
Ashraf Ghani aorian'i Abdullah Abdullah tamin'ny fihodinana voalohany, saingy nahazo vovok'aina vaovao tamin'ny alàlan'ny vatom-pifidianana an-tapitrisa vitsivitsy mba hahafahany milaza tena ho mpandresy. Sary nalaina tao amin'ny Flickr-n'ny Masoivoho Amerikana.
“Raha” ny vokatry ny savaranonando no inoana — ‘raha’ izay manana dikany lehibe vokatry ny fanambaràna miraradraraka avy amin'ny mpifaninana aminy milaza fisianà hosoka tamin'ny fifidianana– dia toa i Ashraf Ghani Ahmadzai no ho lasa filoha voafidy manaraka ao Afghanistan hoy ny Kaomisiona Iraisampirenena Momba ny Fifidianana ao Afghanistan (IEC), sy hoe vatom-pifidianana valo tapitrisa no voaisa tamin'ilay fihodinana faharoa nafampàna tamin'ny 16 Jona, teo amin'ireto minisitra teo aloha ireto, Minisitry nyTetibola Ghani sy Minisitra fahiny nisahana ny Raharaham-Bahiny Abdullah Abdullah.
Fandresena tsy ekena.
Amin'izao fotoana izao i Dr. Ghani, izay avy amin'ny Pashtun, no mitarika amin'ny isam-bato 56% , elanelana mety ho sarotra amin'i Abdullah Abdullah, ny tapany Pashtun, ny tapany Tajik, malaza eny anivon'ireo vondrom-poko tsy Pasthun ao Afghanistan, na dia nitarika 14 isanjato teo ho eo nanoloana an'i Ghani aza tamin'ny fihodinana voalohany. Araka ny ibitsihan'i Jamal Mousavi, mpanao gazety ao amin'ny BBC amin'ny teny Persiana azy [fa]:
بر اساس نتایج ابتدایی اشرف غنی احمد زی با 56 درصد آراء رییس جمهور بعدی #افغانستان است، نتایج هنوز نهایی نیست
— Jamal Mousavi (@Jamal_Mousavi) July 7, 2014
Araka ny vokatra savaranonando tamin'ny fifidianana, mitarika i Ashraf Ghani Ahmadzai amin'ny isa 56% amin'ny fifidianana izay ho filoha manaraka ao Afghanistan. Tsy mbola ny vokatra farany.
Sahady, efa nanomboka niarahaba ny mpandresy ireo mpanohana an'i Ghani. Mivaky toy izao ny bitsika avy amin'i Lutfullah Stanikzai :
Congratulations to Dr. @ashrafghani and his team for their victory in the Afghan presidential elections 2014 #AfghanElections
— Lutfullah Stanikzai (@LutfullahSaWayi) July 7, 2014
Arahabaina Dr. @ashrafghani sy ny ekipany amin'izao fandreseny tamin'ny fifidianana izay ho filohan'i Afghanistan 2014 izao
Hita taratra mialoha ihany, nanambara ny mpitondra tenin'i Abdullah Abdullah fa holavin-dry zareo ny valim-pifidianana. TOLO News nibitsika hoe :
Spokesman for Abdullah Abdullah live on TOLOnews says they do not accept the results announced this evening by the IEC. #Afghanistan
— TOLOnews (@TOLOnews) July 7, 2014
Mivantana ao amin'ny TOLOnews ny mpitondra tenin'i Abdullah Abdullah no miteny hoe tsy ekeny ny valim-pifidianana nambaran'ny IEC tamin'ity hariva ity. #Afghanistan
Ampangain'ireo mpanohana an'i Dr. Abdullah ny antsoin'ny ekipa mpanao fampielezankevitra avy aminy hoe “hosoka goavana amin'ny sehatra indostrialy”. Nisafoaka mafy ny iray tamin'ny mpanohana an'i Abdullah, Yar Mohabbat [fa]:
اﻋﻼﻥ ﻧﺘﺎﻳﺞ ﺗﻘﻠﺒﻲ ﻣﺸﺮﻭﻋﻴﺖ ﻧﺪاﺭﺩ. ﺭﻳﺲ ﺟﻤﻬﻮﺭ ﺗﻘﻠﺒﻲ, ﺭﻳﺲ ﺟﻤﻬﻮﺭ ﻣﻦ ﻧﻴﺴﺖ.
— Yar Mohabbat (@ymohabbat) July 7, 2014
Tsy azo ekena ny fanambaràna vokam-pifidianana feno hosoka. Tsy filohako ny filoha hosoka.
Raha iray hafa mpanohana an'i Abdullah ihany, Aziz Taheer, nanontany ny amin'ny maha-lanim-bahoaka ny fomba nanaisàna vato:
The 150% increase in Dr. Ghani's vote count against all the odds in just 2 months is no less than a miracle. #AfghanElections
— Aziz Taheer (@azizTaheer) July 7, 2014
Ny fiakarana 150% tamin'ny isam-baton'i Dr. Ghani tsy nisy nanam-po velively tao anatin'ny 2 volana latsaka fosiny dia efa zava-mahagaga tsy anampiana tsy analàna. #AfghanElections
Haider Sediqi monina ao Kabul, nanoratra namaly ny fanontanian'ny BBC hoe [fa]:
@bbcshoma اشرف غنى با چند مليون راى تقلبى ميخواهد بالاى مردم حكومت كند كه اين بار مردم تحمل آنرا ندارند
— haider sediqi (@GhSediqi) July 7, 2014
Maniry hitondra vahoaka an-tapitrisa amin'ny alàlan'ny hosoka i Ashraf Ghani, saingy tsy handefitra an'izany ny vahoaka.
Nanohy nitatitra ny alahelon'ireo mpomba an'i Abdullah i Ahmad Mukhtar, mpanao gazety :
RT @HNajafizada: Breaking: Abdullah's camp tells us it's a total fraud. Over 2 million fraudulent votes for Ghani.
— Ahmad Mukhtar (@AhMukhtar) July 7, 2014
RT @HNajafizada: Vaovao mafàna: Milaza aminay ny avy amin'i Abdullah fa hosoka tateraka iny. Maherin'ny 2 tapitrisa ny vato hosoka azon'i Ghani.
Noho ireo fiampangana ho nisy hosoka, mety hisy ny famerenana manisa vato any amin'ny distrika sasany. Freshta Kazemi, mpanoratra, metisy Amerikana-Afghana, nandroso ny hoe ny ampaha-efatry ny vato no haverina ny fanisàna azy.
#AfghanElections: Preliminary Results. 1/4th of votes to be audited due massive fraud accusation. pic.twitter.com/WFEirU9P6X
— Fereshta Kazemi (@FereshtaKazemi) July 7, 2014
#AfghanElections: Vokatra savaranonando. hamarinina ny 1/4 amin'ny vato noho ny fiampangana marobe momba ny fisian'ny hosoka. pic.twitter.com/WFEirU9P6X
Tsy misy marimaritra iraisana?
Talohan'ny nanambaràna ny vokatra, toy ny resaky ny moana sy ny marenina ny an'i Ghani sy Abdullah, raha ireo mpanohana an-dry zareo kosa niady tety anaty media sosialy. Nanery an'i Zia ul-Haq Amarkhail, filohan'ny IEC hametra-pialàna izany taorian'ny nilazàn'ny tarik'i Abdullah fa ananany ny tahirim-peo andrenesana azy manome baiko ny hamenoana vata ho fampandresena an'i Ghani.

Fiara vaventy iray maneho ny fanohanany an'i Abdullah Abdullah (sary nobitsihan'i @alibomaye. Abdullah Abdullah ilay sary eo afovoany)
Ny marainan'ny 7 Jolay, nanambara i Ashraf Ghani fa tokony ho hajaina ny vaton'ny vahoaka :
Stability of Afghanistan is in the stability of people. Hence, the will and votes of people must be respected: pic.twitter.com/ji73sq5A8v
— Ashraf Ghani (@ashrafghani) July 5, 2014
Ao anatin'ny fitonian'ny vahoaka no misy ny fitonian'i Afghanistan. Manomboka eo, ny hetahetam-bahoaka no tsy maintsy hajaina: pic.twitter.com/ji73sq5A8v
Namoaka hafatra tahàka izay koa i Abdullah Abdullah, miaraka amin'ny fanindriana mafy ny karazam-batom-pifidianana iray – ilay vato madio.
Once again, I declare my commitment on defending clean votes of Afghan People!
— Abdullah Abdullah (@AfgPresident) July 6, 2014
In-dray mandeha indray, ambarako ny firotsahako an-tsehatra amin'ny fiarovana ny vato madio narotsaky ny vahoaka Afghan!
Ireo vato madio, hoy izy nanazava, dia samihafa amin'ireo vato ‘matoatoa’.
Election results released without ghost votes taken out of clean votes would not be acceptable for us!
— Abdullah Abdullah (@AfgPresident) July 6, 2014
Tsy ho azonay ekena ireo voka-pifidianana navoaka nefa tsy nesorina hiavaka amin'ireo vato madio ny vato ‘matoatoa'!
Araka ny lazain'ilay mpanao gazety fahiny tao amin'ny BBC sady mpiaro ny zon'olombelona, Ramin Anwar, vonona ny hifampiraharaha amin'i Abdullah Abdullah i Ashraf Ghani mba hisorohana ny fifandonana sy ny herisetra.
#AshrafGhani‘s camp says there is still room for “talk” and everything possible should be done to avoid violence. #Afghanistan#election
— Ramin Anwari (@raminanwari) July 7, 2014
Miteny ny tarik'i #AshrafGhani hoe mbola azo omena toerana ny “fifampiresahana” ary tokony hatao izay zavatra rehetra mety mbola ho azo atao mba hisorohana ny herisetra. #Afghanistan#election
Raha mbola mivezivezy etsy sy eroa ao amin'ny Twitter ny honohono, voatery kosa ny ambasadaoro Amerikana ao Afghanistan nandà ny tsy fisian'ny fandraisany anjara amin'ny fanampiana ny dingana fanisàm-bato ataon'ny IEC sy ny hoe niasa ho mpanelanelana teo amin'ireo tarika mpanao fampielezankevitra izy.
The U.S. Ambassador is not at the IEC.
— U.S. Embassy Kabul (@USEmbassyKabul) July 7, 2014
Tsy ao amin'ny IEC ny Ambasadaoro
Miankina amin'i Abdullah sisa
Miaraka amin'ny lanja mavesatry ny ho famindràm-pahefana voalohany amin'ny fomba demaokratika ao Afghanistan, toa sahala amin'ny vao mainka mampibaribary ilay fanontaniana napetraky ny Global Voices tamin'ny volana Aprily lasa iny izato izy. Ary raha ny momba ny valinteny indray, miankina amin'ny hevitr'izay voa be ao Afghanistan, Abdullah Abdullah, sy ireo an-tapitrisa manohana azy, hatao aorian'izay ny zavatra maro