Undertones ao Afghanistan: ‘Taliban 2.0,’ Vehivavy, Fifaharana

Ny fitantarana dia ampahany amin'ny Undertones, taratasin-gazetin'ny Civic Media Observatory ato amin'ny Global Voices. Saintsainin'ny mpikaroka ny  tontolovoarin'ny fampitam-baovao ao an-tanindrazany, ireo fitantarana matanjaka indrindra nandritra ny taona, ary izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023. Amin'ity herinandro ity izahay manolotra an'i Afghanistan. Isaky ny mitendry fitantarana iray ianao dia hahita ranty famakafakana sy fampahalalana mifandraika amin'izany. Misoratra anarana hanjohy ny Undertones.

Nofehezin'ny Taliban i Afghanistan rehefa nanala ny miaramilany i Etazonia sy ny mpiara-dia aminy tamin'ny 20 Aogositra. Raha an'arivony ireo voatery nandao ny firenena, mbola an-tapitrisany kosa no mizaka izay ataon'ny fitondrana Taliban, izay milaza fa efa niova izy hatramin'ny nitoerany teo amin'ny fitondrana farany tamin'ny taompolo 1990s na dia ahariharin'ny porofo rehetra aza ny mifanohitra amin'izany.

Mitady mpanolotsaina amin'ny fifandraisana ara-politika ny Taliban

Vantany vao nandroba-pahefana ny Taliban tamin'ny herintaona dia nesoriny ny zon'ny vehivavy hiasa sy hankany an-tsekoly. Tamin'ny taona 2022, natao ampahibemaso eny amin'ny kianja malalaka ny fanasaziana ho fankatoavana ny fomba fandraisana tery ny lalàna Sharia islamika. Na dia miavosa aza ny tatitra fanitsakitsahana ny zon'olombelona, dia milaza ny Taliban fa efa niova ry zareo hatramin'ny nitondran-dry zareo farany roapolo taona lasa izay. Mandresy lahatra ny mpanohana ny Taliban fa “niova ny Taliban” ary ny kinova ankehitriny dia kinova vaovao sy noankotrihina “Taliban 2.0.”

“Miseho ho miakanjo tsara izy ireo amin'ny fahitalavitra ary miteny am-pahamendrehana miantso ny fiarahamonina iraisampirenena,” hoy ny iray amin'ireo mpikaroka momba an'i Afghanistan, izay mijanona tsy mitonona anarana noho ny antony fiarovana. “Toy ny hoe misy Afghanistana roa (samy hafa).”

Sady mahay mifandray no mahafatifaty ireo solontenan'ny fitondrana asaina miresaka amin'ny haino vaky jery, raha mahery setra sy tsy mifaditrovana kosa ireo miasa eny an-kianja, lavitra fakan-tsary, hoy ny mpikaroka ato aminay. Ho an'ireo izay manatri-maso izay mitranga eny an-dalamben'i Kabul, mbola “mitondra amim-pangorohoroana ny Taliban ary manohy ny setrasetrany toy ny tamin'ny taompolo 1990s.”

Tamin'ny taona 2022, nifanena tamin'ny fahefana iraisampirenena ny Taliban, toa an’Iran, Qatar, Rosia ary Etazonia. Mandritra ny fifampiresahana amin'ny sehatra iraisampirenena tahaka izany, ataon'ny fitondrana mifanaraka amin'izay ifampiresahany eo ny lahateniny, hoy ny mpikaroka ato aminay.

Maro no mandresy lahatra fa “mihatsaravelatsihy sady manao mizana tsindrian'ila amin'ny Taliban” ny Tandrefana, tsy mijery afa-tsy izay hetsika fampihorohoroana kasaina hamelezana an'i Etazonia na ny mpiara-dia aminy, ary manakimpy ny masony amin'ireo krizin'ny zon'olombelona , maha-olombelona ary politika mitranga eny an-kianja.

Vehivavy anaty lasibatra fitifirana

“Iray amin'ireo vondrona tena matanjaka sy be herim-po indrindra ny vehivavy amin'ny fihaikàna ny Taliban teny an-dalambe, tao amin'ny haino vaky jery, tao amin'ny trano fisakafoana sy trano fisotroana kafe, ary eny ankalamanjàna amin'ny ankapobeny,” hoy ny nolazain'ny mpikaroka ato aminay. Voasazy noho ny fanaovana izany koa ny vehivavy, tamin’ny alalan’ny fakana an-keriny, fanolanana, fampijaliana ary fanasaziana ampahibemaso. Noesorina tamin-dry zareo ny zony ary sokajina  ho olom-pirenena kilasy faharoa ry zareo.

Tamin'ny Desambra 2020, noraràn'ny Taliban tsy hiditra oniversite ny vehivavy. Mikatona ho an'ny zazavavy ny sekoly ; mbola voatery hanarona manontolo ny tenany ny vehivavy, ary potipotehina ankerisetra izay mety ho endrika fikomiana.

Nanangana tambajotran-tserasera sarotra am-pikirakiràna amin'ny alalan'ny WhatsApp ny andiam-behivavy hifandraisana amin'ireo vehivavy hafa any ivelany ka hanazava ny zava-mitranga any Afghanistan. Ambaran-dry zareo fa “tsy hiankohoka eo anoloan'ny fitondrana ratsin'ny Taliban ny vehivavy Afghan.”

Na izany aza, tsy ahatsinjovana zavatra tsara ho azy ireo ny fitodihana mankany amin'ny taona 2023, hoy ny faminanian'ny mpikaroka ato aminay, amin'ny fanondroana ireo fanasaziana ampahibemaso ataon'ny Taliban. “Asehon-dry zareo tokoa ny tena lokony amin'ireny fanehoan-kery ampahibemaso ireny,” hoy ny mpikaroka ato aminay nanampy. Iharan'ny fikapohana ihany koa ny lehilahy.

Ho an'ny Taliban sy ireo mpomba azy, fomba fitantara tena nalaza tokoa ny hoe: “Ny vehivavy nanohitra eto Afghanistan dia efa simban'ny fisehoana teo amin'ny soatoavina tandrefana.” Nahatonga ity fomba fitantara ity ny firotsahan'ny vehivavy maro tamin'ny fandraisana anjara mavitrika teo amin'ny fikambanana mahaolompirenena sy ny fiainana ara-toekarena ao amin'ny firenena nandritra ny taona maro nitsabahan'i Etazonia tao an-toerana.

Jereo ny tantarantsika mifantoka fotsiny amin'ny fomba fitantaran'ny Taliban ny vehivavy Afghan.

Fifaharana any avaratra

Nifehy an'i Afghanistan tamin'ny taona 1996 ka hatramin'ny taona 2001 ny Taliban, Hetsika Islamika hiringiriny anjakazakan'ny foko Pashtun. Tandindonin-kerisetra manokana ireo vondrom-poko hafa.

Lasa toerana ifotoran'ny fifaharana i Andarab sy i Panjshir, faritra be tendrombohitra ao avaratr'i Kabul, taorian'ny fandrombaham-pahefana tamin'ny herintaona. Ho an'ireo vondrom-pikomy ireo, izay tarihin'ny vitsy an'isa ara-poko, “ny fanoherana ny Taliban no hany safidy tokana tavela.”

Maro karazana ireo vondrona tahaka ny mpiady anaty akata: malaza ny sasany, toy ny herim-pifaharam-pirenena, ny hafa kosa natsangan'ny miaramila taloha, ary tsy hita endrika ny hafa. Tanjona iray no iraisan'izy ireo: milaza fa miaro ny taniny amin'ireo mpanani-bohitra misetrasetra manery hanaraka fomba fiainana tsy azy ireo ry zareo. Tsy mitovy amin'ny Daesh (Fanjakana Islamika ao Iràka sy ny Fiposahana), izay ao Afghanistan ihany koa, ary miezaka mafy mampihatra ny tetikadiny tsirefesimandidy, ireo vondrona ireo.

Maro ny bemidina ara-miaramila nataon'ny Taliban hamotipotehana ny fifaharana, nefa tsy nahomby ireny. Noho ny toetrandro mangatsiaka, mbola mangina ireo toerana fehezin'ny fifaharana ireo amin'izao fotoana izao. Ny lohataona matetika no fotoana mampirongatra ny ady.

Mandresy lahatra ny mpanohana Taliban fa ny tanjon'ny hetsi-panoherana voalohany dia ny fizarazarana mifototra amin'ny foko, ka lazainy fa “Mampizarazara an'i Afghanistan ireo fihetsiketseham-pifaharana” ka tsy tokony omena lalana. Na, raha mandeha lavitra kokoa, amafisin-dry zareo fa “nitondra fandriampahalemana manoloana ny adim-pahefana tao Afghanistan ny fanafihan'ny Taliban.”

Lazain'ny mpikaroka ato aminay fa kihon-dalana lehibe ho an'ireo vondrona mpikomy ireo ny taona 2023. Zavatra telo no mety hitranga: mifampizara fahefana amin'ny Taliban, izay aroson'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena, ny fihakelezan'ny hery mpikomy, na ny fitomboan'ny heriny noho ny fanohanan'ny vahiny.

“Ho vitan'ny vondrona mpikomy ve ny manangana fanoherana mahazaka izay midona sy ho voafehin'ny Talibs tanteraka ry zareo?,” Hoy ny fanontanian-dry zareo.

Fitantarana hafa mendrika homarihana miely any Afghanistan:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.