Iza No Mbola Mila Elefanta Raha Afa-Milalao Polo Amim-Pandehanana Kodiaran-Telo Ianao? (Afa-Mihira Ihany Koa)

Tuk-Tuk Polo- Screenshot from Youtube Video

Polo Tuk-Tuk Polo. Pikantsary: Youtube

Nisy lalao vaovao noforonin'ny mpitazona efitrano fandriambahiny avo lenta iray lasa fotoana malaza fanao isan-taona ao Sri Lanka, fa miharomotra ny olona milalao Polo Tuk-Tuk.

Ahoana ny nanombohan'izy ity? Mpifindramonina Anglo-Aostraliana iray antsoina hoe Geoffrey Hobbs, izay mamelona vondrona fandriam-bahiny avo lenta iray ao Sri Lanka, no nanomboka fifaninanana polo iray nihoatra ny folo taona izay tao Galle ka elefanta no nobaikon'ny mpilalao fa tsy soavaly. Tamin'ny 2007, anefa, nisy elefanta iray nanondrana ka nandona fiaran'ny olona mpijery maro. Nahantona taona maro ny fifaninanana, ary nipoitra indray nony ela ny ela tamin'ny 2013, ka amin'ny kodiaran-telon'ny “tuk-tuk” maro loko no andehanan'ny mpilalao fa tsy zavamananaina mety hitera-doza.

Tamin'ny herintaona, nizara ny sombin-dahatsary avy amin'ny fifaninanana manaraka ity i Ruben Derksen :

Manoratra i Ria Ramirez ao amin'ny tranonkala Roar.lk:

The first tuk tuk polo tournament was played in March 2013 at the Galle Dutch Fort, followed by the second one last year, in 2015, and the response seems to be promising. Organised by the Ceylon Polo Club, the game certainly seems to have generated a lot of enthusiasm among foreigners and locals alike, with many people showing interest in the next event, which is happening in Galle, on the 19th of this month.

Nolalaovina tamin'ny marsa 2013 tao amin'ny Galle Dutch Fort ny fifaninanana polo tuk tuk voalohany, ary narahin'ny tamin'ny herintaona, tamin'ny 2015, ary toa mahavelom-panantenana ny valiny. Nomanin'ny Ceylon Polo Club ny lalao ary hita ho mampientanentana na vahiny na teratany, ary maro no efa loana amin'ny hetsika manaraka, izay hotontosaina ao Galle amin'ny faha-19-n'ity volana ity.

Nohazavain'i Ramirez ihany koa ny fomba filalaovana azy :

The game comprises of three players per team. Each vehicle is manned by a driver, with the player taking up position in the back seat (while you can handle the horse and the mallet at the same time, the same cannot possibly be said of the tuk tuk. Not unless you want to end up wrapped around one of the goal posts). Tuk tuk polo makes use of the speed and easy maneuverability of the trishaw, the exceptional navigational skills of the driver, and some really brilliant hand-eye coordination from the players, to score by whacking the ball into the opponent’s goal.

In spite of its quirky nature, tuk tuk polo comes with its own set of rules and regulations, just like any other sport. Games are supervised by an umpire and are open to both males and females.

Ahitana mpilalao telo isaky ny ekipa ny lalao. Samy entin'ny mpanamory ny fiara tsirairay avy, ary maka toerana ao aoriana ny mpilalao (raha afa-mibaiko soavaly sy tehina indray miaraka ianao dia tsy mety kosa ny manao ilay izy amin'ny tuk tuk. Tsy mety raha tsy hoe te-ho voafonon'ny tsatoby fampidiram-baolina angaha ianao). Mampiasa ny hafainganana sy ny mahamora itondrana kodiaran-telo ny polo Tuk tuk, miasa ihany koa ny fahaizana mampiaiky volana an'ny mpanamory, ary ny fahaiza-mampiaraka ny tanana sy ny mason'ny mpilalao sasany mikapoka ny baolina ho tafiditra any amin'ny tsatobin'ny mpifanandrina.

Na dia hafahafa ihany aza ny polo tuk tuk dia manana ny lalànany sy ny fepetrany manokana, tahaka ny fanatanjahantena hafa rehetra izy io. Mpitsara lalao iray no manaramaso ny fandehan'ny lalao ary misokatra na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy izy io.

Lalaovina fito minitra indroa miantoana ny lalao ary maharitra 15 minitra ny fialantsasatra. Tamin'ity taona ity dia ekipa valo no mifaninana ary ny mpandresy dia hitondra mody ny loka lehibe mitentina Rs. 200.000 ($1430).

Lazain'ny mpanatrika ho “androm-panalana azy” ny fifaninanana:

Androm-panalana azy mandrakitra ho sarimihetsika ny polo tuk tuk lalaovina eo amin'ny tora-pasiky ny tanànan'i Galle.

Raghavendra Iyer avy ao India manoratra ao amin'ny Facebook:

‘Tuk Tuk Polo’ might be our new favourite game ever. Sorry Prince Harry – we much prefer this version of polo.

Mety ho lalao vaovao ankafizinay indrindra ny ‘Polo Tuk Tuk’. Miala tsiny ry Printsy Harry – fa aleonay lavitra ity endri-dalao polo ity.

Emily Dobbs (@weligama_ldn) niteny tao amin'ny Instagram:

Team Taprobane ⛑ hilarious day competing at Tuk Tuk Polo with my uncle and cousin @rachelalicedobbs yes it exists and his helmet is too small; Daft Punk Sri Lanka

Ekipa Taprobane ⛑ andron-tokelaka nifaninana tamin'ny polo tuk tuk niaraka tamin'ny dadatoako sy ny zanany @rachelalicedobbs eny misy izy ity ary kely loatra ny satrobiny; Daft Punk Sri Lanka

Miady dia miady ankehitriny ny lalao polo tuk tuk eo anoloan'ny nosy Taproban, Weligama #Galle #SriLanka #Colombo

Nilaza ny mpikatroka mpiaro biby antsoina hoe Sagarika Rajakarunanayake fa faly izy raha mampiasa tuk tuk ankehitriny ny lalao, fa tsy elefanta, noho ny fomba fikarakarana azy ireo “mampihoronkoditra” tsy maintsy iaretany, rehefa ampiasaina amin'ny lanonana tahaka itony.

Ireo nijery fa tsy resy lahatry ny polo tuk-tuk tanteraka dia asaina hanandrana ny karaoke tuk-tuk. Ho tsironkanina fotsiny dia jereo ny nataon'ity Britanika mpifindra-monina mihira ao anaty kodiaran-telo ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.