Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam

Ny nahitana an'i Naglaa El Emam, mpisolovava sady filohan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, voalohany tamin'ny televiziona dia tamin'ny nilazany fa mpisolovava an'i Noha Roshdy izy raha voaheloka higadra telo taona, asa an-terivozona, onitra 5 001 vola Ejipsiana amin'i Noha Roshdy Saleh noho ny fikitikitihana azy an-dalambe ilay mpanorisory mitady firaisana ara-nofo Sherif Gommaa.

Io Naglaa El Emam io ihany no nanapa-kevitra hampakatra fitsarana ambony hiaro an'i Sherif Gommaa indray rehefa fantatry ramatoa indray fa teraka tany Jaffa sady mitondra ny pasipaoro Isiraeliana i Noha Roshdy.

Ary mbola niresaka azy Naglaa El Emam ihany isika raha nandrisika ny tanora Arabo handrebireby sy hanao an-keriny (hanolana) ny vehivavy Isiraeliana ho endri-panoherana izy.

Dia indro indray i Naglaa El Emam fa niseho ho lohatenim-baovao rehefa niova finoana ho kristiana ny tenany sady nanova ny anarany ho Catherine. Nanoratra i Hazeena 3ala Masr (Malahelo an'i Ejipta):

إرتفعت أصوات طيور الظلام هذه الأيام في مصر ضد كل من الدكتور سيد القمني والمحامية نجلاء (كاترين) الإمام. الأول بسبب حصوله علي جائزة الدولة التقديرية والثانية بسبب إعلان تحولها إلي المسيحية.
Mahery vaika indray ny fanafihan'ny herin'ny ratsy ny Dr. Sayed El Qemany sy ny mpisolovava Naglaa (Catherine) El Emam. Ny voalohany noho ny loka omen'ny fanjakana azy ary ny farany kosa noho ny niovany hanaraka ny fivavahana kristiana.

Lasa saina izy:

السؤال الذي نطرحة هنا لماذا كل هذا الهجوم وهل جائرة تقدر قيمتها بأقل من أربعين الف دولار أمريكي, وهل تحول محامية مصرية يستحق كل هذا الصخب والضجيج؟؟
Mampanontany tena izao fanafihana sesilany izao. Noho ny loka 40 000 Dôlara amerikana sy ny fiovam-pinoana mpisolovava ve no anton'izany rehetra izany?

Ary dia nofeheziny hoe:

الشئ الثاني أن جائزة الدولة وقيمتها المادية البسيطة لشخصية كالقمني, أو تحول محامية للمسيحية, الأمران في حد ذاتهما لايمثلا أية أهمية فقيمة الجائزة لا تهم طيور الظلام ولا تحول فرد مسلم للمسيحية سيهدم الإسلام أو ينتقص من عدد المسلمين. فهم يعلمون أن محاولاتهم سحب قيمة الجائزة من القمني ستفشل, وكذلك لا أمل لديهم في رجوع كاترين للإسلام مرة ثانية, القضية هي قضية تسير علي طريقة المثل الشعبي المصري “إضرب المربوط يخاف السايب”. فمع سيد القمني هم يرهبون الدولة أولا حتي لا تنتهج نهجا يشجع أمثال القمني من الليبراليين, … وكذلك كاترين فلو مرت مسألة تحولها للمسيحية مرور الكرام سيظهر كل يوم كاترين جديدة, ثم كيف تتجرأ وتعلن عن تحولها للمسيحية بهذا الشكل فمجرد الإعلان هو تحقير لهم وإستهتار بمكانتهم, بل هو الفجور بعينه من وجهة نظرهم.
Tsy misy lanjany loatra ny loka sy ny fiovam-pinoana; tsy ny haben'ny volan'ny loka loatra no mahaliana ny herin'ny ratsy ary fantatr'izy ireo tsara fa tsy hita izay miova raha mihena iray ny isan'ny Silamo. Ny tena manetsika azy ireo dia ny mampatahotra ireo izay mitady hanara-dia ireo olona voalaza ireo. Tia haka toky izy ireo fa tsy hanome loka amina libre-penseur ny fanjakana, mba hotazonin'izay malala-pisainana ho azy manokana any ny heviny, ary mba tsy hivoaka avy any amin'ny miafina any ireo izay efa niova finoana – fa raha tsy izany dia hahita Qemanys anjatony tsy menatra ny hiova finoana isika.

Nahazo fampitandremana tsy hahazo hivoaka an'i Ejipta i Naglaa El Emam mandra-pampakatry ny mpisolovavany fitsarana, Mitatitra izany i Hazeena

قال بيتر النجار محامى الحقوقية المتنصرة نجلاء الإمام إن اللواء حبيب العادلى وزير الداخلية سمح لموكلته بالسفر للخارج وأمر بإصدار جواز سفر جديد لها، رغم صدور قرار بمنعها من السفر خوفاً من هروبها للخارج. يذكر أن قرار منع نجلاء الإمام من السفر قد جاء بعد تعينها مديرة لفرع منظمة “حررنى يسوع” التى تدعو للتبشير فى مصر والتى أسسها المتنصر الدكتور محمد رحومة.
Nanambara ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny atitany hamela ny olona arovany ho afaka mivezivezy rehefa nahazo pasipaoro vaovao i Peter Al Naggar, mpisolovavan'ny niova finoana. Tsy nahazo alalana hivezivezy manko teo aloha i Naglaa noho ny fanahiana ny mety handosirany. Ny antony tsy namelana azy tsy hahazo hivoaka ny sisintany Ejipsiana manko dia noho ny fitarihany ny fikambanana misionera any Ejipsa antsoina hoe “Nanafaka ahy Jesoa” naorin'ilay niova finoana iany koa antsoina hoe Mohamed Rahouma.

Marwa Rakha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.