Araka ny tatitra maro, nisy jirga iray tao amin'ny distrikan'i Kohistan, Khyber-Pakhtunkhwa, Pakistan, nibaiko ny hamonoana zazavavy dimy amin'ny lazaina fa nandihy sy nihaino hira. Afzal Khan, rahalahin'ny iray amin'ireo zazalahy niara-nandihy milaza fa efa maty ireo zazavavy ireo. Notifirin'ny fianakaviany ihany ireo vehivavy ireo tao amin'ny tanàna ambanivohitra lavi-toerana any UC Peesh Bela. Efa nahafaty olona tsy manantsiny maro tany amin'io faritra io ny fitsipi-piainan'ny foko ampiharin'ireo mpitari-pivavahana tery saina amin'ny fomba fandraisany ny heviny. Efa nisy nitatitra tranga nitovy tamin'izao ihany koa efa-bolana lasa izay rehefa nibaiko ny hamonoana zazavavy efatra sy zazalahy roa ny jirga tao an-toerana. Nomelohina izy ireo rehefa hita nihira sy nandihy tao amin'ny lanonana iray tany an-tanàna lavi-toeran'i Gada any amin'ny distrika be tendrombohitr'i Kohistan ry zareo.
Nivoaka avy tamina ‘fatwa‘ (didy ara-pivavahana) ny asam-pampihorohoroana mampihoron-koditra tahaka izao. Heverin'ny mpikambana ao amin'ny jirga ho fandikana ny fitsipi-piainan'ny foko ny fihirana sy ny fandihizana. Izany fandikana izany no lasa fototry ny fanamelohana ireo zazavavy dimy ireo. Tokony homarihana fa nitehaka nandritra ny mariazy tao amin'ny tanàna misy azy ireo zazavavy ireo.
Tazeen ao amin'ny The Reluctant Mind nanasongadina ireo fatwas navoakan'ny mpifehy ny tanàna taloha tao Kohistan niteraka fanafintohinana ireo:
Maulana Abdul Haleem, of Jamiat Ulema-e-Islam-Fazlur Rehman, came up with a series of misogynist fatwas, clearly detailing what should be the priorities of his political and religious followers. For starters, the fatwa declares formal education for women to be unIslamic. As just declaring the act of going to school and getting some education irreligious was not enough, he also had to reprimand the parents who send their girls to schools in Kohistan and asked them to terminate their education. [..]
The fatwa does not end here. It goes on to declare all the non-governmental organizations (NGOs) working in the region as ‘hubs of immodesty’.
Niaraka tamin'ny andiana fatwas mankahala vehivavy, milaza mazava amin'ny antsipirian'ny laharam-pahamehana ara-politika sy ara-pivavahana ho an'ny mpanaraka azy i Maulana Abdul Haleem, avy ao amin'ny Jamiat Ulema-e-Islam-Fazlur Rehman. Ho an'ny vao mianatra, milaza ny fatwa fa tsy mifanaraka amin'ny Islamo ny fanabeazana ny vehivavy. Ary raha heverina fa tsy mbola ampy ny filazana fa tsy ara-pivavahana ny fandehanana mankany an-tsekoly sy mandray fampianarana avy amin'izany, dia nobedesiny ihany koa ny ray aman-dreny mandefa ny zanany vavy any an-tsekoly any Kohistan ka nobaikoany izy ireo hamarana ny fanabeazana azy ireo.[..]
Tsy tapitra hatreo ny fatwa. Nambara hatramin'ny hoe ‘varavarakelin'ny fijejojejoana’ ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana na ONG rehetra miasa any amin'ny faritra.
Tatitra mifanohitra be ihany no re avy amin'ny manampahefan'ny governemanta KPK. Ny minisitry ny fampahalalam-baovao ao amin'ny faritanin'i KPK, Mian Ifthikhar Hussain, milaza fa “diso sady tsy misy fototra itoerany” ny vaovaon'ny famonoana zazavavy dimy. Saingy, tsy misy porofo ny zavatra lazainy. Etsy ankilany, Afzal khan milaza fa azony averimberina in'arivo ny filazany fa maty ireo zazavavy ireo.
Ho famahana ny fifanoheran-kevitra, namoaka filazana didy (na nanokatra ny fanadihadiana) momba ny famonoan'olona tao Kohistan ny fitsarana tampony. Nandidy ny governemantan'i KPK hampiseho ireo zazavavy dimy ny Fitsarana Tampony, saingy tsy nahavita izany ny governemanta.
![kohistan [640x480]](https://globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2012/06/kohistan-640x480-375x267.jpg)
Kohistan mihitsan-dravina. Saripika Flickr hoy i yumievriwan. CC BY-NC-ND (tsy azo amidy tsy azo amboarina).
Nisioka am-pisainana i Nasr Ahmed:
@Nasr_MTA: The Pakistani Auschwitz are Khoistan, Balochistan, Sindh or wherever the Honour killing is taken place
manoratra i Sonia Wahab :
There is just digust in honour killing.
Malik Hamza maneho ny heviny:
disgusting (sic) and insane radical people making our religion a shame.
Misy fihetseham-po sy fanavaozam-baovao hafa ao amin'ny Twitter:
@shahbazzahid: Overheard a resident of #Kohistan saying this > “now, I have started thinking the girls are not alive”
@shahbazzahid: Maulana Javed, head of some jirga in #Kohistan ordered for the killings – says Muhammad Afzal Khan
@beenasarwar: RT @AleemMaqbool: team of pak officials has landed in pattan, kohistan to find out whether or not 5 women have been killed for celebrating with men at wedding.