Topi-maso Arabo : Inona no fivavahanao ?

Any amin'ny firenena Arabo sansantsasany, ny fidirana birao dia arahina fombafomba manokana izay mampiavaka azy. Ny mpiblaogy Nora Younis dia mampiharihary amintsika izay zava-mitranga rehefa mivadika ho « mpanadihady ara-pinoana » ireo mpiasa birao, nadika avy amin'ny teny arabo ity lahantsoratra ity.

Nora Younis

Hoy Nora:

صباح أمس الأول توجهت لمصلحة الشهر العقاري بقصر النيل لتسجيل توكيل عام قضايا للمحامي الخاص بي.. هناك فوجئت أنه علي أن أثبت ديانتي وديانة المحامي في التوكيل.. وبما أني لم أنوي الزواج من المحامي بعد، فلم يكن ليخطر ببالي أبدا أن أسئله عن ديانته.. كل ما أردته هو محامي كفء لمهمة قضائية محددة، ولا أظنه يضيرني أو يضير الدولة المصرية في شيء ان كان يهوديا، أو شينتو، أو حتى من عبدة الجزرة المقدسة!
وبما أنه لا يوجد قانونا ما يخص أو يمنع وكالة غير المسلم عن المسلم، أو غير القبطي عن القبطي، فلم أستطع تفسير الموقف سوى بأن الدولة المصرية ترغم المواطنين على التمييز في أمور غير ضرورية حتى لو أرادوا العزوف عن ذلك. لم أكن أتخيل أن يأتي اليوم الذي أسأل فيه شخصا غريبا عني: دين حضرتك ايه؟

Tany amin'ny biraom-panjakana miandraikitra ny fanoratana tany aho omaly, mba hanao sonia ireo taratasim-baditany izay ahafahako manendry ny mpisolovava hiandraikitra ny raharahako. Tao dia zendana aho rehefa nangatahin-dry zareo aho ny hanaporofo izay foto-pivavahako sy ny an'ilay mpisolovava nofidiko. Ary satria tsy isan'ny fikasako mihitsy ny hanambady ity mpisolova ity, dia tsy niserana tao an-tsaiko akory ny hanontany izay mombamomba ny fiainany ara-panahy na izay fivavahana arahiny. Zavatra tsotra mantsy no notadiaviko, olon-dalàna mahafehy ity asa manokana ampanaoviko azy ity, sady izaho koa tsy nihevitra fa hisy fiantraikany amiko na amin'ny fanjakana Egyptiana izay fivavahany na jiosy izy na Shintoista na mpanaraka ny fivavahan'ny karoty masina aza ! [FANAMARIHANA: fanesoana ity mpivavaka amin'ny karoty masina ity, fomba entiny anambarana fa tsy ahoany mihitsy izay mety ho fiainam-panahin'ilay mpisolovava na dia izay faran'ny tsy mitombona aza].
Ary satria any Egypta dia tsy mbola misy lalàna izay mandràra fa tsy afaka mampiasa Moslimo ny tsy-Moslimo, na Kôpta, ny tsy-Kôpta [FANAMARIHANA: isan'ny ireo fomba fivavahana Kristiana tranainy indrindra izay tsy hita afa-tsy any Egypta, ny Kôpta], ny hany fanazavana mba hitako mety hanazavana ity raharaha ity dia ny hoe, teren'ny fanjakana ireo mpiara-monina Egyptiana mba hifankahala na dia ireo tsy mihevitra akory ny hanao izany aza.
Tsy tiako hosaintsainina akory ilay andro iray izay hahavoatery ahy hanatona olom-bahiny mba hanontaniako izay fivavahany.

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.