Ao Georgia, mifamory ny mpanao fihetsiketsehana ho fanohanana ny filoha teo aloha nogadraina

Nopihana avy amin'ny tatitra an-dahatsary nataon'ny Radio Liberty.

Ao Georgia, akaikin'ny mpanohitra anjatony no nifamory tamin'ny 6 novambra, miantso ny hamotsorana eo noho eo avy any am-ponja ny filoha telo aloha Mikheil Saakashvilli. Notontosaina tao an-tanànan'i Rustavi, manakaiky ny fonja ihazonana an'i Saakashvhilli amin'izao fotoana izao izany famoriam-bahoaka izany.

Voasambotra ny filoha teo aloha tamin'ny voalohany oktobra rehefa niverina tao Georgia, rehefa voatery nanao an-tsesitany ny tenany nandritra ny valo taona. Voadidy higadra enina taona tamin'ny fitsarana tsy natrehiny izy tamin'ny taona 2018 noho ny fihoaram-pahefana maro. Notsipahin'ny filoha teo aloha ny vesatra nampiharina taminy. Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina i Saakashvili hatramin'ny voalohany oktobra nisamborana azy.

Tonga maro ireo mpanao fihetsiketsehana nitondra faneva sy ny sainam-pirenen'i Georgia, Okraina, ary ny Vondrona Eoropeana, taorian'ny antso nataon'ny United National Movement, vondrom-panoherana naorin'i Saakashvili. Tonga ny antso taorian'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana isa-toerana notontosaina tamin'ny 30 Oktobra.

Nandritra ny kabariny nanoloana ireto mpanara-dia ny mpanohitra ireto, nilaza ny mpitarika ny United National Movement, Nika Melia, hoe, “Mihevitra amin'ny tsy misy dikany ny governemanta fa nandresy izy omaly [30 Oktobra]. Tsy ho ela dia handresy ny vahoaka Zeorziana.” Niantso ny hanaovana fihetsiketseham-bahoaka “hafa noho ny fihetsiketsehana rehetra teo aloha” ihany koa i Melia tamin'ny 7 Novambra.

“Ho hitan'izao tontolo izao ny haben'ny fihetsiketsehana hotontosaina eo amin'ny kianjan'ny fahafahana ao amin'ny Lalambe Rustaveli amin'ny alahady [7 Novambra],” hoy ny fampanantenan'i Melia tamin'ny 31 Oktobra.

Raha nikabary tamin'ny vahoaka nanatrika i Melia tamin'ny sabotsy, dia nilaza fa hanao ny eo ivelan'ny fonjan'i Rustavi ho fitoeram-pihetsiketsehana maharitra mandra-pamindran'ny manampahefana an'i Saakashvilli ho any amin'ny hopitaly sivily. Koa satria an'arivony ireo mpanohitra nivory teo amin'ny kianjan'ny fahafahana tao Tbilisi tamin'ny 8 novambra, nambaran'i Melia ny daty sy ny toerana manaraka hanaovana ny fihetsiketsehana — 9 Novambra, eo ivelan'ny minisiteran'ny fitsarana. Araka ny OC Media, ora vitsivitsy mialoha ny fihetsiketsahana tamin'ny alatsinainy, nafindran'ny manampahefana ho ao amin'ny fonjan'ny renivohitra Tbilisi izay tsaratsara kokoa ny toera-pitsaboana ao aminy ny filoha teo aloha.

Ankoatra ny fihetsiketsehana an-dalambe, nifantoka tamin'ny tetipanorona tsy mahazatra kokoa ny antoko mpanohitra hafa. Tamin'ny 7 sy 8 Novambra, antoko politika roa, Droa sy Girchi — Fahafahana be kokoa, izay niara-dia tamin'ny UNM mialoha ny fihodinana faharoa, no nanatontosa hetsika tsy misy herisetra teo ivelan'ny tranoben'ny Servisy Fiarovam-Panjakana. “Tamin'ny 7 Novambra, mpikambana ao amin'ny Girchi — Fahafahana be kokoa no nandraraka fako teo anoloan'ny Servisy Fiarovam-Pirenena ary nanipy fiaramanidina taratasy ho any anaty fefy. Ny ampitso, nitondra “fanampin-tsakafo manome hery” teo anoloan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny mpikatroky ny Droa, izay nanontany ny amin'ny fitokonana tsy hanendry hanina nataon'i Saakashvili,” hoy ny tatitry ny OC Media. Mandritra izany fotoana izany, nanomboka nanao fitokonana tsy hanendry hanina ny mpitarika ny Droa, Elene Khoshtaria tamin'ny 3 Novambra.

Nanolotra sampan'oliva ireo mpikambana parlemantera hafa avy amin'ny mpanohitra. Tamin'ny 8 Novambra, nanolotra teboka-7 ho an'ny governemanta ny Vondrona Fanitsiana sy ny Lelo. Ao anatin'izany ny antoko mpanohitra mitaky ny hamindrana an'i Saakashvili ho any amin'ny hopitaly sivily; ny hanendrena mpitsara vahiny hisian'ny fitsarana ara-drariny amin'ny raharaha filoha teo aloha; ary ny fiverenana mankany amin'ny amboaram-panitsiana natsangana tao amin'ny Fifanarahana nanaovan'ny Vondrona Eoropeana fanelanelanana ary nanaovan'ireo antoko sy ny governemanta sonia tamin'ny avrily.

Kely monja tamin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny fiantraikan'ny fiharatsian'ny fahasalaman'ny filoha teo aloha. Nilaza aza moa ny minisiteran'ny fitsarana fa na ho ratsy sahala amin'inona aza ny toe-pahasalamana, dia ho afindra any amin'ny sampana fitsaboana ao am-ponja ihany izy, araka ny tatitry ny Radio Liberty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.