Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mpanao Gazety Voasambotra Noho Ny Fitantarana Ny Fipoahana Baomba Tao Ivelan'ny Foibe Italiana Ao Kairo

"Photos from explosion at the Italian center," tweets journalist @degner, who was among those arrested today for covering the bomb blast in downtown Cairo

“Sary avy amin'ny fipoahana tao amin'ny foibe Italiana,” hoy ny siokan'ny mpanao gazety David Degner, @degner, izay anisan'ireo nosamborina androany raha nanangom-baovao tamin'ny fipoahana baomba tao afovoan-tanànan'i Kairo

Olona iray no maty ary maro no naratra, raha nisy fiara natao baomba teo ivelan'ny Foibe Italiana, ao afovoan-tanànan'i Kairo, ny maraimbe.

Ao anatin'ireo fanapoahana baomba misesisesy nanaraka ny fanonganana ny filohan'i Ejipta teo aloha Mohammed Morsi tamin'ny jolay 2013 ity nitranga androany ity. Olona an-jatony, matetika avy amin'ireo mpitandro filaminana sy ny miaramila mpiambina, no maty tamin'ny fanafihana tahaka itony, izay matetika tondroina ho nataon'ny mpitolona Islamista. Maty rehefa nampijalian'ny ratra azo tamin'ny fanaovana ho baomba ny fiara iray nikendrena azy teny an-dalana ny Lehiben'ny Fampanoavan'i Ejipta Hisham Barakat tapa-bolana lasa izay.

Nitranga vao maraimbe tao anatin'ny fitohanan'ny fiara ny fipoahana tamin'ny faran'ny herinandro, nandritra ny Ramadany, volana fifadian-kanin'ny Miozolomana, izay no anazavana ny fahavitsian'ireo niharam-boina tamin'izany. Re manerana ny tanàna, hatrany amin'ny kilaometatra maro ny fipoahana mahery vaika. Anisan'ireo voalohany teny amin'ny toerana nisian'ny fipoahana ireo mpanao gazety ary nilaza ny tatitra fa mpanao gazety vahiny efatra farafahakeliny no nosamborina noho ny fitantarana ny fipoahana ary navotsotra avy eo.

Iray amin'ireo mpanao gazety voalohany teny an-toerana i Wael Mamdooh, izay nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 14.1K tao amin'ny Twitter mikasika ny zavatra hitany. Hoy izy nisioka:

Feno setroka ao amin'ilay toerana ary feon'ny anjombon'ny fiaran'ny polisy sy ny fiara mpitondra marary ao afovoan-tanàna

Nizara ity lahatsary taorian'ny fipoahana ity ihany koa izy:

Izao sisa no niafaran'ilay fiara niavian'ny fipoahana tao amin'ny Lalana Ramsis, ao afovoan'i Kairo

Mpanao gazety Niharan'ny Herisetra sy Nosamborina:

Nitantara ity resaka niarahany tamin'ny mpitandro ny filaminana iray ity i Mamdooh, izay manasongadina ny herisetra nihatra taminy raha teo am-panaovana ny asany izy:

Tonga tao amin'ny Kaonsilà Italiana aho minitra vitsy taorian'ny fipoahana. Nosakanan'ny polisy iray aho izay nanontany hoe: “Inona no ataonao?” Nolazaiko izy fa mpanao gazety aho. Ary taorian'ny fijery mampiahiahy, nametraka fanontaniana lalindalina tamiko izy: “Nahoana no maka sary ianao?”

Mpanoratra gazety hafa koa voasambotra. Araka ny fanazavan'i Omar Elhadi

Navelan'ny polisy teo ny zava-drehetra ary nisambotra vahiny iray naka sary ry zareo

David Degner ilay mpaka sary nosamborina, izay mpaka sary avy amin'ny Getty Reportage. Nizara sary vitsivitsy nalainy tao amin'ny toerana nitrangan'ny fipoahana tao anatin'ny andianà sioka i Degner, ary manazava ny zava-nihatra taminy:

Sary roa hafa avy amin'ny Konsilà Italiana raha nitazona ahy ny polisy. 4 ny mpanao gazety tazonina amin'izao fotoana izao

Tazonin'ny polisy izahay amin'izao fotoana izao. Miaraka amin'i @EfaSheef @degner sy @Walt_Curnow aho

Nahoana no lasibatra ireo mpanoratra gazety:

Maro ireo nanontany ny antony nisamborana ireo mpanoratra gazety. Degner milaza hoe:

Tazonin'ny polisy izahay satria tonga aloha loatra tao an-toerana:

Hoy i Dalia Ezzat:

Samborina ny mpanao gazety aloha, avy eo mandamina ny korontana. Miavaka Hafahafa.

Ary hoy i Randomness nanampy:

Mihevitra ve izy ireo fa raha misambotra mpanao gazety dia hino izay filazana ofisialy ataon'izy ireo izahay.


Ny Filazana Ofisialy:

Tao amin'ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana, tsy noraharahin'ireo mpiserasera ny “teti-dratsy” holazaina mikasika izay zava-nitranga androany.

Sarah El Sirgany nanamarika hoe:

Nilaza ilay lehilahy tao amin'ny fahitalavi-panjakana fa efa nampiasaina tamin'ireo fanafihana hafa ny baomba nampiasaina tao amin'ny Kaonsilà Italiana izay namboarina tany Israely & Etazonia.

Mazava ho azy fa niteraka fisalasalana ny siokan'i El Sirgany :

@basildabh @Ssirgany tsy lehilahy kisendrasendra fotsiny. Mpanampin'ny minisitry ny atitany teo aloha izy.

Raha te-hanaraka ny vaovao momba ny fipoahana [androany], jereo ny fitantarana mitohy ao amin'ny Global Voices Checkdesk.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.