Iran: tsy nisy hora-pandresena ho an'ny hetsi-panoherana maitso nandritra ny fetin'ny revolisiona

Nanomana fihetsiketsehana ny mpanohitra avy ao amin'ny Hetsika Maitso tamin'ny tanàna maro manerana an'i Iran nandritra ny fankalazana ny revolisiona Iraniana tamin'ny 11 febroary saingy Tsy nahavory olona maro tahaka ny taloha intsony noho ny asan'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fihaonana maro sy lehibe ataon'ny mpanohana ny fitondrana. Mbola nifampihaika tamin'ny mpitandro ny filaminana tany amin'ny tanàn-dehibe ihany ny mpanohitra, ary anisan'izany i Teheran sy Isfahan.

Nampita momba iny andro iny ny mpamaham-bolongana maro.

Ireo manao ny Maitso ho fanalana azy

Noesoesoin'i Ahestan, mpamaham-bolonana manohana ny fitondrana, ny Hetsika Maitso ary nolazainy [fa]:

Saika hiteny hoe “Lasa maitso i Teheran”,”Voasivana tao amin'ny televizionam-pirenena ry Maitso”, “Azon'ny Maitso i Teheran” izao ny mpanohana ny hetsika Maitso taorian'iny 11 febroary iny.

Shukhoshang nanoratra [fa]:

Ankehitriny dia mety hiteny ry Maitso hoe ‘Leo fihetsiketsehana izahay, hanomboka hitokona izahay rahampitso. Tsy hisotro ranom-boankazo laoranjy intsony aho mba hahabankirompitra io orinasam-panjakana io, ary mahazo mijaona tsy mihinana caviar ianao.’

Tsoa-kevitra raisina

Iran88, mpamaham-bolongana mpanohana ny Maitso, no mieritreritra fa tsy nizotra araka izay nantenain'ny mpikatroka Maitso ny fihetsiketsehana tamin'ny 11 Febroary. Hoy ny mpamaham-bolongana:

Tratran'ny fahadisoam-panantenana [isika] rehefa tsy mifanaraka amin'ny zava-misy ny tanjona tratrarina, tahaka ny hazakazaka lavitr'ezaka marathon [ny hetsi-panoherana]. Ho resy isika rehefa tsy mianatra lesona… Tokony hanana fitakiana ara-toe-karena ihany koa isika ankoatra ny fitakiana ara-politika… Misy ny sasany ao anatin'ny Hetsika no tsy mahatanty tsikera… Tsy tokony hihaino ny olona any ivelan'i Iran isika… Tsy tokony hametra ny hetsika ho isaky ny misy fety na misy zava-dehibe ataon'ny fitondrana isika.

Karroubi, nisy nidaroka ny mpitarika mpanohitra iray

Mpitondra fivavahana sady mpitarika ny mpanohitra iray,Mehdi Karroubi, no notafihin'ny milisy mpanohana ny fitondrana raha nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana izy:

Fihetsiketsehana tany Teheran

Na dia teo aza ny fahamaroan'ny mpitandro ny filaminana dia mbola nihiaka fanohanana ny iray amin'ireo mpitarika ny mpanohitra Mir Hussein Mousavi ihany ny mpanao fihetsiketsehana tany Teheran :

… ary tany Isfahan

Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny tanàn-dehibe hafa ivelan'i Iran ihany koa ny mpanohana ny Hetsika Maitso, ary tafiditra amin'izany ny ao Londres nandritra ny fotoana nanaovan'izy ireo hiaka isan-karazany teo anoloan'ny masoivoho Iraniana ka nitakian'izy ireo ny hialan'ny Ambasadera Iraniana:

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.