Misioka ny fitsipiky ny fahalalahan'ny Aterineto

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2012 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ity no fotoana tsara nahafahana nizara tamin'ny namana sy ny mpiara-miasa tao amin'ny Twitter sy ireo mpanohana sy ny mpanasonia hafa ny Fanambarana ihany koa ny dikan'ny fitsipiky ny Fanambarana momba ny Fahalalahan'ny Aterineto manokana ho an'ny tsirairay sy ny antony hanomezan'izy ireo lanja ireo fitsipika ireo ary ny fiantraikan'izany olana izany eo amin'ny fiainanareo.

Nampiasa ny Twitter  hanasongadinana ny heviny momba ny fitsipika iray ao anatin'ny fanambarana isa-kerinandro ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices nandrintra ny fanentanana ny fandraisana andraikitra bebe kokoa sy ny fanehoan-kevitra momba ity Fanambarana ity. Nampiasaina ireto tenirohin'ny herinandro ireto : #netfreedom (fahalalahana an-tserasera) #censorship (sivana) tamin'ny firesahana ny fitsipika voalohany hoe “Aza sivanina ny aterineto” . Eto ambany ny fandaharam-potoana nanombohana ny fanasongadinana ny fitsipika tsirairay sy ny tenirohy tiana hampiasaina isan-kerinandro .

Afaka nisioka momba ny fomba fijerinao manokana ny dikan'ny fitsipika tsirairay ianao. Nanampy betsaka tamin'ny adihevitra tokoa ny fandraisana anjara. Nisy ihany koa ny fanarahana ny tenirohy ary ny famaliana ireo olona liana tamin'ny adihevitra momba ireo fitsipika. Raha nisy fivoaran-draharaha vaovao nitranga ohatra tany amin'ny firenenao ka niantraika tamin'ny fahalalahan'ny aterineto izany dia azonao natao ny nizara izany tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohin'ny herinandro. Nikarakara pejy Storify hanasongadinana ireo sioka nahaliana indrindra momba ny fitsipika tsirairay i Katy Tasker avy ao amin'ny Public Knowledge isaky ny faran'ny herinandro.

Ny fandaharam-potoana isan-kerinandro:

30 Jolay 2012: Fanehoan-kevitra: Aza sivanina ny aterineto #netfreedom (fahalalahana an-tserasera) #censorship (sivana)

6 Aogositra 2012: Fidirana: Mampiroborobo ny fahafahana tsy misy fetra miditra amin'ny tambajotra haingana sy mora #netfreedom (fahalalahana an-tserasera)  #access (fidirana)

13 Aogositra 2012: Fisokafana: Arovy ny aterineto mba ho tambajotra misokatra izay ahafahan'ny olona rehetra … #netfreedom (fahalalahana an-tserasera) #openinternet (fisokafan'ny aterineto)

20 Aogositra 2012: Fanavaozana: Arovy ny fahalalahana amin'ny fanavaozana, aza sakanana ny teknolojia vaovao #netfreedom (fahalalahana an-tserasera)  #innovation (fanavaozana)

27 Aogositra 2012: Tsiambaratelon'ny fiainana manokana: Arovy ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana ary arovy  ny fahafahan'ny tsirairay manara-maso ny fomba fampiasana ny angondrakitra sy ny fitaovana  #netfreedom (fahalalahana an-tserasera) #privacy (Tsiambaratelon'ny fiainana manokana)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.