Below are posts about citizen media in Hebrew. Don't miss Global Voices בעברית, where Global Voices posts are translated into Hebrew! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Hebreo

Israely : Fitokonana Narahan-kerisetra Tany Tel Aviv #J14

Olona an’arivony no nirotsaka an-dalambe tany Tel Aviv ny alin’ny Sabotsy 23 Jona, taorian’ireo fifandonana narahin-kerisetra teo amin’ny mpitolona sy ny mpitandro filaminana ny omalin’iny.Ny Zoma 22 Jona, nikasa ny hiverina hibodo ny lalamben’ny Rothshield tao Tel Aviv miaraka amin’ny tranolay ireo mpitolona ho amin’ny fahamarinana sosialy (#J14) nefa notsenain’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny herisetra izany.

Isiraely: Mitsiky Sy Misioka Ny Sedera Paska Jiosy

Nanomboka ny alin'ny zoma 6 avrily teo ny fety jiosy Fandalovana [fr](paska) ary mifamotoana amin'ny fianakaviany avy ny Isiraelianina an-tapitrisany hanatrika ny sedera [fr], fomba nentin-drazana fiaraha-misakafo. Mialoha ny fisakafoanana ny famakiana ny  Haggada [fr], izay mitantara (ankoatra ny zavatra hafa) ny fandosirann'ny vahoakan'Isiraely avy any Ejipta. Malaza noho ny halavam-potoana ny sedera...

Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo

Taorian'ny volana maro nisianà hetsi-panoherana, Benjamin Netanyahu, Praiminisitra Israeliana dia nanolo-kevitra ny tokony hanoloana ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India raha toa ka tsy hita izay marimaritra iraisana amin'izy ireo.Naneho hevitra tany anaty aterineto ireo mpianatra ho mpitsabo, miaraka aminà vazivazy sy esoeso.

Israely: Mpampiasa Aterineto Manohitra Mafy Ny Mety Ho Fanafihana Atao Amin'i Iran

Tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao Israeliana maro tato ho ato no niresaka ny mety hisian'ny fanafihana hataon'ny Israeliana amin'ireo foto-drafitrasa nokleary any Iran.Raha zohiana ireo tatitra ireo, sambany izao ny vahoaka Israeliana no nanomboka niresaka tamin'ny fomba matotra ity olana goavana ity. Maneho hevitra momba ny vaovao any anaty bilaogy sy Twitter any ireo mpampiasa aterineto.

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

isiraely: Fa aiza i Mahmoud al-Zahar?

  28 Janoary 2009

Loharanom-baovao Palestiniana iray no voatsonga tao amin'ny Sunday (alahady) raha nilaza fa naratra nandritra ny andro farany nanaovan'ny Isiraeliana fanafihana tany Gaza ny Loholona ambony ao amin'ny Hamas Atoa Mahmoud Zahar. Nolazain'ny gazety fa nalefa haingana tany Kairo ny tenany mandra-pahatongan'ny ekipana mpitsabo tany aminn'y toerana misy azy. Tsy nisy...

Ireo pejinay momba an i Hebreo

he