Podcaster (Mpandray Feo) Asongadina: Karma Dupchu

karmabhutanNy fitsidihana nataon'ilay mpanao gazety danoà ity, izay nikarakara atrikasa roa andro momba ny fandraisam-peo natao tao amin'ny Kolejim-Pampianarana Paro (PCE) ao Bhutan, no nanaitra ny fahalianan'i Karma Dupchu tamin'ity sehatra fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ity izy. Taorian'izany traikefa izany, nanjary mpandrindra ny Klioba Media PCE izy izay miara-miasa akaiky amin'ny Foiben'ny Media sy ny Demaokrasia ao Bhotan (BCMD), izay anisan'ireo nahazo vatsy 2013 avy amin'ny Rising Voices mba hikarakara atrikasam-pandraisam-peo manerana ny firenena.

Nandritra ny fanatontosana  ireo atrikasa tao Paro ireo, lasa anatin'ny ekipa namokatra fandraisam-peo nitodika tamin'ny andraikitr'ireo moanina nandritra ny fifidianana ao Bhutan i Karma, sy ny fanakatsakanana azy ireo tamin'ny fandrotsaham-bato ho an'ny filoha voafidy. Avy amin'ny fandraisam-peo: 

Fast forward to 2008 Bhutan made the transition to a Constitutional democracy where people all across the country are excited about their fundamental voting rights, yet there are about 2200 estimated monks who are deprived of exercising this right. Why? Aren’t monks the citizens of our country? This is the question that comes in the mind of the people. As per the article 3 section 3 of the constitution of the kingdom of Bhutan it states, “Religious institutions and personalities shall remain above politics”.

Firosoana haingana mankany amin'ny 2008 ny tetezamitan'i Bhutan nizotra nankany amin'ny demaokrasia araka ny Lalàmpanorenana izay nampientanentana ny olona manerana ny firenena momba ny zo fototra hifidy, saingy moanina tombanana eo amin'ny 2200 eo no tsy manana izany zo hifidy izany. Nahoana? Tsy olom-pirenena ao amin'ny firenentsika ve ireo moanina? Izany no fanontaniana tonga ao an-tsain'ny olona avy hatrany. Araka ny andininy faha-3, amin'ny fizarana faha-3 ao amin'ny lalàmpanorenan'ny fanjakan'i Bhutan, hoy ny voasoratra: «Hipetraka ambonin'ny politika ireo olona sy fikambanam-pivavahana».

Henoy eto ny fandraisam-peo feno:

Zavatra efa nandrasan'i Karma ireo atrikasa nokarakarain'ny BCMD, hoy ny nosoratany vao haingana nandritra ny tafatafa nifanaovany tamin'ny Rising Voices tamin'ny alalan'ny mailaka. Nisafidy hanohy hamokatra fandraisam-peo maro kokoa niaraka tamin'ireo mpianatra namany tao amin'ny ekipa izy. Ny Fandraisam-peo faharoa dia fanadihadiana momba ireo olana ao amin'ny faritra mahaliana ireo mpianatra namany ao amin'ny PCE . Ny fandraisam-peo vao haingana kosa dia niresaka momba ny zavatra sahaza avela ho an'ny mpianatra ao amin'ny PCE amin'ny taona farany ianarana. Tsindrio eto raha hihaino ny fandraisam-peo (endrika mp3 ) izay ifampiresadresahan'ny ekipa tamin'ny tale jeneralin'ny kolejy, mpampianatra sy mpianatra sasany amin'izao fotoana izao.

Mbola sehatra vaovao tanteraka ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ao Bhutan, ary torak'izany  ihany koa ireo fanamby izay atrehin'ilay namana mpandray feo Jigme Tshewang, nilaza i Karma fa nahita ireo mpiara-mianatra amin'ny nanaiky ny hizara ny fomba fijeriny ao anatin'ny fahafantarana fa ho lasa tahiry sy hohenoina ampahibemaso izany hevitry ry zareo izany. Na dia izany aza, tsara trandrahana ireo lohahevitra nofantenin'i Karma sy ny ekipany ary vonona hampiasa manontolo ny zavatra azo tamin'ny atrikasa izy tamin'ny filazana hoe: « Tsy hanarinary fahatany ny harena sy fahalalàna azoko tamin'ny atrikasa aho. Ka nanohy nandray feo tao amin'ny kolejy”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.