Tamin'ny fangatahana fanohanana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara amin'ny fanoratana lahatsoratra iray

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2009)

Nitady fanampiana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara tamin'io fotoana io! Loka hanampy anay hanohy hanentana mikasika ny fanafihana ny fahalalaham-pitenenana antserasera, ary hizara fitaovana sy tetikady miaraka amin'ireo mpikatroka sy bilaogera miatrika sivana any amin'ny faritra samihafa manerantany. Ny zavatra tokony hataonao fotsiny dia mamoaka lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginao, anisan'izany ity lahatsoratra manaraka …

“I vote for Global Voices Advocacy, because… (put your own words here).

“Mifidy ny Global Voices Advocacy aho, satria … (tohizo amin'ny teninao manokana).

Ary … ny tena zava-dehibe, dia tsy maintsy maka sy mametaka ity lahatsoratra ity ao amin'ny lahatsoratrao ianao.

This blog post is part of Zemanta's “Blogging For a Cause” (http://www.zemanta.com/bloggingforacause/) campaign to raise awareness and funds for worthy causes that bloggers care about.

Ity lahatsoratra bilaogy ity dia ampahany amin'ny fanentanana Blogging For a Cause” (http://www.zemanta.com/bloggingforacause/) mba hanentanana sy hamatsy vola ho an'ny hetsika mendrika mahaliana ireo bilaogera.

Zemanta

Zemanta dia fitaovana vaovao mahafinaritra ho an'ny bilaogy. Namoaka ity fifaninana ity izy ireo mba hamporisihana ny famahanana bilaogy momba ny hetsika mahasoa. Hahazo 3000 dolara tsirairay ny bilaogy dimy voalohany mahazo vato be indrindra.

Ny fe-potoana dia ny 6 JONA 2009.

Betsaka ny bilaogy sy ny hetsika antserasera, saingy ato amin'ny Global Voices, dia mahatsapa izahay fa zava-dehibe ho an'ny bilaogera ny mitambatra sy mifanohana rehefa misy bilaogera any amin'ny firenena maro mbola iharan'ny fanorisorenana, na fanagadrana na fampijaliana mihitsy aza noho ny asa ataon'izy ireo – tsy lazaina intsony ny fanivanana na fibahanan'ny manampahefana ny bilaogin'izay manohitra ny hevitr'izy ireo.

Misy fiantraikany amin'ny olon-drehetra, fa tsy ny bilaogera ihany ny fahalalahana miteny ao amin'ny tranonkala. Zon'olombelona izany hoe miteny sy mamaky izay tiantsika. Manara-maso ny sivana antserasera manerantany ao anaty lahatsoratra isan'andro ny Global Voices Advocacy, ary manana sarintany ahitana ny sivana aterineto 2.0. Misy ihany koa ireo tari-dalana tahaka ny Anoymous Blogging with WordPress & Tor sy ny Blogging for a Cause izay ankafizan'ny bilaogera marobe.

Ary farany…

…. Tokony hanam-bitana handresy ny Global Voices Advocacy, mila ny fanampianareo mangataka amin'ny hafa hanohana ny fahalalahana maneho hevitra izahay. Mety ho tsara raha raisinao ho sary-sy-soratra ity ary manome izany na manondro izany ho an'ny namanao bilaogera-3-5.

Dear Friend,You've probably heard about bloggers being arrested or tortured in different countries, or websites being censored unjustly. It's something I feel we really need to take a stand against as bloggers.

One of the few groups that works directly with global bloggers on the frontlines of free speech is Global Voices Advocacy. It's a blog run by Sami ben Gharbia, who is himself a blogger in exile, together with a great community of authors.

We have an opportunity to help Global Voices Advocacy win $3000 simply by writing a post in our own blogs and inserting the short text you can copy on this page:

Let's do it!?

Best,

Your friend

Ry namako, mety efa nandre momba ireo bilaogera nosamborina na nampijaliana tany amin'ny firenena samihafa ianao, na tranonkala voasivana tsy ara-drariny. Zavatra tsapako fa tena ilaintsika ny manohitra izany amin'ny maha bilaogera antsika.

Iray amin'ireo vondrona vitsivitsy izay miasa mivantana miaraka amin'ny bilaogera sy mpisava lalana ho amin'ny fahalalaham-pitenena ny Global Voices Advocacy. Bilaogy tantanin'i Sami ben Gharbia, izay bilaogera any an-tsesitany, miaraka amin'ny fiarahamonin'ny mpanoratra mahafinaritra.

Manana fahafahana hanampy ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara amin'ny alalan'ny fanoratana lahatsoratra ao amin'ny bilaogintsika manokana isika ary mampiditra ny lahatsoratra fohy azonao apetaka amin'ity pejy ity:

Andeha ary?

Mirary soa,

Ny namanao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.