Momba ny Rising Voices

Tetikasan'ny nahazo vaétsy any Guinea-Bissau. Sary avy amin'ny Rising Voices.

Ny Rising Voices, fandaharan'asan'ny Global Voices dia mikendry ny hitondra feo vaovao avy amin'ireo vondrom-piarahamonina vaovao sy hiresahana momba ny fiteny tandindonin-doza sy ny fitenin'ny indizeny min'ny fifanakalozan-dresaka eran-tany amin'ny alàlan'ny fanomezana fampiofanana, loharano na fitaovana, famatsiam-bola madinika, ary ny fanoroan-kevitra ho an'ny vondrom-piarahamonina tsy re firy any an-toerana izay te hilaza ny tantarany nomerika manokana amin'ny fampiasana fitaovan'ny fampitam-baovao handraisana anjara.

Ny vondrona bilaogera voalohany iraisam-pirenena no nanorina ny Global Voices izay nanomboka nanangona, nanomana ary nanamafy ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera eran-tany- nanasongadina ny toerana sy ny mponina izay matetika tsy noraharahian'ny fampitam-baovao hafa. Na izany aza, nandritra ny taona maro, nihanibaribary fa nisongadina bebe kokoa tamin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera eran-tany noho ny hafa ireo faritra, fiteny ary ny mponina sasany. Nanomboka tamin'ny taona 2007 ny Rising Voices noho ny fanohanan'ny Lokan'ny Fanambim-baovao Knight, izay nanampy tamin'ny famenoana ilay elanelana tamin'ny fandraisana anjara.

Na marina aza fa mihamaro hatrany ny olona mifandray amin'ny aterineto manerantany noho ny teo aloha dia mbola ilaina ny fanampiana voafaritra ho an'ireo vondrom-piarahamonina ireo, mba hahafahany mahazo tombontsoa feno avy amin'ireo fitaovana sy ny tambajotra misy. Ny Rising Voices dia manome fanampiana fanohanana amin'ny alàlan'ny:

  • famatsiam-bola madinika sy fanoroan-kevitra
  • fananganana tambajotra miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'ny fikatrohana nomerika amin'ny fitenin'ny indizeny
  • ny fizarana ireo loharanom-baovao mifandraika amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra
  • tetikasa fanofanana manokana ireo vondrom-piarahamonina tsy re firy sy voahilikilika

Amin'ny alàlan'ny rohy mivantana hifandraisana amin'ireo vondrom-piarahamonina Global Voices samihafa no hikatsahanay ny fanamafisana ireo feo vaovao amin'ny alàlan'ny tambajotra midadasika kokoa, izay ahafahan'izy ireo mahatratra ny mpamaky eo an-toerana sy manerantany.

Ekipa

Tale

Eddie Avila no talen'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao nanomboka tamin'ny taona 2010. Tamin'ny taona 2005 no nidirany voalohany ho mpilatsaka an-tsitrapo tato amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ary lasa toniandahatsoratra ho an'ny fiteny Amerika Latina sy fiteny Espaniôla izy taty aoriana.

Mpandrindra ny Taratasim-baovao RV

Nanomboka ny diany ho mpilatsaka an-tsitrapo niaraka tamin'ny Global Voices tamin'ny taona 2013 i Yanne C tamin'ny fandikana lahatsoratra ho an'ny Lingua Shinoa. Tamin'ny taona 2019, nanapa-kevitra ny tenany hanatevin-daharana ny ekipan'ny RV tamin'ny famelomana indray ny Taratasim-baovao ary voatendry ho mpandrindra ny Filazam-baovao RV izy.

Ekipa teo aloha

Nanomboka tamin'ny taona 2007 ny Rising Voices ary i David Sasaki no Talen'ny Mpanorina.

Andao hanatevin-daharana ny vondrom-piarahamonina

Mifandraisa aminay raha mila fanazavana fanampiny momba ny tetikasanay ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.