Tantara tamin'ny sy

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

  21 Oktobra 2008

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana...

Brazil : Antsika ny Alimo

  18 Aogositra 2008

Nisy nanokatra blaogy vaovao : Bronze Brasil 2008 ho fananihaniana ny vokatra azon'ireo atleta Braziliana tamin'ny lalao Olympika ao Beijin. “Toa rava tanteraka ny nofinofintsika handresy ny record amin'ny lalao Olympika noho izao fahazoantsika ny medaly alimo faha-5 izao. Medaly alimo 5. Andro 6 no nilalaovana. Mety ho tanteraka ny...

Tanjona maitso: Gazety mikatona fa hiala sasatra

  13 Aogositra 2008

João Branco [pt] no miresaka momba ny fanapahan-kevitry ny gazety iray milaza fa hikatona iray volana  mba hanao vakansy. “Taloha moa notadiavina hatrany ny fialantsiny tahaka ny hoe fahatapahan'ny herinanratra na tsy fahampian'ny taratasy. Fa izao kosa ry zareo dia nilaza mazava tsy misy hambahamba: Hiala sasatra avokoa ny rehetra,...

Angola: Indrisy ry tsenan'i Kinaxixe ao Luanda

  31 Jolay 2008

Malahelo dia malahelo tokoa i Anabela Quelhas [pt] eo ampanatrehana ny fandravana ny tsenan'i Kinaxixe ao Luanda. Tanisainy ny antony folo anamarihany fa fanorenana manana ny maritrano mampiavaka ny taona 1950 sy manandanja ho an'ny mponina io fanorenana io, ary nofeheziny fa : “Mbola maivandanja eo anatrehan'ny vola sy ny varotra...

Mozambique: Fa maninona no tsy ampidirina amin'ny hopitalintsika ny mpitondrantsika

  29 Jolay 2008

Custódio Duma [pt] no mitondra vaovao ho antsika fa nentina haingana tany amin'ny hopitaly any Afrika Atsimo ny minisitry ny fiarovana Mozambikana Filipe Nyussi raha tapaka nandritra ny lozam-pifamoivoizana ny tanany. “Reko ny filazan'ny minisitry ny fahasalamana tao amin'ny RDP Africa tamin'ny herinandro fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Hopitaly lehiben'i Maputo…...

Brezila: Fihetseham-panoherana tsy manao tatinono tao Rio

  29 Jolay 2008

Navoakan'i Walter Valdevino tao amin'ny  Nova Corja [pt] ny sarim-pihetsiketseham-panoherana hafakely tao Barezila, raha nizotra ho eny afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro tsy misy tatinono ity vehivavy aritista 28 taona iray. “Silipo kely ihany no mba fitafiana nentiny, nandeha 15 metatra nisikina ny sainam-pirenena Bareziliana hanakona ny fitombenany ity mpirotsaka hifaninana ho...

Birezila: Nanasonia ny fifanarahana momba ny teny paorotigey i Paoritigaly

  22 Jolay 2008

Nanasonia ny fifanarahana handravonana ny teny Paorotigey sy ny fanononana azy mba hitovy eo amin'ny firenena 8 miteny azy ny filoha Paorotigey Anibal Cavaco Silva. O Hermenauta [pt] no nitsiditsidika nijery ny hevitra niposaka voalohany avy eny andafy atsimo sy andafy avaratra ary namintina avy eo fa mbola tsy mampifanaraka ilay...

Brezila: Fitakiana Hanadihadiana ny Fitsarana Tampony Breziliana

  19 Jolay 2008

Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . “Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity”. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity...

Angola: Fahanginana tsy azo ekena

  14 Jolay 2008

Mpifindra monina Breziliana, Menina de Angola [Sipa avy eto Angola, pt] no nilazalaza ny fanolanana roa samihafa mahazo ny sipa Breziliana any Luanda ary mitsikera ny fahanginana manjaka amin'ity raharaha ity, izay raha inoana ny lazainy tsy nampihetsi-bolomaso akory na ny polisy na ny fampahalalam-baovao eny ny fiaraha-monina mihitsy aza: “Efa...