Tantara tamin'ny Tselatra sy Saripika
Mampalahelo nefa mahatsikaiky ny kaonty Twitter “No Context Russia”
Mampiseho sary avy any Rosia tsy misy odidina ny kaonty Twitter iray, mampiseho ny firenena amin'ny endrika mampalahelo sady maneso.
Mamadibadika ny tantaran'i Madagasikara amin'ny alalan'ny sary fahiny
Manahirana matetika ny fahazoana ny sarin-tantaran'ireo firenena voazanaka taty Afrika noho ny famerana fatratra ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra ara-tantara. Nikaroka ny hamahana izany olana izany i Helihanta RAJAONARISON sy i Tsiry Fy-Tia SOLOFOMIHANTA avy eto Madagasikara ka nametraka ny tantaran'i Madagasikara hahafinaritra kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka tamin'ny fananganana ny...
Mandalina Ny ‘Fotoam-piovàn'ny Kanto Sy Ny Fampielezan-kevitra’ ireo Mpanakanto Any Skopje
Ny Kooperacija (“Cooperation” na Fiaraha-miasa, teny Makedoniana entina hilazàna ny tranombarotra enta-madinika any amin'ireo tanàna kely), vondrom-panakanto tsy mampidi-bola fa mamelon-tena, dia nampiantrano fampirantiana nitondra ny lohateny hoe “Fotoam-piovàna: Ny Kanto ho Fanentanana Fanoherana ny Tsindrihazolena” [en, mk, misy sary] tany Skopje, vao tsy ela akory izay. Araka ny tatitra [mk]...
Malagasy Miresaka Ny Fakana Sary Mpilatro Sy ny Fitafy SI Swimming Teto Madagasikara
Nopihana tao amin'ny Nosy Iranja, teto Madagasikara ny 2014 Sports Illustrated Swimming Suit: Nosy Iranja dia fantatra amin'ny mahanosin'ny Sokatra azy noho ny fametrahan'ny sokatra Hawksbill ny atodiny ao. Fantatra ihany koa amin'ny tora-pasika mampitohy ny nosy roa mifanakaiky koa izy io. Mpilatro Rosiana Shayk sady vadin'ny mpilalao baolina fandaka...
Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara
Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny...
Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra
Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.