Tantara tamin'ny sy

Pakistana: Raiso ny Fiadiana Ry Olom-Pirenena!

  17 Janoary 2018

Miady amin'ny Taliban amin'izao fotoana izao i Pakistana ary miharatsy hatrany ny fandriampahalemana any amin'ny tanàna maro . Maneho hevitra ao amin'ny bilaogin'i Deadpan Thoughts momba ny andraikitry ny olom-pirenena tsotra i Faisal Kapadia : ” Tafiditra amin'ity ady ity isika rehetra amin'izao fotoana izao, toy izany koa ny fianakaviantsika,...

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay. Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter...

Sri Lanka: lalao Cricket sy ny teny anglisy

  27 Febroary 2010

Lanka Rising no miresaka momba ny firokim-pitenenana eo amin'ny manana ny teny anglisy ho fiteny faharoa: “An'ny Anglisy ny Cricket (taloha), saingy isika no mahay milalao azy kokoa noho ry zareo ankehitriny mahatonga azy ireo hanaraka ny vaovaon'ny cricket aty amintsika. Afa-manao izany ve isika amin'ny fitenenana teny anglisy? Yes...

Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana

  22 Febroary 2010

Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra ny fitondrana” sy nanontaniany zava-maro. Rezwan

Pakistana: Filohan'ny foko vonoin'ny mpitolona

  23 Oktobra 2008

Chowrangi no mitatitra fa kendren'ny mpikatroka (antoko politika) ny filohan'ny foko maro any Pakistana: “Ny rafi-pandaminan'ny foko mihitsy no kendreny…Vonoiny izay mpitarika foko sy zokiolona ao aminy izay miasa ho an'ny goverinemanta ao an-toerana na mifandrairay amin'ny masoivohona antoko politika any amin'ny faritra misy azy.”

Sri Lanka: Samy simba izany e!

  16 Oktobra 2008

Portrait no mitatitra ny fanimbana ny ala amina kilaometatra maromaro any Sri Lanka izay notapatapahina, nodorana, nohosihosena sy nentin'ny bulldozer fa nolamahina anjatony metatra ny andaniny sy ny ankilan'ny lalana ho fepetra noraisin'ny tafika hisorohana ny fanafihan'ny Tigra Tamolona miafina ao anaty ala ao.

Nepal: Ilay praiminisitra mpioko

  06 Oktobra 2008

Minerva's Crossing no sondriana tamin'ny kabarin'ny praiminisitra, sady lehiben'ny mpioko taloha,  Pushpa Kamal Dahal (Prachanda) nataony tao New York ary nanambara hoe: “afa-miova ny vondrona mpioko, rehefa vonona ny hiroso ho amin'izany”.

Bengladesh: Nananga-jaza tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ve McCain?

  21 Septambra 2008

Shada Kalo bolongana no manontany sao dia tsy ara-dalàna ny fananganan-jaza nataon'ilay mirotsaka hofidiana ho filohan'i Etazonia i John McCain sy i Cindy McCain tamin'ny zanany vavy bangla antsoiny hoe Bridget satriamanko araka ny lalàna bangla dia ‘tsy misy vahiny mahazo manangana zaza bangla ho zanany’.

  17 Marsa 2008

ramblinglankan mitoraka blaogy amin'ny teny Sinhala any Sri Lanka ary manontany tena raha misy antony izany.