Nankalaza am-pilaminana ny Krismasy ireo Siriana Kristiana raha miditra amin'ny faha-efatra taonany kosa ny ady an-trano, manamarika ny fahafatesan'olona maherin'ny 100.000 sy fikisahan-toeran'ireo an-tapitrisany mba hikaroka fialokalofana any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.
Miara-tonga amin'ny fialokalofana ny ririnina mamirifiry sy ny vavaka hodiana an-tanindrazana, araka ny fanazavan'ity tatitry ny Al Jazeera ity.
Tamin'ity taona ity i Syria dia vavolombelona nanatri-maso faharavàna tsy hitanoanoa, fahafatesana, ary taha ambony be tamin'ny resaka fakàna an-keriny izay mahavery fanantenana ireo vahoakany. Io fahaverezam-panantenana io dia azo jerena anatin'ny asan'ireo artista izay, amin'ny fotoana sasantsasany, mampiseho ny horohoron'ny firenena, anaty taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa.
Fanehoana an-tsary an'i Santa anaty Taokanto Siriana
Tamin'ny fakàna tàhaka ny fakàna an-keriny ao Syria, nanao sary ahitàna an'i Santa nisy naka an-keriny miaraka amin'ny akanjobeny midorehitra, mandohalika ary voaambana basy i Jawad :
![[Photo source: Art by Jawad Facebook Page]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1484211_212416075611924_7053469_n.jpg)
[Loharanon-tsary: taokanto avy amin'ny pejy Facebook Jawad]
![[Photo source: Anas Salameh's Facebook profile]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1509218_10151901961012832_133312329_n.jpg)
[Loharanon-tsary: Facebook-n'i Anas Salameh]
![Done by Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا [Photo Source: Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا Facebook Page]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1476568_575861305828253_2005860827_n.jpg)
Nataon'i Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا [Loharanon-tsary: Pejy Facebook Comic4 Syria كوميك لأجل سوريا ]
![Artwork by Wissam Al Jazariry [Photo Source: Wissam Al Jazariry Artworks Facebook Page]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1513319_575837775830606_515927010_n.jpg)
Taokanto an'i Wissam Al Jazariry [Loharanon-tsary: Pejy Facebook-n'ireo Taokanton'i Wissam Al Jazariry]
Ny Fanahin'ny Fety: Lakolosy , Hazo Krismasy, ary Haingo isankarazany
Kisangisangy nihiràna ilay hiran'ny Krismasy hoe “Jingle bells” no mitaky fahafahana sy fanesorana an'i Bashar El-Assad. Maty noho ny fampijaliana nanjo azy ilay mpanoratra azy io, fantatra amin'ny hoe Mogwli Mowgli:
Taokanto iray maneho ho hita maso ny kibolabola iray natsoboka tanaty rà ary nahantona tanaty vata fampangatsiahana no nataon'i Anwar Al Eissa, tahaka ny maneho an-tsary ny toe-draharaha mamirifiry diavin'ireo Siriana maro tamin'ity Krismasy ity :
![[Photo Source: Anwarts Facebook Page]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1482926_643317202396312_21085396_n.jpg)
[Loharanon-tsary: Pejy Facebook Anwarts]
Merry Christmas and well wishes from Bashar! #Syria pic.twitter.com/ZC3wuM0lp7
— رهام (@Rehambo) December 24, 2013
ZZZZZZZZFirariana Krismasy sambatra ary ny tsara rehetra avy amin'i Bashar! #Syria pic.twitter.com/ZC3wuM0lp7
- رهام ( @ Rehambo ) 24 Desambra 2013
Raha etsy ankilan'izay i Hani Abbas kosa manamboatra azy niainga avy tamin'ny tranolain'ireo mpialokaloka :
![[Photo Source: Hani abbas cartoon]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1521919_575839845830399_1355192424_n.jpg)
[Loharanon-tsary: sariitatr'i Hani abbas ]
![[Photo Source: Mohamad Alweis's Facebook Profile]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2013/12/1483359_10151901959982832_768233404_n.jpg)
[Loharanon-tsary : Facebook-n'i Mohamad Alweis]
Bells 2013 – أجراس 2013 avy amin'i eyad aljarod ao amin'ny Vimeo.