Mpanakanto Mandoro Ny Hosodokony Ho Firaisankina Amin'ireo Madhesis Tsy Manan-tsiny Namoy Ny Ainy Tao Nepal

Image courtesy Govinda Shah's Facebook page

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Govinda Shah

Raha natosika hiverina tamin'ny andro taloha i Nepal, amin'ny fahitana Nepaley voatery mahandro sakafo amin'ny kitay sy mandeha bisikileta noho ny tsy fisian'ny solika noho ilay fahirano tsy lazaina ofisialy avy ao India, dia nisy mpanakanto Nepaley iray monina ao Londra nandoro ny hosodokony sarobidy ho firaisankina amin'ireo Madhesis  tsy manan-tsiny namoy ny ainy tao anatin'ny ady ankehitriny ao Nepal.

Jereo ny iray amin'ireo mpanakanto malaza iraisampirenena ao Nepal nandoro ny harembeny [enta-mavesatra]; Govinda Azad! -

Nisetrasetra ireo mpitandro ny filaminana tamin'ny fanafoanana ny hetsi-bahoaka ao Madhes, lemaka atsimo ao Nepal; voalaza fa 50 no namoy ny ainy hatramin'izao nandritra ny korontana – sivily tsy manan-tsiny ny ankamaroan'izy ireo. Nipoaka ny ady taorian'ny fametrahana ny lalàmpanorenana vaovao ary nihamafy rehefa nomena fahafaham-po ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny havoana afovoany andrefana, saingy tsy nohainoan'ny governemanta ny fitakian'ireo foko Tharus sy Madhesis. Nitondra ny firenena tany amin'ny fikatsoana ny fihetsiketsehana raha nanakana ny lalana  manamorona ny sisin-tanin'i Nepal ireo mpanao fihetsiketsehana. Raha nandà tamin'ny fametrahana sakan-dalana amin'ireo toeram-pisavana ara-barotra i India, ary manome tsiny ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fanambanana, dia nitarika krizy goavana maha olona ao Nepal ny fiatoan'ny famatsiana.

Lehilahy falifaly lalandava i Govinda sah ‘Azad’ ary fantatra amin'ny fandokoany rahona, manome voambolana azy ireo ho fihetseham-pon'ny zavaboary, ho fanehoana tsirinkevitra tsy hita maso tahaka ny fitondran-tena, ny tontolo iainana, ny tsara indrindra ary ny ara-panahy.

Ny fihetseham-pony sy ny fikasany hampiely fanentanana ho amin'ny fandriampahalemana amin'ny alalan'ny zavakanto no nitarika azy hirotsaka tamin'ny fitetezana tany am-bisikileta, “Ny taonjato faha-21 dia taonjaton'ny Zavakanto sy ny Fandriampahalemana”, niainga avy any atsinanana hatrany andrefan'i Nepal nandritra ny fikomiana Maoista. Nanomboka tamin'ny volana Martsa hatramin'ny volana Jona 2000, nivoy bisikileta manerana ny firenena manatontosa seho ara-javakanto, atrikasa sy manolotra fampianarana any an-tsekoly sy ny any amin'ny vondrom-piarahamonina i Govinda.

Rehefa vita ny 15 taona, dia niverina tao an-tanindrazany izy ary nandoro ireo hosodokony tany amin'ny fitetezany am-bisikileta, nanokana izany fihetsika izany ho an'ireo olona namoy ny ainy nitady fitovian-jo, fanajana ary rariny. Tamin'ny hetsika, “Andeha Dorana ny Enta-mavesatra, Dorana ny Hosodoko: Fihetsiketsehana Ara-javakanto mitady Fandriampahalemana sy ny mahaolombelona”, hosodokony 28 no nodorany tao Katmandò tamin'ny volana Oktobra.

Ity lahatsarin'i Govinda Sah navoakan'i Katha Haru:

Avy ao Rajbiraj,  tanàna kely ao amin'ny lemaka atsimo i Sah. Avy amin'ny fianakaviana saranga antenantenany, nandao an'i Delhi, India, i Govinda taorian'ny fianarany ary nanao asa fandokoana takela-pamantarana mba hikolokoloana ny zavatra ankafiziny tamin'ny fahazazany amin'ny soritsoritra sary sy sary sokitra. Taorian'ny taona vitsivitsy, niverina tao Nepal izy, niditra nianatra tao amin'ny Kolejin'ny Zavakanto Tsara ary avy eo nankany Dhaka, Bangladesh, sy Londra, UK mba hanohy ny fianarany ho lasa lavitra kokoa.

Image courtesy Govida Shah's Facebook page

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Govida Sah

Na izany aza, tsy ny olona rehetra no niombo-kevitra tamin'ny endrika fanoherana nataony. Nanoratra tao amin'ny Facebook i Krishna Adhikari:

Well things might change as hoped, and emotional state of hopelessness might change to hope as well. Like those who have already lost lives, the treasure of your work once burnt won’t be brought back. So find another way of expressing discontent than burning them. Artists have power to change pessimism to optimism, not the opposite.

Eny, mety miova araka ny antenaina ny zavatra, ary mety miova ho fanantenana ihany koa ny fihetseham-pon'ny fahadisoam-panantenana. Tahaka ireo izay efa namoy ainy, tsy hiverina intsony ny raki-tsarobidin'ny asanao rehefa may. Koa mitadiava fomba hafa hanehoana ny tsy fahafaliana fa tsy mandoro azy ireo. Ny artista dia manana fahefana hanova ny fisainana miiba ho lasa miabo, fa tsy ny mifanohitra amin'izany.

Na dia mety manakiana aza ny olona, nolazainy fa fihetsika saimbôlika ihany izany hiantsoana tsy ireo mpanakanto namana ao Nepal sy manerana izao tontolo izao ihany fa ny Nepaley rehetra koa mba hanohana ny firenena hiverina any amin'ny fandriampahalemana, mba afaka miaina lavitry ny tahotra, ny herisetra , ny fanavakavahana, ny tsy rariny sy ny fisaraham-bazana ny olom-pirenena rehetra.

Tsy i Sah no mpanakanto voalohany namotika sanganasa ho hafatra ampitaina. Amin'ny afo nataony, nanatevin-daharana ilay Italiana mpanao hosodoko Michelangelo izy, izay nandoro ny hosodokony manokana, sy ilay mpanakanto Amerikana, Robert Rauschenberg, izay nanaisotra ny asan'ny namany mpiray firenena aminy Willem de Kooning, ary ilay mpanakanto Shinoa Ai Wei Wei, izay nandatsaka (namaky) vazy tarana-mpanjaka Han fahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.