Tantara mikasika ny Vaovao tamin'ny Avrily, 2013
Venezoela: Voabahana Nandritra Ny “Telo Minitra” Ny Aterineto Tamin'ny Androm-Pifidianana

Ny hariva be tamin'iny Alahady 14 Aprily androm-pifidianana tao Venezoela iny, tapaka ny fahafahana miditra aterineto tamin'ny alàlan'ny CANTV, ilay voalohany mpanome tolotra ao amin'ny firenena, efa ho roapolo minitra hoy ny filazan'ireo mpampiasa azy io ary "tsy nihoatra ny telo minitra" hoy ny manampahefana..
Bilaogera Tshadiana Nofonjaina
Nitatitra ny Internet Without Borders (Internet tsy misy sisintany) fa nosamborin'ny miaramila tao N'Djamena, renivohitr'i Tshady tamin'ny 22 marsa i Jean Laokolé, mpanoratra sady bilaogera Tshadiana. Nisy ny fanangonan-tsonia natao...
Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.