Polonina: Mpamaham-bolongana voampanga fa nitsikera nataony ny Ben'ny tanàna iray

Nomelohina noho ny tsikera nataony tamin'i Zofia Springer, ben'ny tanànan'i Mosina, tao amin'ny bolongany i Łukasz Kaprowicz, mpanao gazety miasa ho an'ny Fakty Mosińsko-Puszczykowskie, gazety poloney iray ao an-toerana, sady efa nanoratra hatramin'ny ela tao amin'ny bolongana Mosina.blox.pl.

Araka ny nosoratany tao amin'ny bolongany, ny didim-pitsarana dia nanery azy:

  1. not work in his profession for a year
  2. pay 500 PLN fee to the Polish Red Cross
  3. 10 months of limited freedom + 300 hours of community service
  4. publish apologies in the local newspaper Głos Wielkopolski
  5. cover the cost of psychological and psychiatric tests (3 items)
1.  tsy hanao ny asany mandritra ny herintaona
2.  handoa onitra 500 PLN amin'ny vokovoko mena Poloney
3.  10 volana voafetra ny fahafahany + 300 ora “asam-pokonolona”
4.  hanao fialan-tsiny ampahibemaso ao amin'ny gazety Głos Wielkopolski
5.  mandoa ny vola fitsapana ny fahasalaman'ny saina (intelo)

Nafana vay tokoa ny tsikera nataon'ny mpamaham-bolongana tamin'ity didim-pitsarana ity sy tamin'ny fiarovana ilay mpamaham-bolongana. Natsangana ny takelaka Facebook: Popieram Łukasza Kasprowicza skazanego za bloga. Stop cenzurze władzy. (“Manohana ny mpamaham-bolongana Łukasz Kasprowicz aho – ajanony ny sivana.”)

Piotr Wajszczak miresaka ao amin'ny bolongany:

Tafaverina tanteraka eto amin'ny tanànako ny Komonisma!!! Tsy nihevitra izany ho avy amin'ny Ben'ny tanàna, Rtoa Zofia Springer mihitsy aho. Tsinjo fa adinoiny ny tsy fisian'ny PRL [Polska Rzeczpospolita Ludowa – Repoblika entim-bahoakan'i Polonina] intsony efa an-taonany izao. Nitsikera ny nataon'ny Ben'ny tanàna i Łukasz Kasprowicz, ary ny tena zava-dehibe tao anatin'izany dia ara-penitra avo no nanaovany azy. Siky tamim-pahombiazana tanteraka ny nanaovany azy ary navadiny ho fanontaniana henjana tao amin'ny bolongany izany.

[…] Nanafintohina ahy ny nitranga tany Mosina sy ny tsy fahazoana miasa ho an'ilay mpanao gazety matihanina sady mpamaham-bolongana noho ny tsikera manorina nataony. […]

Etsy ankilan'izany kosa, Piotr Vagla Waglowski, mpamaham-bolongana miresaka momba ny aterineto sy ny lalàna, no miezaka mamaritra ny voambolana “press material” (fitaovam-baovao) ho an'ny mpitsara sy ny tranga samihafa ahafahana milaza ny bolongana ho “fitaovam-baovao” na tsia.

Raha toa tsarain'ny fitsarana any Poznań ho tsy nanao ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy ranamana, ny dikan'izany dia mieritreritra ny mpitsara fa ny famoahany (lahatsoratra) amin'ny vavahadin-tserasera (amin'ny “bolongany” izany) dia tena fanaovany ny asany.

Nampivoitra ny dfijery isan-karazany amin'ty raharaha ity i Olgierd Rudak :

Tsy vitan'ny hoe manohana ny mpanolotsainan'ny tanàna amina vaomiera hafa noho ny an'ny Ben'ny tanàna ilay mpamaham-bolongana notsaraina, fa nanoratra ho ana-gazety ao an-toerana iray – izay tsy ny Merkuriusz Mosiński, izay – mahagaga, manaitra! mba hafa koa re izany – nanohana tanteraka ny ataon'ny ben'ny tanàna. Mieritreritra aho fa tafiditra anatina “voninahitra ara-politika” ao an-toerana ny mpitsara.

Nasongadin'i Olgierd tany amin'ny farany:

Raha fehezina, eritreretiko fa eto no ahitana mpamaham-bolongana poloney izay nosazian'ny mpitsara iray noho ny fanoratany tamin'ny bolongany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.