Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Fiainana Manokana tamin'ny Avrily, 2019

Lalàna 140: Fitsikilovana an'i Libanona

Manome antoka ny zo hanana tsiambaratelo amin'ny fampiasàna ireo fitaovana fifandraisana elektronika rehetra ny lalàna Libaney -- indrisy, matetika mandika izany lalàna izany ireo manampahefana.

Shina: Mampiahiahy ny mpisera an-tserasera ny fikasan'ny governemanta hanitatra ny fanaraha-maso amin'ny Aterineto 

Nampiahiahy ny mpisera Shinoa amin'ny fanombohan'ny onjam-panentanana vaovao hanenjehana ny mpanohitra an-tserasera ny andian-dahatsoratra maromaro navoakan'ny zoro fampahalalam-baovaom-panjakana izay manamarina ny fisoratana ny tena anarana an-tserasera sy ny famoretana ny heloka an-tserasera.

Misioka ny fitsipiky ny fahalalahan'ny Aterineto

Nandrisika ny mpamaky mba hisioka ny Fanambarana momba ny Fahalalahan'ny Aterineto.i Mera Szendro Bok ho fampiroboroboana ny fitsipiky ny aterineto misokatra,

The Public Voice: Fanamby manerantany ny zon'ny fiainana manokana

Andro manan-danja ho an'ny fiarahamonim-pirenena manerantany miaro ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana sy ny fahalalaham-pitenenana ny 22 Oktobra 2012 . Nampiantrano fihaonambe iraisam-pirenena tao Punta del Este, Orogoay, ny fiaraha-mientan'ny The Public Voice (Feon'ny Vahoaka) ary nisy ny fanasana tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny resadresaka sy ny fifaneraserana tamin'ireo mpanentana.