Nopihana tao amin'ny Nosy Iranja, teto Madagasikara ny 2014 Sports Illustrated Swimming Suit:
Nosy Iranja dia fantatra amin'ny mahanosin'ny Sokatra azy noho ny fametrahan'ny sokatra Hawksbill ny atodiny ao. Fantatra ihany koa amin'ny tora-pasika mampitohy ny nosy roa mifanakaiky koa izy io.

Nosy Iranja, Madagasikara – Valam-bahoaka
Mpilatro Rosiana Shayk sady vadin'ny mpilalao baolina fandaka Cristiano Ronaldo nilaza fa manana fifandraisana manokana amin'i Madagasikara:
When I was a student I did a report on Madagascar, and ever since then it was my biggest dream to go there [..] The (Malagasy) people live and get by every day walking in the roads, living this super simple life, and they're still happy. It is an experience that keeps you humble, puts things in perspective.
Fony aho mpianatra dia nanao tatitra momba an'i Madagasikara, hatramin'izay fotoana izay aho no nanofinofy indrindra ny handeha ho any [..] miaina amin'ny fandehanana an-tongotra eny an-dalana isan'andro ny olona, tena tsotra ny fomba fiainany, ary mbola faly (miramiran-tava) hatrany ny Malagasy. Zava-niainana mahatonga anao hanetry tena sy hametraka zavatra misy tanjona
Manontany tena Rakotonirina Miaro hoe nahoana ny tontolo ivelan'i Madagascar no tahaka ny mankafy ny haren'ny nosy saingy tsy mety mahamarika izany [mg] ny Malagasy:
Ny olon-kafa maita ny hatsaran'ny Nosin-tsik fa ny tompony jay no tsy mahafatatra fa tsar i Gasikara! Tsara daholo ny mannequin naka sary é!