Fianakaviana Izahay, Global Voices Izahay

Selfie nataon'i Faaris. Nahazoana alàlana. Colombo, Sri Lanka.

Niezaka ny orana.

Mitsahatra kely indray dia tonga avy eo, toy ny andian-tantara mampitaintaina, saingy tsy nahasakana anay .

Tonga masiaka ny haizina, saingy tsy nampihontsina ny hanoananay ny maizim-bolana.

Nifanaiky izahay fa handeha an-tongotra niala tao amin'ny hotely nankany amin'ny trano fisakafoanana iray any amoron-dranomasina mba hisakafo hariva. Saika haka tuk tuk izahay tamin'ny voalohany, saingy nahatonga ny fitaterana anay ho sarotra ny oram-batravatra rehefa handeha hisakafo izahay. Noho izany, nanapa-kevitra izahay ny hiatrika ny orana sy ny haizina tao anatin'ny dia an-tongotra dimy ambinifolo minitra.

Nisy teo amin'ny roapolo teo izahay tamin'io alina io, tamin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, izay nivory tao Colombo, Sri Lanka nandritra ny Vovonana Global Voices 2017.

Nisy trano fisakafoanana nisokatra tao amin'ny rihana ambony iray ka nandehananay roapolo mianadahy tamin'io alina tsy misy kintana io. Avy any Aostralia, Gresy, Iran, Pakistana, Oganda, Nizeria, Palestina, Makedonia, Taiwan, Alemaina, Angletera ary Etazonia izahay roapolo ireo. Izay samy nampiasa ny fiteny , ny fomba fijery ara-kolotsaina, ny asa isankarazany, ary ny zavatra iraisana dia ny maha Global Voices anay.

Ny fientanam-po hiaro ny fahalalahana miteny antserasera, ny fiarovana ireo feo mahazo fandrahonana, ny hampifandray ny elanelana misy eo amin'ireo mpisera aterineto amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, mba hitaterana ireo tantara avy amin'ny fomba fijery izay mila ny fahatakarana fa tsy ny fanomezan-tsiny fotsiny ihany.

Nitohy nandritra ny alina ny sakafo harivanay satria i Amadioha, ilay andriamanitry ny kotroka, dia nitsambikina avy tany amin'ny Atlantika nankany amin'ny Oseana Indianina. Nasiaka izany. Nasiaka ny fikotrokotroky ny kotroka raha nilalao tamin'ny hazavana i Amadioha.

Nandalovan'ny tafiodrivotra tropikaly i Colombo ary nalainy ny tafontranon'ireo trano sasany ary nameno ny arabe ireo sampan-kazo izay niongotra tsy fidiny teny amin'ny toerana nisy azy ireo. Saingy tsy taitra izahay roapolo “adaladala” ao amin'ny Global Voices. Na dia natahotra aza ireo ekipa hafa betsaka kokoa tao amin'ny hotely satria niteraka ahiahy ny fanamarihana tao amin'ny vondrona WhatsApp nisy anay ary tapaka ny fifandraisanay.

Sary avy amin'ny mpanoratra. Nahazoana alàlana. Colombo, Sri Lanka.

Niara-niasa – nanoratra ary nandika tantara antserasera nandritra ny roa taona ny ankamaroanay tato amin'ity vondrona ity. Tsy momba ny tantara fotsiny ihany ny tanjaky ny fiaraha-miasanay antserasera fa indrindra indrindra ny maha-olombelona izay iraisanay.

Ny Fihaonambenay ivelan'ny aterineto dia mihoatra lavitra noho ny fetran'ny fifanakalozan-kevitra nomerika, ny fanombanana ara-drafitra ny sehatra antserasera, ny fitantarana bebe kokoa ireo faritra misy ny fiarahamonina voahilikilika na ny fitazonana ny firindrana mba hisorohana ny fironan'ny governemanta amin'ny fanakendana ny fahalalaham-pitenenana antserasera miaraka amin'ny fanaraha-maso. Fivoriam-pianakaviana goavana ny Vovonan'ny Global Voices .

Amin'izao fotoana izao, indrisy fa ny manasongadina ny fahasamihafana fa tsy ny zavatra iraisana, izay ahitana ny olona miahy kokoa momba ny fananganana rindrina fa tsy ny fanamboarana tetezana, mijoro amin'ny mifanohitra amin'izany tanteraka ny Vondrom-piarahamonina Global Voices . Na dia vondrom-piarahamonina virtoaly aza izahay, matanjaka ny rohy mampifandray anay , ny fizarana ny hankanton'ny maha-olombelona ny fototra hiorenanay. Mety tsy ho lasa lavitra raha ny tenanay tsirairay fotsiny ihany kanefa raha miaraka kosa dia mety handrava ny sakana rehetra izay mametra ny olombelona izahay. Mety ho toy ny indray mitete anaty ranomasimbe ihany ny tantara manokana izay zarainay mikasika ny firenenay samihafa sy ny zavatra niainanay, kanefa  mamela marika tsy azo kosehina eo amin'ny tontolontsika ny fandraisana anjara iraisana ao anatin'ireny tantara ireny.

Tena nahaliana manokana ho an'ny sasantsasany taminay izay efa nanatrika fihaonana maromaro tamin'ny lasa ity fihaonam-pianakaviana ity. Azo tsapain-tanana ny tanjaky hevitra mampientanentana sy ny tanjona mampitaintainan'ny omaly. Toy izany ihany koa ny nataon'ireo mpikambana sasany tao amin'ny fianakavianay izay nanao zava-mahatalanjona, miaina ao anatin'ny toerana tsy azo antoka, saingy tena be herimpo ka manohy ny fanoratana ary tsy manaiky mihitsy ny fahanginana ho valinteny. Nisy ihany koa ny fanomezam-boninahitra ho an'ireo olona telo izay nandao anay tao anatin'ny roa taona lasa – Geshom, Anna sy Bourkary.

As we ate and talked despite the storm at the beach restaurant in Colombo that night, the impact of that experience was too apt to be ignored. Life is the same, the waves and threats might fume unending. But family and deep friendship is what keeps us sane and deflects the perilous threats that seem to consume us. Together we stand, held up by each other and by doing so, we prop up our deeply ailing world.

Raha sady nisakafo izahay no niresaka na dia teo aza ny oram-baratra tao amin'ny toeram-pisakafoanana amoron-dranomasina tao Colombo tamin'io alina io, dia tsy azo tsinotsiniavina ny fiantraikan'ity zavatra niainanay ity. Mitovy ny zavatra iainana , mety tsy hisy fiafarany ny onja sy ny fandrahonana . Kanefa ny fianakaviana sy ny finamanana lalina no mitazona anay tsy ho voahozongozona sy manilika ireo fandrahonana mampidi-doza izay toa mitsentsitra anay. Miara-mijoro izahay, mifamihina ary amin'ny alàlan'ny fanaovana izany no hanohananay ity tontolontsika mijaly ity.

Fianakaviana izahay, Global Voices izahay!

Poety sady mpanoratra avy ao Nizeria i Nwach Egbunike .  Nanomboka hatramin'ny taona 2011 izy no anisan'ny Global Voices .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.