Manao Hetsi-panoherana Amin'ny Fisian'ireo Toby Miaramila Ao Anatin'ny Sisintaniny ireo Bielorosiana

Tovolahy, manao ny lobaka nentim-paharazana Bielorosiana, mitazona takelaka, manohitra ny politikan'i Poutine momba ny fanitàrana ara-tafika, eo anoloan'ny vehivavy iray miaraka amin'ny takelaka mivaky hoe “Ndeha misidìna mody!”, nandritry ny hetsi-panoherana ny amin'ny fametrahana ireo tobim-pamaharan'ny tafika an-habakabaka Rosiana any Bielorosia. Sary avy tamin'i Alyaksey Stalyarou ho an'ny Demotix.
Ny fivoriana ny 4 Oktobra no fahatelony namoriana ireo olompirenena manohitra ilay lazaina ho famindràna ny tobim-pamaharan'ny tafika an-habakabaka Rosiana ao amin'ny tanàna Bielorosiana, Babruysk. Kanefa, nanana hafatra nifangaro ilay hetsika: tsy ny resaka fisian'ny miaramilan'i Rosia ao Bielorosia ihany no fotokevitra navoitra, fa ihany koa ny fifandanjan'ireo fifidianana ho avy (mampametra-panontaniana) ary ny rivotra politika tsy tsara loatra ho an'ireo hery mpanohitra rehetra ao amin'ny firenena (olana saro-bahàna).
Olompirenena dimanjato teo ho eo, nirongo saina sy takelaka, no nifamory tao afovoan'i Minsk ny Sabotsy hariva. Voaangona ireo sonia natao tamin'ilay fanangonan-tsonia hanoherana ny tobim-pamaharana Rosiana. Ankoatra ilay toby miaramila ho teboky ny fifanolanana, amin'ny ankapobeny, hita ho vonona hitaraina amin'ny fitsabahan'i Rosia amin'ny zavatra rehetra ireo mpanao hetsi-panoherana, ary naneho fanohanana ho an'ilay mpifanila vodirindrina aminy akaiky indrindra, Okraina.
Anti #Russia|n airbase protest in #Minsk with white-red-white flags of #Belarus flying: pic.twitter.com/Xx8H5FXHw0
— Alex Kokcharov (@AlexKokcharov) October 4, 2015
Hetsi-panoherana ny tobim-pamaharan'ny tafika an'habakabaka'i #Rosia any #Minsk miaraka amin'ireo saina fotsy-mena-fotsy an'i #Bielorosia:
Minsk now! #noRussianBaseinBelarus pic.twitter.com/QOYuDhXSrL
— Ihar Losik (@ihar_losik) October 4, 2015
Minsk izao! #tsyMilaRosianaAoBielorosia
Акцыя пратэсту супраць расейскіх вайсковых баз #noRussianBaseinBelarus pic.twitter.com/z13ZEfKU5g
— Radyjo Racyja (@Racyja) October 4, 2015
Hetsi-panoherana manohitra ireo tobim-pamaharan'ny tafika Rosiana.
Araka ny tatitra avy tamin'ny Charter97, nanipika ilay olo-malaza ao amin'ny mpanohitra, Mikalai Statkevich, hoe “satria tsy nisy hetsika tahaka izany natao mihitsy teto Minsk dimy taona izay, efa zavatra iray aloha izany ny fanaovana azy eto.” Yury Hubarevich, Filoha Lefitry ny hetsika ‘Ho an'ny Fahalalahana!’ nisisika hoe “mety hidina an-dalambe ireo Bielorosiana roa alina” raha hafindra tokoa any Bielorosia ny tobim-pamaharan'ny tafika Rosiana..
“Няма баз – няма вайны” #norussianbaseinbelarus pic.twitter.com/D65hAjb2BZ
— Радыё Свабода (@svaboda) October 4, 2015
Tsy misy toby famaharana—tsy misy ady! (sary: “Mahatonga anay ho lasibatra ny fisian'ny tobim-pamaharan'ny tafika Rosiana.!”)
Нават па-расейску напісаў, каб “сусед” зразумеў ))) Не ведаю, хто ён, але падтымліваю. #noRussianBaseinBelarus pic.twitter.com/cJSRPj2uB3
— Звычайная Беларуска (@belaruska69) October 4, 2015
Nosoratany tamin'ny teny Rosiana mihitsy io, amin'izay hahazo resaka tsara ny “mpifanila vodirindrina” 🙂 tsy haiko hoe iza io lehilahy io, fa manohana azy aho. (sary: “Ataovy any am-b***nareo any ireo toby ireo!”)
Ao amin'ny Aterineto, nifanindran-dàlana tamin'ireo tafiotra nitsitaitaika tao amin'ny Twitter ilay hetsika, nampiasa ny tenifototra #noRussianBaseinBelarus, miaraka amin'ireo mpampiasa media sosialy naneho ny fahitàn'izy ireo ny raharaha. Nalaza sy lasa fampiasa tao Bielorosia ilay tenifototra, indrindra ny andro nanaovana ilay fifamoriana.
#noRussianBaseinBelarus pic.twitter.com/d0LhJL1wtM
— Андрей Горщарик (@Andrei_To4kA) September 27, 2015
I support all peacefull cooperation but not this violation of the constitution. #noRussianBaseinBelarus
— Котя (@kkatyaka) September 29, 2015
Manohana ny fifanarahana milamina rehetra aho fa tsy io fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana io.#noRussianBaseinBelarus
This is not a good idea to put rusian aviation military in Bielorus, so
#noRussianBaseinBelarus
— Strizhevich Marina (@Marishkaaa_STR) October 4, 2015
Tsy hevitra tsara ny hametrahana tob'ny tafika an-habakabaka rosiana any Bielorosia, araka izany
#noRussianBaseinBelarus
#NoRussianBaseInBelarus Я не хочу, чтобы Гомель превратился в Донецк!
— vlvikin (@vlvikin) September 27, 2015
Tsy tia an'i Gomel ho lasa Donetsk aho!
Ny farany, nipoitra ny polisy sy nanao fitànana an-tsoratra hoe hetsika famoriam-bahoaka tsy nahazoana fahazoan-dàlana ilay fifamoriana, nalainy ny anaran'ireo mpitarika ny mpanohitra izay nikarakara ilay hetsi-panoherana.
Now in Minsk – Police are trying to prevent speakers. The #noRussianBaseinBelarus rally continues pic.twitter.com/53PNHeLLkT MT via @svaboda
— GorseFires Collectif (@GorseFires) October 4, 2015
Amin'izao ao Minsk – miezaka ny tsy mamela ireo mpandray fitenenana ny polisy. Mitohy ny hetsika #noRussianBaseinBelarus pic.twitter.com/53PNHeLLkT MT via @svaboda
Міліцыянты склалі пратакол і сталі перад выступоўцамі. pic.twitter.com/E6NA3L1ynU
— Радыё Свабода (@svaboda) October 4, 2015
Nanao fitànana an-tsoratra ireo polisy ary nitsofoka nanoloana ireo mpandray fitenenana.
Nandray fanapahan-kevitra ho famahàna olana ho alefa any amin'ny governemanta Bielorosiana miaraka amin'ny ‘main levée‘ (fampitsaharana ny hetsika), ireo mpandray anjara amin'ilay fifamoriana. Ankoatra izany, napetraka tao amin'ny fivoriana ny hetsika vaovao iray ‘Ho an'ny Fanjakana sy fahaleovantenan'i Bielorosia’, niaraka tamin'ny ‘main levée’ avy amin'ireo nanatrika ihany koa. Poety sy olo-malazan'ny mpanohitra, Uladzimir Nyaklyayeu, no voafidy ho Filohan'ilay hetsika.
Mety ho iray tsy fahita firy amin'ireo fanehoankevitry ny mponina avy eo an-toerana izay avela hatao mialohan'ny fifidianana ho avy any Bielorosia ilay hetsi-panoherana ny tobim-pamaharan'ny tafika an'habakabaka, fifidianana izay toa hita sahady ho azon'ilay filoha amperinasa, Alyaksandr Lukashenka. Nahitàna hetsi-panoherana lehibe sy hery famoretana mafy ireo fifidianana teo aloha, niaraka tamin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja ireo lohandohan'ny mpanohitra maro.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...