Tantara mikasika ny Vaovao tamin'ny Janoary, 2019
Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy

Teo anoloan'ny Tribonaly Amerikana, nenjehin'ny minisitra lefitra Zambiana misahana ny Varotra noho ny fanalàm-baraka ny vohikala Zambiana Kachepa360. Atahoran'ireo mpanakiana hiatrika zavatra mitovitovy amin'izao atsy ho atsy ireo tranonkala media an'olontsotra mitatitra momba ny fihetsiky ny governemanta.
Mandefa Fanafihana Blaogera Ny Governemanta Nizeriàna

Vao nanomboka "ady iray mitentina 5 tapitrisa dolara" hamelezana ireo blaogera sy ireo media anaty tambajotra,toy ny Sahara Reporters, ny governemanta nizeriàna[...] Amin'ny lafiny iray, vaovao tsara io raha toa tsapan'ny governemanta nizeriana ny tanjak'ireo median'ny olom-pirenena ary arahintsika maso sy iverenantsika isaky ny dingana ataon'izy ireo. Amin'ny lafiny iray indray, tena loza io ho an'ireo blaogera ao amin'ny firenena sy ho an'ireo any ivelany mety haniry ny hody an-tanindrazana, na hanao fialantsasatra fohy izany, na noho ny asa, na hijanona tanteraka any.