Mifidy Filoha Vaovao i Boligaria, Saingy Iza No Mahalala Izay Hanjò ny Praiminisitra

Change of guard in front of the Bulgaria President's office in Sofia. Photo by Wikipedia user Apostoloff, CC BY SA.

Miova mpiambina ao Sofia, ivelan'ny Biraon'ny filoha Bolgariana. Sary avy amin'ny mpisera Wikipedia, Apostoloff, CC BY-SA.

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Boligaria tamin'ny fiandohan'ity volana ity sy ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Boyko Borisov avy eo hametraka ny fialàny tao amin'ny parlemanta, tafiditra ao anatin'ny fihenjanana ara-politika ny firenena.

Nilatsaka tamin'ny 13 Novambra ny taratasy fametraham-pialan'i Borisov, rehefa resin'i Rumen Radev, kandidà mahaleotena tohanan'ny Antoko Sosialista Boligara, tamin'ny fifidianana filoham-pirenena i Tsetska Tsacheva, mpikambana ao amin'ny antoko politika Olom-pirenena mankamin'ny Fampandrosoana Eoropeana ao Boligaria (GERB).

Namaritra an'i Radev ho mpanao politika manana fomba fijery “mpomba ny Rosiana” ny haino aman-jery tandrefana toy ny Reuters sy ny mpanao gazety sasany ao Boligaria.

Rehefa avy nandresy kandidà 20 hafa i Radev, dia handray ny toerany amin'ny 22 Janoary amin'ny taona ho avy. Manana 2 volana sy tapany ny filoha ankehitriny Rosen Plevneliev araka izany hanangana governemanta vaovao. Tamin'ny taratasy ho an'ny mpikambana ao amin'ny governemanta Boligara, nilaza ny Praiminisitra Borisov fa vonona hijanona amin'ny toerana izy mandra-panendrena izay hisolo azy. Nanazava ny faniriany hametra-pialàna i Borisov ho fepetra ilaina ho setrin'ny fifidianana vao haingana, izay nilazan'ireo mpifidy tamin'ny fomba mazava ny tsy fahafaham-pon'izy ireo amin'ny fitondran'ny governemanta ankehitriny.

Miaraka amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity volana ity, nanatontosa fitsapankevi-bahoaka amin'izay mety ho fiovana amin'ny rafi-pifidianana sy ny fitsipika momba ny famatsiam-bola ho an'ny antoko ara-politika ao amin'ny firenena ihany koa i Boligaria. Noho ny taham-pahavitrihana ambany, tsy nahatratra ny quorum (isa kely indrindra tratrarina) ny voka-pifidianana, saingy nahazo fanohanana tamin'ny maro an'isa vitsivitsy ny tolo-kevitra ary mbola tsy maintsy hiadian-kevitra ao amin'ny Antenimieram-pirenena.

Tamin'ny fanadihadiana nivoaka tao amin'ny gazety “Dnevnik,” nampiseho tranga isan-karazany mety hiseho ao Boligaria ireo tonian-dahatsoratra, taorian'ny fiovam-pitantanana. Araka ny filazan'ny gazety, tafiditra ao anatin'ny fanontaniana ihany koa ny krizy ara-politika hafa ao amin'ny firenena.

Ankehitriny, taorian'ny naneken'ny parlemanta ny fametraham-pialan'i Borisov tamin'ny 16 Novambra, nanolotra ny toerana praiminisitra ho an'ny mpikambana iray ao amin'ny GERB, antoko politika lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ny filoha. Manan-jo handà ny tolotra ny antoko. Antony iray mety hahatonga azy ireo handà izany ny fananganana fanohanana ho an'ny antokon'izy ireo – mety hahatsaratsara toerana kokoa ny antokony ny korontana ara-politika aorian'izany. Raha izany no mitranga, mety hilatsaka any amin'ny antoko lehibe indrindra faharoa ao amin'ny parlemanta indray ny tolotra. Raha mbola voatsipaka indray ao anatin'ny herinandro, afaka mandefa ny tolotra any amin'izay antoko ao amin'ny parlemanta safidiany ny filoha. Raha mbola tsy mahomby ihany koa izany, mila manangana “governemanta vonjimaika”, no sady miantso ny hanaovana fifidianana alohan'ny fotoana amin'ny Martsa 2017 ny filoha.

Na dia nanan-jo hitsipaka ny taratasy fametraham-pialàn'ny praiminisitra aza ny parlemanta, tsy nampihatra izany i Borisov.

“Виждам много грешки, само че ние сме партия, която се учи от грешките си, вземаме си поуки”, добави лидерът на ГЕРБ като обяснение на решимостта си и бе цитиран от медиите на пресконференцията след изборите.

“Maro ny fahadisoana hitako, saingy antoko manatsoaka lesona amin'ny fahadisoany isika, mandray ny lesontsika isika,” Hoy i Borisov tamin'ny fanazavana ny fanapahan-keviny, araka ny voalaza nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety taorian'ny fifidianana.

Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tamin'ny aterineto sy ny media ny fandresen-dahatra nataony, hatramin'ny tahotra fikoropahana ka hatramin'ny vazivazy manala voly.

“Miatrika olana azo nosorohana isika,” hoy i Nayden Zelenogorski, mpiara-mitantana ny fikambanan'antoko afovoany ankavanana tamin'ny fahitalavi-pirenena. Nampitandrina ny solontenan'ny antoko politika manana fisiana ao amin'ny parlemanta i Zelenogorski fa tsy haharitra enim-bolana fara fahakeliny ny fanjakana, noho ny fivadihan-draharaha vao haingana.

Tsy niombo-kevitra tamin'izany vinavina izany i Vladimir Karolev, mpanao politika sy mpandalina ara-toekarena, nitanisa tao amin'ny Facebook mikasika ireo andiana “fanambarana tsy marina mihitsy nataon'ireo mpanolo-tsaina tamin'ireo mpanao politika sy mpanoratra ny fanadihadiana amin'ny haino aman-jery.”

Nilaza ny maro tamin'ireo mpisera aterineto Boligara fa tsy kisendrasendra ity fisehoan-javatra ity. Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook, nilaza i Ianna Georgieva hoe:

Защо всички си мислят, че Борисов се прави на сърдито дете след изборите. Не мисля, че е толкова глупав и още повече обиден, мисля че ако искаше да спечели президентките избори не това щеше да избора му за президент и вицепрезидент. Мисля че това е добре премислена загуба.

Nahoana no mihevitra ny olona rehetra fa tahaka ny ankizy tezitra i Borisov taorian'ny fifidianana? Tsy mino aho fa hoe sorena loatra sy tafintohina izy, satria niezaka hanasongadi-tena izy. Heveriko fa raha tiany handresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny kandidàny, dia mety nanao safidy samihafa amin'ny fanolorana filoha sy filoha lefitra izy. Mino aho fa faharesena efa voakajy tsara izany.

Jeni Koleva nisioka ny fahitàny ny toe-pon'ny olona amin'ny ankapobeny:

Ny toe-po taorian'ny fifidianana, raha teo am-pilaharana hiditra anaty fiaramanidina: manaiky ny olona rehetra fa lasa filoha Radev, saingy manontany ny antony nametrahan'i Boyko fialàna izy ireo…

“RobotPanda,” mpisera Twitter iray hafa naneho hevitra momba ny hoe nametra-pialàna tsy ho praiminisitra  fanindroany tao anatin'ny efa-taona monja ny mpikambana ao amin'ny GERB iray:

Nametra-pialàna fanindroany tao anatin'ny efa-taona ny GERB. Mety hoe marefo izay rehetra mifidy azy ireo amin'ny fifidianana.

Olom-pirenena Boligara iray hafa, Vladimir Lukov, nanontany tamim-panesoana tao amin'ny Facebook mikasika izay hitranga manaraka, sy hoe inona no tokony antenain'ny mpifindra monina sy ny olona misotro ronono Boligara amin'ny hoavy:

Добре, нов президент – е, и…
Добре, предстоят пак избори, ново правителство – е, та…
Трите милиона прокуденици ще се върнат ли в България?…
Двата милиона старчоци ще заживеят ли в тиха радост покрай внуците си?…
Трите милиона и нещо наемници ще получават ли някога “европейски” заплати?
….

Eny, filoham-pirenena vaovao, ka …
Eny, hisy indray ny fitsapa-kevi-bahoaka, governemanta vaovao, ka …
Hiverina any Boligaria ve ireo olona 3 tapitrisa nanao sesitany ny tenany…?
Hanomboka hiaina ao anaty filaminana miaraka amin'ny zafikeliny ve ireo zokiolona 2 tapitrisa …?
Na mety hanomboka handray karama mitovy lenta amin'ny “Eoropeana” ve ireo olona 3 tapitrisa voaray hiasa?

Mpiangaly mozika sady kandidà ho ben'ny tanàna, Ventsi Mitsov namazivazy tamin'ny 14 Novambra hoe:

Да ви кажа снощи правителството подаде оставка и мен ме заболя зъб.
Тази вечер от 18 часа съм на зъболекар.
НЯМА НИКАКВА СТАБИЛНОСТ ВЕЧЕ!!!

Mamelà ahy hilaza aminareo fa nametra-pialana ny governemanta omaly ary narary nify aho.
Nametraka fotoana miaraka amin'ny mpitsabo nify aho amin'ny 6 ora hariva.
TSY MISY INTSONY NY FAHAMARINAN-TOERANA !!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.