HiperBarrio: Fanaovana Sarintany Avy Amin'ny Alalan'ny Balaonina Ny Manodidina An'i La Loma
Olona notohanan'ny Rising Voices fahiny tamin'ny HiperBarrio any Medellín, Kolombia no manohy ny fandraisan'anjarany amin'ny asan'ny media mirotsaka an-tsehatra ao amin'ny manodidina an'i La Loma. Ho fanabeazam-boho ny asa vitan'izy ireo tany aloha nandrakitra an-tsarintany ny vondrom-piarahamoniny niaraka tamin'ny Open Street Maps, ny tariky ny ConVerGentes dia nanapa-kevitra ny hitrandraka ny tontolon'ny fanaovana sarintany avy amin'ny alalan'ny balaonina. Miaraka amin'i Fredy Rivera, iray tena mankafy ny fanaovana sarintany, mpikambana maro avy ao amin'ny tarika no nandray anjara tamin'ity andrana vaovao ity, ho toy ny làlana iray hahafahana manana fomba fijery hafa ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Gabriel Vanegas, mpandrindra ilay tetikasa, dia nanoratra hoe::
Lo más divertido fue tomar las fotos aéreas y lo más delicado recuperarlas. Debemos reconocer que estas imágenes nos aportan para tener un mejor reconocimiento del territorio y aportar al ejercicio de mapeo en esto de hacer cartografía social.
Ireto misy sary avy amin'ny hetsika nataony tamin'io andro io. An'ny HiperBarrio ny sary rehetra ary nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-SA 2.0.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra