Tantara mikasika ny Boligara
Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro
Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, izay nidaroka mpilatro ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.
Samy Manao Diabe Ao Sofia na ny Mpanome Voninahitra Ny Jeneraly Pro-Nazi, na ny Mpitsipaka ny Fasisma
Andro feno fandaharam-potoana ny 17 Febroary tao Sofia renivohitra Boligara, izay nanaovan'ny mpanohana ny farany havanana diabe ho fanamarihana ny faha-75 taona namonoana ilay minisitry ny fiarovana Boligara Prô-Nazi, Hristo Lukov, ary namaly vao maraina kosa ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra izany ka nanameloka ny nasionalisma sy ny fankahalana vahiny.
Wikipedia Bolgara Manambara Ireo Fampidirana Nasionaly Tamin'ilay Fifaninanana Sary ‘Tia ny Tany ny Wiki ’
Nambaran'ny Wikipedia ireo sary 10 voalohany hisolo tena ny firenena amin'ilay fifaninanana iraisampirenena maka sary ireo toerana natoraly arovana, "Tia ny Tany ny Wiki ."
Ny Rariny Ho an'ireo ’Tetikasa Rehetra Mikendry Ny Fanovana Ara-pitsarana Sy Ny Fitsaharan'ny Kolikoly Lehibe Ao Bolgaria
Hetsi-panoherana maro no natao manerana an'i Bolgaria tamin'ny 23 May sy ny 30 May mba handrisihana ny fanavaozana ao amin'ny fitsarana. Notarihin'ny 'Rariny ho amin'ny Fisantarana Andraikitra Rehetra', anisan'ny hetsika midadasiky ny olom-pirenena mitaky ny fampiharana ny fitsipika demaokratika napetraky ny Vondrona Eoropeana (EU) ny hetsi-panoherana.
Ara Malikian, Mpitety Vazantany Sy Mpitendry Lokanga
Nitafa tamin'i Ara Malikian, armeniana lehibe tany Libanona, mpitendry lokanga, momba izay namolavola ny fiainany sy ny mozikany ny Global voices.
Mitsipaka ny Lalàna Mety Hitarika Mankany amin'ny Kolikoly ny Filoha Vaovao ao Bolgaria
Ny fanitarana ny fe-potoana ho tsy manam-pahataperana dia fomba hanomezana ho an'ny tsy miankina ny tolotra, ny zo ary ny asa, izay iantohan'ny fiarahamonina ho an'ny olom-pireneny nefa tsy amidy ireo!
Fanadihadiana iray Miresaka Ny Fiainan'ireo Adolantsento efa Reny ao Bolgaria
"Mazàna, tsy omena fahafahana mihitsy ry zareo mba hisafidy izay fiainany ary tavela ao anaty faribolana vetavetan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fananana asa ary ny fahantràna."
Haingana be Ny Firaisankina Nasehon'ny Bolgara Taorian'ilay Lozam-Piarandalamby tao Hitrino
Fito raha kely indrindra no maty tamin'ny fipoahana taorian'ny lozam-piarandalamby tany amin'ny iray amin'ireo faritra mahandra indrindra ao Bolgaria
Mifidy Filoha Vaovao i Boligaria, Saingy Iza No Mahalala Izay Hanjò ny Praiminisitra
Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Boligaria tamin'ny fiandohan'ity volana ity sy ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Boyko Borisov avy eo hametraka ny fialàny tao amin'ny parlemanta, tafiditra ao anatin'ny fihenjanana ara-politika ny firenena.
GV Face: Nandresy i Trump. Dia Ahoana Izany? [Vaovao nohavaozina]
Hiresaka momba ny mpandresy sy ny resy amin'ity fifidianana ity izahay, ahoana ny fahatsapanay momba ny iray amin'ireo fotoam-pifidianana nampisara-tsaina indrindra tamin'ny tantaran'ny Etazonia ary inona no dikan'izany amin'ny vondrom-piarahamonina manerantany misy anay.