Miboridana Sady Miasa Ireo Belarosiana ( Baikon'ny Filoha)

Belarusian Internet users stripped in their workplaces to respond to the President's call to put more effort into their work. Image from Instagram.

Mpisera aterineto Belarosiana miboridana ao amin'ny toeram-piasany ho valin'ny antson'ny filoha amin'ny fanaovana ezaka bebe kokoa amin'ny asany. Sary:Instagram.

Tsy fantatra ho mafana fo amin'ny fankatoavana ny baikon'ny Filoha Alyaksandr Lukashenka izay efa ela teo amin'ny fitondrana ireo olom-pirenena Belarosiana hatramin'izay. Fa raha ny marina, tsy ankasitrahana ny fanaovany ampihimamba amin'ny fomba tsirefesimandidy ny fitondrana ao  Belarosia. Raha ny fandehany, misy ihany ny maningana amin'ny fitsipika rehetra.

Tamin'ny 22 Jona, niteny tao amin'ny fihaonan'ny vahoaka Belarosiana i Lukashenka, ary namarana ny kabariny tamin'ny antso ho an'ireo Belarosiana hitady fiainana tsara kokoa.

Наша жизнь в простом. Надо раздеваться и работать. До седьмого пота. Не будет этого – погибнем.

Zavatra tsotra ihany ny fiainanantsika. Tsy maintsy manala akanjo isika ary mandeha miasa. Miasa mandra-paha tsemboka. Raha tsy izany dia ho levona isika.

Nitety ny media sosialy ny lahatsarin'ny kabarin'i Lukashenka, tsy nampino ireo mpisera izay niezaka ny hanamafy fa tena nampiasa ny teny hoe “manala akanjo” (раздеваться) fa tsy ny hoe ny mitovitovy fanonona amin'izany “mampandroso [ny tenany]” (развиваться) izy.

Nanamafy izany ny fandraisana an-tsoratra ilay kabary tao amin'ny tranonkalan'ny fitondrana.  Noho izany nanomboka ny lahasa tamim-pahavitrihana ireo Belarosiana .

Tsy ela akory, tototry ny sary sy lahatsarin'ireo Belarosiana (ny ankamaroany tanora) miboridana ao amin'ny biraony sy ny toeram-piasany ny media sosialy,  nanarona ny tenany tamin'ireo kilasera, latabatry ny birao , solosaina, ary nanao ny asany andavanandro. Nanangona ireo santionany tsara indrindra tamin'ireo flashmob tamin'ny tambajotra sosialy ny tranokalam-baovao ao an-drenivohitra Belarosiana CityDog.

#раздеватьсяиработать #ялюблюсвоюработу #чутьчтомыодеты #четкаяконспирация #minsk

A photo posted by Маргарита Воропаева (@margo_voropaeva) on

Batka (Lukashenko's nickname) said we should get naked and work, so we got naked and are working.

Nilaza i Batka (solon'anaran'i Lukashenko ) fa tokony hitanjaka isika sady miasa, araka izany mitanjaka izahay ary miasa.

We'll follow the advice as well))

Hanaraka ny torohevitra ihany koa izahay ))

Anything to prop up the country's economy.

Ho an'ny fananganana ny toe-karen'ny firenena .

Belarosiana an'arivony  no namoaka sary tao amin'ny Instagram, Facebook  ary Twitter sy nampiasa ny tenirohy # раздеватьсяиработать (#miboridanasymiasa).

#раздеватьсяиработать #музейбровки #ниднябезбровки #музей

A photo posted by Музей Петруся Броўкі (@museum_brovka) on

I weeded the strawberries today. And how have you fulfilled the state's command?

Nanala ny ahidratsy tamin'ireo frezy aho androany. Ary ahoana no nanantanterahanareo ny baikon'ny fanjakana?

Lasa nalaza tato amin'ny aterineto ny flashmob ka na ireo mpisera avy amin'ny firenena hafa tao amin'ny RuNet sy avy any rehetra any aza dia tonga nanatevin-daharana izany .

Supporting the Belarusian flashmob!

Manohana ny flashmob [hetsika iarahana ao anatin'ny fotoana fohy] Belarosiana!

Nandeha lavidavitra kokoa tamin'ny fanaovana flashmob ny mpisera aterineto sasany ary nandefa lahatsary misy hira natao manokana ho amin'ny fotoana. Mitanjaka ny ankamaroan'ireo olom-pirenena mihira ao amin'ny lahatsary mazava ho azy. Izay hampisehoana fotsiny fa tena mila mitandrina amin'ny zavatra iriany  ireo mpitondra ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.