Nohelohina fito taona am-ponja sy kapoka in-600 androany maraina [29 jolay] ny mpanangana ny tranonkala “Free Saudi Liberals” [Afaho ny Liberaly Saodiana] antsoina hoe Raif Badawi. Voasambotra tamin'ny 17 Jona 2012 tao Jeddah i Badawi ary noampangaina ho “nanangana tranonkala manimba ny filaminam-bahoaka” sy manaratsy ny mpitari-pivavahana Islamika malaza.
Dinika antserasera misokatra ho an'ny daholobe ny tranonkala Afaho ny Liberaly Saodiana. Nikatona izany taorian'ny nisamborana an'i Badawi, ary efa voasakana an-taonany maro tao amin'ny firenena. Hita tao amin'ny didim-pitsarana androany ihany koa ny didy hanakatonana tanteraka ny tranonkala:
حكم القاضي في قضية رائف بدوي بغلق موقع الشبكة الليبرالية الحرة
@abualkhair: Tao amin'ny didim-pitsarana ny raharaha Raif Badawi androany, nodidian'ny mpitsara ny fanakatonana ny tranonkalan'ny Afaho ny Liberaly Saodiana.
Tamin'ny 7 Desambra 2012, nalefa tany amin'ny fitsarana ambaratonga ambony ny raharaha, tao amin'ny Fitsarana ankapobeny ao Jeddah, taorian'ny niampangana azy ho niala [nihemotra] tamin'ny finoana, izay mitarika mankany amin'ny famonoana ho faty. Niangaviana i Badawi handao ny fomba fijeriny saingy nandà.
Nanan-janaka telo izay nandao ny firenena niaraka tamin'ny reniny i Badawi taorian'ny fisamborana azy. Any Beirit ao Libanona ry zareo amin'izao fotoana izao.
Ny Amnesty International dia mametraka azy ho “gadra noho ny heviny notazonina noho ny fampiharany am-pilaminana ny zony hiteny malalaka” ary nitaky ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...