Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

14 Febroary 2019

Tantara tamin'ny 14 Febroary 2019

Mifototra Amin'ny Inona Ireo Fiampangana Ho Maniratsira Ao Afovoany-Atsinanana? (Tsy fivavahana fotsiny izany)

GV Mpisolovava

Voaheloka ho faty noho ireo zavatra nosoratany teo amin'ny Tranonkala i Mohamed Cheikh Ould Mohamed, maoritaniana blaogera , iray vaovao nidiran-doza noho ny nataon'ny governemanta izay mampiasa ny "fivadiham-pinoana" ho toy ny antony mba hamoretana ny lahateny politika rehetra.

Nipoitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Portiogaly taorian'ny nivoahan'ny lahatsary iray nampiseho ny herisetra nataon'ny polisy

Fanehoan-kevitra maro no hita tao amin'ny tambajotra sosialy, nanohana ny mpifindra monina ny sasany ary ny hafa indray nihevitra fa mety ny fomba nandaminan'ny polisy ny raharaha.

Shina: Nanjavona tao amin'ny fikarohana Google sy Yahoo ny Grass Mud Horse

GV Mpisolovava

Roa andro lasa izay, nisy fanambarana nozaraina tamin'ireo mpitantana sehatra fifanakalozan-kevitra antserasera, mangataka azy ireo mba tsy hanohy ny Grass Mud Horse Hyperbole. Ny tatitra farany avy amin'ny bilaogy GFW dia hoe nanjavona tao amin'ny milina fikarohana Google sy Yahoo ao Shina ny teny hoe "Grass Mud Horse".

Azerbaijan: Bilaogera, mpanoratra ato amin'ny Global Voices voalaza fa voatazona ao Baku

GV Mpisolovava

Voalaza fa notazonina tao Baku ny bilaogeran'ny Frontline Club sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online Ali S. Novruzov satria manomana fihetsiketsehan'ny tanora ny renivohitra Azerbaijaniana.

Tamin'ny fangatahana fanohanana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara amin'ny fanoratana lahatsoratra iray

GV Mpisolovava

Tamin'ny fangatahana fanampiana ny Global Voices Advocacy hahazo 3000 dolara! Loka hanampy antsika hanohy hanentana mikasika ny fanafihana ny fahalalaham-pitenenana antserasera, ary hizara fitaovana sy tetikady miaraka amin'ireo mpikatroka sy bilaogera miatrika sivana any amin'ny faritra samihafa manerantany.