Israely: Ampitahorin'i Netanyahu Hosoloina Dokotera Indiana Ireo Mpianatra Ho Mpitsabo

Ireo Israeliana mpianatra ho mpitsabo miasa mivantana eny anivon'ny hopiptaly no tena manome ny betsaka amin'ireo hetsiky ny sehatra ara-tsosialy nanozongozona an'i Israely tamin'ity fahavaratra ity, sady iray amin'ireo sehatra vitsy nanohy ny fitokonana mandra-pisian'ny marimaritra iraisana. Nibahana ny pejy voalohan'ireo gazety Israeliana ny tolon'izy ireo tao anatin'ireo andro roa lasa; ny gazety nbivoaka ny Zoma 18 Novambra dia nitanisa ny Praiministra Benjamin Netanyahu nanolo-kevitra ny Minisitry ny Fahasalamàna mba hanolo ireo mpianatra ho mpitsabo aminà mpiasa vahiny mpila ravinahitra avy any India, raha toa ka tsy misy mihitsy fifanarahana azo atao amin'izy ireo.

Ity fanamarihana manafintohina ity, avy amin'ny Praiminisitra mamely ny faharatsian'ny fepetra sy tontolo iasàna amin'ny sehatra maro ary ny teriterin'ny governemanta amin'ny fanarahamaso ny fahazoan-dàlana sy tsy fanavaozana izany ho an'ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra, no isan'ny ivon'ny fifanakalozan-dresaka tao anatin'ny aterineto nandritra ny faran'ny herinandro teo.

Satria matetika no natao tamin'ny endrika mananihany sy mahatsikaiky ireo fanakianana teny anivon'ny media sosialy, dia maro ireo Israeliana mpianatra ho mpitsabo no nanova ny mombamomba azy ireo tany amin'ny Facebook taminà sarina mpitsabo Indiana tahaka izay hita ao anatin'ny  angona ‘profiles’ ao amin'ny bilaogin'i Ido Keinan, izay nitatitra voalohany an'ilay tranga.

Mivaky toy izao ny hafatra ao amin'ny rindrina: "Bibi, anaty sarimihetsika vokarin'ny Bollywood ianao!"


Israeli interns change thier profile pictures to those of Indian doctors to protest Prime Minister Netanyahu's intent to replace them with foreign labor contractors

Manova ny mombamomba azy ireo ho sarinà Indiana mpitsabo ireo Israeliana mpianatra ho mpitsabo mba hanoherana ny eritreritry ny Praiminisitra Netanyahu hanolo azy ireo aminà vahiny mpitsabo mpila ravinahitra

Ry zareo Israeliana dia nandefa tao amin'ny pejy Facebook-n'ny “olom-pirenena manohana ny tolon'ireo mpianatra ho mpitsabo“, ny sarin'i  Gandhi na ny an'i Netanyahu misatroka saron-doha turban Sikh, mitondra ny lohateny hoe: “Tadiavina – Praiminisitra Indiana iray” na “Afaka manafatra PM Indiana koa isika”, hatraminà sary namboamboarina tamin'ny solosaina ahitàna ny vadin'i Netanyahu misalotra sari Indiana.

soratra mivaky hoe "Afaka manafatra PM avy any India koa isika"

Ao amin'ny Twitter dia manontany tena i @orbar :

Rehefa haka dokotera avy any India ry zareo, hanome baiko an'ireo bokon'hozatry ny Oz ve ry zareo (Oz : sampana ao amin'ny polisy miandraikitra ny fisamborana ireo mpila ravinahitra tsy manana taratasy ara-dalàna) hanontany ny mari-pahaizana maha-mpitsabo?

@nitayp manolo-kevitra hoe:

Manana fanàfana iray ho an'ity olana ity aho: raha milaza tena ho mpanjanaka ireo mpianatra ho mpitsabo fa tsy hoe mpianatra ho mpitsabo fotsiny amin'izao, tonga dia horasina ho matotra sy araka ny tokony ho izy ny fangatahan-dry zareo.

Rannan Shaked, mpanao gazety manana n y lazany sy mpanao kiana amin'ny fahitalavitra, dia nibitsika hoe:

Alaivo avy any India ny dokotera , ny mpiasa ara-tsosialy avy any Danemarka, fiarandalamby avy any Japana ary manao tolotra ho an'ny mpiara-belona avy any Soeda. Fa mbola mba avela amintsika ny resaka Praiminisitra kaondrana.

Amin'ny fomba matomatotra kokoa, Dov Khenin, mpanohitra mpikambana avy amin'ny Knesset, nibitsika hoe :

Netanyahu: “Alaivo avy any India ny dokotera”. Ny aty lalin'ny Kapitalisma amin'ny teny vitsy. Ary rehefa mianatra ny teny Hebreo ireny dokotera ireny sy mahay mandamina ny asany, dia ampodiantsika indray ka hanafatra hafa avy any Shina.

* Fisaorana betska ho an'i Elizabeth Tsurkov tamin'ny fanampiany tamin'ny nandrindràny ireo bitsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.