Tantara mikasika ny Fiainana Manokana tamin'ny Febroary, 2019
Karatra SIM Roa tapitrisa Novonoina Tao Zambia
Miatrika olana ankehitriny ireo Zambiana tsy nahavita nanoratra ny karatra SIM amin'ny anarany -- milaza ireo mpanao gazety sy ireo mpitarika antoko mpanohitra fa fanitsakitsahana ny fianana manokana sy ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera ilay famonoana karatra.
Zambia: Fihainoana Ny Fifandraisana Findain'Ilay Minisitry ny Raharaham-Bahiny
Voan'ny tsindry avy amin'ny antokon'ny fitondràna Patriotic Front (PF) ny amin'ny tokony hametrahany fialàna ilay Minisitry ny Raharaham-bahiny Zambiana, Given Lubinda. Nampangain'ny komitin'ny fitsipi-pitondrantenan'ilay antoko ho nanaporitsaka vaovao taminà filazambaovao anaty aterneto izy. Nifototra tamin'ireo porofo izay voalaza fa nangonina tamin'ny alalan'ny fihainoana ny resaka nifanaovan'ilay minisitra tanaty findainy izany fiampangana izany