Tantara tamin'ny sy

Ny fifandraisan'i Zeorizia amin'i Etazonia

  14 Aogositra 2008

Soratan'i Frencheagle ny fifandraisan'i Zeorizia amin'ny fitondrana any Etazonia[Fr]: “Nahoana moa isika no manameloka ny ataon'i Rosia nefa manadino kosa ny fanamelohana ny politika aimperialistan'i Etazonia izay mody mampiasa ny fitolomana ho amin'ny fahafahana sy ny demaokirasia nefa ahafahana mametraka antoka ho fiarovana ny tombotsoany manokana.”

Zeôrizia sy Estonia: Samy firenena kely ny malemy

  13 Aogositra 2008

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.

Ossetia atsimo: Misy ady any Eoropa hoy ny filohan'i Estonia

  12 Aogositra 2008

Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no mamoaka ny tatitry ny Filohan'i Estonia, Toomas Hendrik Ilves, milaza fa vaky ny ady any Eoropa, ary fanampin'izany lazainy koa ny ultimatum Rosiana (fe-potoana farany eken'i Rosia) hametrahan'ny tafika Zeorziana tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany any Abkhazia fa raha tsy izany dia potika.

Rosia: Fifanandrifian-javatra isaky ny volana Aogositra

  09 Aogositra 2008

Raha raisina ho ohatra ny ady any Ossetia Atsimo nanomboka ny andro nanombohan'ny lalao olaimpika any  Beijing, dia nomarihin'i Ruslanas Iržikevičius ao amin'ny Lituanica ny karazan-doza sy vaovao ratsy mpitranga any Rosia rehefa misy zavadehibe hafa mitranga any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao, fa vitsy ihany ireny vaovao ratsy...

Zeorzia:MAP koa

TOL Georgia no maneho hevitra tamin'ny nampandamoka ny fireneny tsy neken'ny OTAN ho MAP na Membership Action Plan na Mpikambana Am-Perinasa nandritra ny vovonana natao tao Bucharest. Raha nandray ohatra an'i Albania ny mpamaham-bolongana dia kely ny fanantenany ny hahatafiditra an'i Zeorzia amin'io fikambanana io noho ny fahabangan'ny fandrosoana eo...