Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

16 Janoary 2014

Tantara tamin'ny 16 Janoary 2014

Hanomboka Amin'ny Vaovao Tsara Ve Izahay?

Manangana ny sokajy 'Vaovao Tsara' ho amin'ny tantara mitondra vahaolana ny Global Voices. Leon'ny fitantarana hirifiry sy ny tsy rariny be loatra mahazo ny olombelona ve ianao? Hiova lalana izahay amin'ity taona ity.

Podcaster (Mpandray Feo) Asongadina: Karma Dupchu

Rising Voices

Mampafantatra mpandray feo (podcaster) iray avy amin'ny tetikasa nahazo vatsy avy aminy ny Rising Voices. Nizara ny tantarany sy ny zava-niainany nahatonga azy ho liana tamin'ny fandraisam-peo ny tantara i Karma Dupchu ary hampiasa manontolo ny zavatra azony tamin'ny atrikasa.

Syria: Vehivavy Afaka Ao Darayya

Nirotsaka an-tsehatra tamin'ireo fihetsiketsehana sy fisantaran'andraikitra marobe nanomboka tamin'ny fiandohan'ny fitroarana Syriana, tamin'ny lohataona 2011 ireo Vehivavy Afaka ao Darayya. Miasa any amin'ny firenena hanaovana sesitany ny tenany sy ny fonja izy ireo ankehitriny.

Milaza Ny Heviny Manoloana Ny “Queers” Ny Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny Rosiana

Akon'ny RuNet

Raha nomarihana ho "tsy ofisialy" ny dikanteny, dia somary nihemotra ihany ny mpanara-baovaon'i Rosia raha mahita fa mety miafara eny amin'ny tranonkalan'ny governemanta izany ompa famelezana pelaka izany.