Miaina anaty tahotra sy hakiviana ireo mpihira ao Afghanistan noho ny fandraràn'ny Taliban ny mozika

 

Zavamaneno sy fitaovana nodoran'ny Taliban any Afghanistan. Pikantsary avy amin'ny Sky News Australia fantsona YouTube. Azo ampiasaina.

Nisy fiantraikany goavana teo amin’ireo mpitendry mozika ao Afghanistan sy ny indostrian'ny mozika amin'ny ankapobeny ny nitondran'ny Taliban hatramin'ny nandrombahany ny firenena tamin'ny volana Aogositra 2021. Samy niroborobo tao Afghanistan na ny mozika nentim-paharazana na ny hira maoderina tao anatin'ny 20 taona farany. Niova izany rehetra izany tao anatin’ny iray volana latsaka rehefa nandray ny fahefana ny Taliban ary nanomboka nandrahona ireo mpihira ny sasany tamin'ireo mpikambana ao aminy mba hampitahorana azy ireo sy hanerena azy ireo hampiato ny fitendrena mozika.

Vao mainka niharatsy ny raharaha nanomboka teo, rehefa nandrara ny filalaovana sy fihainoana mozika ny Taliban. Fandraràna mitovy amin'izany no nampiharina tany Afghanistan tamin'ny faramparan'ireo taona 1990 nandritra ny fitondran'ny Taliban voalohany tao amin’ny firenena. Araka ny fandikana henjana ataon'ny Taliban momba ny finoana Islamo, voarara ny fihainoana sy ny filalaovana mozika satria lazaina fa “manimba ny fitondran-tena” sy mitarika “ny tanora ho amin’ny lalan-diso” izany.

Ny mpitendry mozika no tena voa mafy tamin’io fandraràna io. Nandao ny firenena ireo izay nanana fahafahana. Iharan'ny fanalam-baraka ampahibemaso sy ny fahasahiranana ara-toekarena ireo izay mijanona ao Afganistan. Nampanaovin’ny Taliban parady ireo mpitendry mozika miaraka amin'ny zavamaneno nahantona teo amin'ny tendany mba hanapotehana izany fotsiny avy eo mandritra ny fandaharana ho an’ny daholobe tamin'ny fahitalavitra. Tsy maintsy nitady  fomba fivelomana vaovao ny mpitendry mozika, miady hivelona.

Niresaka tamin'ny mpitendry mozika Afgàna Faisal (novana ny anarana noho ny antony ara-piarovana) ny Global Voices mba hahitana ny fiovan'ny fiainan'ny mpitendry mozika tao Afghanistan tao anatin'ny roa taona farany. Talohan'ny Taliban, nitendry piano sy clavier i Faisal ary nivelona tamin'ny fampisehoana an-tsehatra isankarazany. Nasiam-panitsiana ny antsafa amin’ny halavany sy mba ho mazava.

Khojasta Sameyee (KS): Nanao ahoana ny endriky ny indostrian'ny mozika/sehatra Afghana talohan'ny fitondran'ny Taliban tamin'ny taona 2021?

Faisal (F): Before the collapse of Afghanistan’s government into the hands of the Taliban, musicians had freedom with their work. Despite security threats and unsafe conditions at the time, at least they were allowed to continue their work and have their own places and offices.

Both 2020 and 2021 were brilliant years for Afghanistan’s music industry. Numerous music schools developed in Kabul and other locations in the country. The popularity of music increased, especially among the younger generation. Young girls and boys were enthusiastic about learning music. Overall, the music industry was in outstanding condition before the Taliban.

Faisal (F): Talohan'ny nianjeran'ny governemanta Afganistana teo am-pelatanan'ny Taliban, nanana fahalalahana tamin'ny asany ny mpitendry mozika. Na dia teo aza ny fandrahonana ara-piarovana sy ny toe-javatra tsy azo antoka tamin'izany fotoana izany, mba navela hanohy ny asany sy hanana ny toerany sy ny biraony manokana izy ireo farafahakeliny.

Samy taona namirapiratra ho an'ny indostrian'ny mozika tany Afghanistan ny taona 2020 sy 2021. Sekoly mozika maro no nisokatra tao Kabul sy ny toerana hafa tao amin'ny firenena. Nitombo ny lazan'ny mozika, indrindra teo amin'ny taranaka tanora. Nafana fo tamin'ny fianarana mozika ny zatovovavy sy ny ankizilahy. Amin'ny ankapobeny, niavaka ny indostrian'ny mozika talohan'ny Taliban.

KS: Inona no anjara asan'ny mozika amin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina Afghana? Taiza no nianaranao nitendry mozika ary taiza ianao no nanao fampisehoana? (Fanambadiana? Kaonseritra? Lanonana hafa?)

F: Fortunately, music maintains a prominent place in Afghan society. Afghanistan has a long history with music and art. Our people adore music and they view it as a means of happiness and joy. Afghanistan has a very diverse music scene. Each province has its own local and native music. Besides that, modern music also has a lot of fans among people in Afghanistan.

I learned piano and keyboard under the supervision of Mr. Haroon Halimi, he was my instructor. Music is love and it gives me peace of mind. I believe that music fosters tolerance, freedom, love and cultural diversity among individuals.

I played piano and keyboard at various public events, including concerts, people's weddings, and birthdays, in order to serve my people and my community.

I am living in fear. I lost my job and career. Playing music was my only income and through that I was supporting my family. I hope one day I feel free and secure to perform and play music once again and continue my work as a musician.

F: Soa ihany fa mitana toerana misongadina eo amin'ny fiarahamonina Afghana ny mozika. Manana tantara lava amin'ny mozika sy ny zavakanto i Afghanistan. Tian'ny vahoakanay ny mozika ary heveriny ho toy ny fitaovam-pahasambarana sy fifaliana izany. Manana sehatra mozika maro karazana i Afghanistan. Samy manana ny mozikany avy eo an-toerana sy ny mampiavaka ny terataniny ny faritany tsirairay. Ankoatra izay, manana mpankafy be dia be ao Afghanistan ihany koa ny mozika maoderina.

Andriamatoa Haroon Halimi no nanara-maso ny fianarako piano sy clavier, izy no mpampianatra ahy. Fitiavana ny mozika ary mampilamin-tsaina ahy izany. Mino aho fa ny mozika no mandrisika ny fandeferana, ny fahafahana, ny fitiavana ary ny fahasamihafan'ny kolontsaina eo amin'ny tsirairay.

Nitendry piano sy clavier aho tamin'ny hetsika ho an'ny daholobe isan-karazany, anisan'izany ny kaonseritra, fampakaram-bady, ary fitsingerenan'ny andro nahaterahana, mba hanompoana ny vahoakako sy ny fiaraha-monina misy ahy.

Miaina ao anaty tahotra aho. Very asa sy fivelomana aho. Ny filalaovana mozika no hany fidiram-bolako ary tamin'ny alalan'izany no namelomako ny fianakaviako. Manantena aho fa hanana fahalalahana sy ho voaaro indray andro any rehefa hanao fampisehoana sy hilalao mozika indray ary hanohy ny asako amin'ny maha-mpitendry mozika ahy.

KS: Ahoana no fiovan'ny toe-draharaha ho an'ireo mpitendry mozika Afghana hatramin'ny nahatongavan'ny Taliban tamin'ny taona 2021? Manao ahoana ny toe-draharaha ankehitriny?

F: After the Taliban took power in Afghanistan, they began to banish music and art. They forbade music because they believe it is haram [forbidden] in Islam. Numerous musicians lost their jobs as a result of the music ban, and they are currently in an extremely difficult economic and security situation.

Nowadays, listening to music is illegal. No one is able to listen to music on TV or radio. No one is allowed to study or perform music.

Taliban have transformed Afghanistan into a place deprived of music and art. They transformed it into a quiet, dumb country. Music and art are in an extremely terrible condition. It is very difficult to live in Afghanistan as a musician right now since the Taliban transformed the country into a prison for musicians.

F: Taorian'ny nandraisan'ny Taliban ny fahefana tao Afganistana, nanomboka nandrara ny mozika sy ny zavakanto izy ireo. Nandrara ny mozika izy ireo satria mihevitra izany ho haram [voarara] amin'ny Islamo. Mpitendry mozika maro no very asa noho ny fandraràna ny mozika, ary ao anatin'ny toe-draharaha tena sarotra ara-toekarena sy ara-piarovana tena sarotra izy ireo amin'izao fotoana izao.

Ankehitriny, tsy ara-dalàna ny fihainoana mozika. Tsy misy afaka mihaino mozika amin'ny fahitalavitra na onjam-peo. Tsy misy olona mahazo mianatra na manao fampisehoana mozika.

Nanova an'i Afghanistan ho toerana tsy misy mozika sy zavakanto ny Taliban. Nanova azy ho firenena mangina sy moana izy ireo. Ao anatin'ny toe-javatra faran'izay mampalahelo ny mozika sy ny zavakanto. Tena sarotra ny miaina ao Afghanistan amin'ny maha-mpitendry mozika amin'izao fotoana izao satria nanova ny firenena ho fonja ho an'ny mpitendry mozika ny Taliban.

KS: Inona avy ireo fanamby/fahasahiranana nentin'ny fandraràn'ny Taliban amin'ny filalaovana sy fihainoana mozika ho an'ireo mpitendry mozika Afghana sy olom-pirenena tsotra? Mbola afaka mianatra mitendry mozika ve ny olona? Afaka mihaino mozika amin'ny kasety na CD na amin'ny onjam-peo vahiny ve ny olona?

F: Taliban shuttered all music schools and destroyed or burned all musical instruments, therefore there are currently no music schools or courses in Afghanistan where individuals can learn music.

People are unable to listen to music on radios, because the Taliban also prohibited the use of foreign radio stations throughout all of Afghanistan, and publishing music videos or audio is seen as a serious, terrible crime.

F: Nakaton'ny Taliban ny sekoly mozika rehetra ary nopotehiny na nodorany ny zavamaneno rehetra, noho izany, tsy misy sekoly mozika na fampianarana any Afghanistan izay ahafahan'ny tsirairay mianatra mozika amin'izao fotoana izao.

Tsy afaka mihaino mozika amin'ny onjam-peo ny olona, ​​satria noraràn'ny Taliban ihany koa ny fampiasàna onjam-peo vahiny manerana an'i Afghanistan manontolo, ary hita ho heloka bevava goavana sy mahatsiravina ny famoahana horonan-tsarin-kira na hira.

Ho an'ny filaharan-kira mandrindra ireo mozika isan-karazany avy any Afghanistan, jereo ny rohy eto ambany, ary jereo ny kaonty Spotify Global Voices ho an'ny filaharan-kira maro isankarazany bebe kokoa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.