Ny dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy nataon'ny Shiseido

Screenshot from Shiseido official YouTube channel

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube ofisialin'i Shiseido

Voatondro ho niely haingana dia haingana tao anatin'ny fotoana fohy ny dokambarotra mandeha amin'ny aterineto irery ihany nataon'ny orinasa japoney mpivarotra fitaovana fikojakojana tarehy Shiseido.

Nantsoina hoe “Ny Tsiambaratelon'ny fikojakojana tarehin'ny zazavavy japoney any amin'ny lisea” (メーク女子高生のヒミツ), dia nanomboka tamin'ny fahatongavan'ny mpampianatra hanomboka lesona tao amin'ny kilasy iray ao amin'ny lisea ny dokambarotra.

Nivezivezy nanerana efitrano ny fakantsary, miato vetivety ahafahan'ny mpijery mitopy maso ireo mpianatra ao an-dakilasy.

Video caption: The Makeup Secrets of Japanese High School Girls

Pika avy amin'ny lahatsary: Ny Tsiambaratelon'ny fikojakojana tarehin'ny zazavavy japoney any amin'ny lisea

Nisy ny tsy nampoizin'ny mpijery. Saingy inona ilay izy?

Misy ahiahy voasoratra pirinty tao amin'ny pejin'ny boky novakian'ny iray amin'ireo mpianatra:

"Did you notice any boys in this classroom?" Image from Shiseido official YouTube channel.

Sary avy amin'ny fantsona YouTube ofisialy Shiseido (pikantsary).

“Did you notice any boys in this classroom?”

Nahamarika ve ianao raha nisy zazalahy ato an-dakilasy?

Mazava loatra, tsikaritra avy eo fa ireo mpianatra vehivavy ireo hay ny tena marina dia lehilahy, ary navadika hatrany amin'ny farany indray no nanombohan'ny lahatsary, mampiseho hoe tahaka ny ahoana ny niovan'ireo zatovolahy ireo ho zatovovavy.

Eny fa na ilay mpampianatra azy dia hita fa hay lehilahy.

Efa azo novinavinaina fa halaza dia halaza ao Japana ilay dokambarotra.

Hoy ny vehivavy iray mpisera Twitter hoe:

Masaka be ity dokambarotry ny Shiseido ity! Manja noho ny vehivavy aza ry zalahy! (*´ェ`*)…

Ny ankamaroan'ny fanehoan-kevitra manoloana ny fiofoana zazalahy ho zazavavy dia fahatalanjonana, fa vitsy dia vitsy no nifantoka tamin'ny lohahevitra lalindalina kokoa amin'ny fomba mety hitsanganan'ny fanondroana ho lahy na vavy, sy ny anjara asan'ny fitaovana fikojakojana amin'ny famaritana ny atao hoe vehivavy:

Mahavalalanina ny vitan'ireto stylista matihanina ireto! Ary tahaka izany ihany koa ny fahalavorarian'ny fanatontosan'ny Shiseido ity dokambarotra ity!

Ny sasany tamin'ireo mpilatro tamin'ny dokambarotra moa dia namoaka ny sariny taloha sy taoriana ny nanatontosana azy.

Eto i Asahi Fuji, mpilatro iray tsy dia fantatra loatra:

Indro ny sary taloha-sy-taoriana! #misoloakanjo #plsRT #plsplsRTthis!

Yuki Murakami, mpilatro iray hafa, namoaka ny sarin'ny vondrona iray manontolo:

Eto amin'ny dokambarotra an-aterineto irery ihany aho izao, ilay natao ho an'ny Shiseido […] Maro amin-dry zalahy no tena tsara tarehy… dokambarotra tsara jeren'ny vehivavy tpt. Mankasitraka amin'ny mpanoro ny fomba fikojakojana tarehy.

Mpisera Twitter @RII_925, mpianatra lisea iray naman'i Murakami's, namoaka ny sasantsasany amin'ireo lahatsary ambadiky ny sehatra tamin'ny nanaovana ny fikojakojana tarehy sy ny fahagagany tanteraka manoloana ny fiovana:

Andraso iray minitra! Mahavariana!

Ilay fiovan'endrika no tena mahaliana kokoa raha oharina tamin'ny sarin'ireo mpianatra lehilahy nivoaka tao amin'ny dokambarotra tsy mbola nanova endrika:

shiseido cm

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.