-tsena. Na izany aza, amin'ny firosoana marina, ny politika ary ny firotsahan'ny vondronasa tsy mikaroka tombombarotra tanteraka, dia mety hanana anjara toerana lehibe amin'ny fanampiana ireo olona 300 tapitrisa tsy manana angovo mba hahazo herinaratra ny angovo avy amin'ny masoandro.

Didem Tali dia mpanao gazety mahaleotena manokampahaizana amin'ny raharaham-pampandrosoana iraisampirenena. Mitatitra ny raharaha ara-toekarena, ny miralenta ary ny tontolo iainana avy ao Afrika, Azia, Eoropa ary any Afovoany Atsinanana izy. Manana ny diplaoma Master amin'ny media, fifandraisana ary ny fampandrosoana avy amin'ny London School of Economics izy ary misioka avy amin'ny @didem_tali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.