Tantara mikasika ny Belarosiana
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.
Sangany amin'ireo media belarosiàna, namafa lahatsoratra an-tambajotra mba hiarovany ny mpiasa
Nesorin'ny toniandahatsoratry ny Tut.by daholo ireo votoaty virtoaly navoaka tamin'ny ankamaroan'ireo fantsom-baovaony tety anaty media sôsialy tamin'ny 2020 sy ny tapany voalohany ho an'ny 2021, anatin'ny tena mampafàna ny hetsipanoherana taorian'ny fifidianana.
Mampisy fifandirana ny tononkira ka tsy afa-mifaninana amin'ny Eurovision 2021 i Belarus
Hitan'ny European Broadcasting Union fa "manitsakitsaka ny fitsipiky ny fifaninanana tsy manaiky ho fitaovana politika na mampisy fifandirana" i Belarus
Lukashenka sa Lukashenko? Nahoana ny media miteny anglisy no mampiasa fanononana samihafa an'ilay mpitarika Belarosiana
Ny valiny amin'izany dia hoe "arakaraka".
Fantaro ireo artista manao amboradara ny hetsika Belarus
Avy any amin'ny toerana lavidavitra ao Prague, manome voninahitra ny fihetsiketsehana izay mitranga any amin'ny tanindrazany mitantara azy amin'ny amboradara nentim-paharazana ilay Belarosiana artista Rufina Bazlova.
Belarosia: Mampiakatra Ny Tahan'ny Fandraisana Anjara ny Antso ho Fanaovana Ankivy Ny Fifidianana Ireo Fifidianana Mialohan'ny Fotoana
Ny Alahady 23 Septambra 2012 ny fifidianana parlemantera tany Belarosia, fa efa nanomboka sahady ny fifidianana mialoha, ary mety ho avo be ny fandraisana anjara amin'ny farany, na nisy aza ny antso hanao ankivy ilay fifidianana.
Miboridana Sady Miasa Ireo Belarosiana ( Baikon'ny Filoha)
Nanala ireo akanjony tao amin'ny toeram-piasana ireo mpisera aterineto Belarosiana, rehefa lasa nalaza ny lahatsary misy ny kabarin'i Filoha Lukashenka
Manao Hetsi-panoherana Amin'ny Fisian'ireo Toby Miaramila Ao Anatin'ny Sisintaniny ireo Bielorosiana
Miaraka amin'ireo hetsika mafy miisa 500 any Minsk renivohitra, sy hetsika bebe kokoa ao amin'ny media sosialy, mamoaka ny heviny manohitra ilay vinavinanà tobim-pamaharan'ny tafika an-habakabaka Rosiana hatao eo amin'ny tany Bielorosiana ireo Bielorosiana.
Fampiharana Vaovao Amin'ny Finday, Manampy Ny Belorosiana Hanara-maso Ny Fihoaram-pefy Amin'ny Fifidianana Ho Filoha
Ireo mpamorona ny "Вочы" (Vochy, "Maso" amin'ny fiteny Belarosiana ) dia manantena fa hanampy amin'ny fanitarana ny fahalalàn'ireo olompirenana ny zotram-pifidianana manontolo sy ny zony amin'ny maha-mpifidy azy ilay fampiharana vaovao amin'ny finday. Andrandrain-dry zareo ihany koa izy io hanome fahafahana ho an'ireo mpifidy mba hitatitra malaky ireo fihoaram-pefy amin'ny fifidianana ho any amin'ireo mpanaramaso tsy miankina.