Below are posts about citizen media in Romanian. Don't miss Global Voices în Română, where Global Voices posts are translated into Romanian! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Romana

Voina Nampisongadina Ny Finamanana An-Tserasera Teo Amin'i Romaniana sy ny Montenegrins

  13 Jolay 2013

Iray amin'ny lozam-pifamoivoizana nampalahelo indrindra tsy mbola nisy tahaka izany tao Montenegro ny tamin'ny 23 jona 2013 nahafatesana Romaniana 18 sy naharatrana 29. Niely haingana ny vaovao momba ny loza, ary noho ny fahatsaram-pon'ny vahoakan'i Montenegro tamin'ireo niharam-boina sy ny fianakaviany, dia niely ihany koa ny hafatra fankasitrahana, fahalalaham-po, firaisankina ary fiderana tao amin'ny tambajotra sosialin'ny firenena roa tonta.

Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?

Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny. Mitatitra i Diana Lungu.

Moldavia: Tsy Nahazo Fanohanana Betsaka Avy Amin'ny Mpiserasera Ny Hetsim-panoherana ny Governemanta

  02 Febroary 2012

Tao anatin'izay roa herinandro lasa izay, nidina an-dalambe ny Moldaviana mba hanao hetsim-panoherana. Nitaky ny fametram-pialan'ny governemanta sy ny fanafoanana ny fifidianana kasaina atao alohan'ny fotoana ny mpikarakara ny hetsika-sy ireo mpanao politika marobe  nanatevin-daharana ny Vaomiera Mpiaro ny Lalam-panorenana sy ny Demokrasia. Nanomboka ny hetsika tamin'ny fotoana nanambaran'ny manam-pahefana...

Moldavia: Saritaka diplomatika nandritra ny fetim-pirenena Rosiana

 Nankalaza ny fetim-pirenena ny Federasiona Rosiana tamin'ny 12 Jona (Andron'ny Rosia). Tany Moldavia, nisy fifamaliana [ro] diplomatika ny andro nialoha ity fety ity izay nivadika ho fanalam-baraka diplaomatika ity. Nitatitra ny haino aman-jery fa nomen'ny Ambasadera Rosiana Valeri Kuzmin [ru]  toerana [ro] nandritra ny lanonana ofisialy nokarakaraina tamin'ny 10 Jona, tao amin'ny Masoivoho...

Ireo pejinay momba an i Romana

ro