Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa.
Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no lasa filoha [mg], ary na dia resy tamin'ny fifidianana aza i Ahmed Shafiq, izay notohanan'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF), mbola manana vatom-panorona maro azony ampiasaina ny miaramila [mg].
Tonga tamin'izay nantsoin'ny bilaogin'i Big Pharaoh [Farao Lehibe] hoe “Fifandonan'ny Jiolahim-boto“, tolona eo amin'ny SCAF sy ny Mpirahalahy Miozolomana amin'izay hitana ny fahefana ambony ao Ejipta ny raharaha.
@NPSusa: SCAF & MB, 2 autocratic organizations are in battle, “each side trying to frame the debate as a contest for ideals, legitimacy and democracy”.
Mandritra izany fotoana izany, ny fahefana mpanao lalàna no fiadiana ifampitoloman'ny roa tonta amin'izao fotoana izao:
@ZaouguiChams: Egyptian politics are not a 2 party game (MB vs Scaf): the judiciary plays a vital part in Post-Mubarak Egypt.
@Cairo67Unedited: Situation best described as ‘Warm’ war between #SCAF #HCC on 1 hand and #Mursi #MB on other.
Ary ny fanontaniana am-bavan'ny Ejipsiana maro amin'izao fotoana dia hoe, “Tsy Maintsy Miandany Ve Isika?”
Namaly Ny Farao:
While some revolutionaries chose to side with the elected MB against SCAF, I made up my mind to grab the pop corn and watch the dogfight. As far as I am concerned, SCAF and the MB are exactly like two thugs fighting each other and the revolution is caught in the middle. Neither thug gives a hoot about the revolution. Why would I support a side while I know beyond a shadow of doubt that the winner will evetually turn against me.
Saingy nampiany avy eo izay tokony ataon'ny revolisionera ankoatra ny fijerena ity adim-pahefana tsy mitsahatra ity:
Egypt needs an alternative to the MB and the army generals. There must be a third option provided to the people in the upcoming elections. If that third option did not arise, we’ll remain enslaved to the outcome of the MB and SCAF dogfight.
MB: Mpirahalahy Miozolomana
HCC: Fitsarana Avo Momba ny Lala-panorenana