Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Febroary, 2016
Nahoana No Manome Fidirana Maimaim-poana Ho An'ny Vehivavy Manao Kiraro Avo Vodi-tongotra Ny Tranombakoka Ara-jazakanto Rosiana?
Nahasarika mpijery maherin' ny 32 tapitrisa ny lahatsary an-kira tao amin'ny YouTube tao anatin'ny telo herinandro monja. Eny fa na dia amin'ny iray amin'ireo tarika mpihira rock malaza indrindra ao Rosia aza, nahitam-pahombiazana goavana ny hira vaovaon'i Leningrad mitondra ny lohateny hoe "Display Exhibit" ( "Exponat").
‘Ebola Rosiana': Tetikasan'Olom-pirenena Mikaroka Momba Ny Fahafatesan'ireo Rosiana Tao Amin'ny Toeram-pitazonan'ny Polisy
Efa ho isanandro, maty any amin'ny toerana fitazonan'ny polisy ireo Rosiana, matetika noho ny antony tsy fantatra. Mandrakitra ny fahafatesana tsirairay ny tetikasa iray ety anaty Aterineto, antsoina hoe "Ebola Rosiana", mba hampitombo ny fahampahafantarana ireo olan'ny tsy fanajàna zon'olombelona.
Satria Mihataka Amin'ireo Fikambanana Momba Ny Zon'olombelona i Rosia, Mipoitra Ny Fanapahankevitra Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Fanjakana
Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona nanome rariny ny mpiaro ny fahalalahana miteny manohitra ny fanarahamaso ataon'ny governemanta Rosiana . Nefa noho ny lalàna vaovao, tsy manahy, amin'ny fomba ofisialy, i Rosia.
Notorian'ny Orinasa Mpanolotra Aterineto Eny Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fitsikilovana An'Aterineto I Kremlin
“Nahita mpanolotra aterineto roa vonona ny hiara-dia aminay amin'ny ady atao amin'ny SORM izahay,” hoy ny fanambaran'i Leonid Volkov, mpiara-manorina ny Fikambanana Fiarovana ny Aterineto.