Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Marsa, 2012
Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra
Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nandeha dia nandeha ny resaka tao Korea Atsimo sy Japana, ity farany izay vao avy nikarakara...
Shina: Fanamelohana Ho Faty Mba Hanafenana Ny Kolikoly Ataon'ny Governemanta?
Wu Ying, voahosotra ho ny Vehivavy Shinoa faha-enina manan-karena indrindra tamin’ny 2006, dia resy tamin’ny fampakarana ny didy manameloka azy ho faty tao amin’ny Fitsarana Avom-Bahoaka ao Zhejiang.Ity ramatoa vao 30 taona ity dia nosamborina voalohany tamin’ny Martsa 2007, nampangaina ho “nanodikondim-bola” . Oiwan Lam no mitatitra.
Shina: Tetikasa Ao Amin'ny Atetineto Entina Hanampiana Ireo Mararin'ny Pneumoconiose
Natsangana ny tetikasa fanampiana iray nataon'ireo mpampiasa aterineto , "Love Save Pneumoconiosis" ny tapaky ny taona 2011 mba hanampiana iero mararin'ny pneumoconiose. Ny Pneumoconiose dia aretina maherivaika mahazo ny havokavok'ireo mpiasa vokatry ny fifohana vovoka, izay miatraika indrindra any amin'ireo mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitr'i Shina.
Global Voices Mitady Tonian-dahatsoratra Amin'ny Teny Shinoa
Mitady tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ny Global Voices (GV) mba hiantsoroka ny fanarahana ny lazain'olo-tsotra any amin'ny tambajotra teny-Sinoa. Ny Tonian-dahatsoratra no misahana ny fitateram-baovao amin'ny fiteny-Sinoa ka mitady sy mandrindra ny fandraisana anjaran'ny mpirotsaka an-tsitrapo. Izy ihany koa no mamokatra sy/na manitsy ny lahatsoratra lavalava maromaro isan-kerinandro sy ny lahatsoratra fohy miaty rohy mankany amina...
Hong Kong: Inona No Azo Atao Ampitsaharana Ny Fizahantany Avy Any Shina Nefa Hiteraka Eto?
Iray amin'izay mampifanolana an'i Hong Kong sy i Shina ny miteraka am-pizahantany. Araka ny antontan'isa ofisialy: 95.337 ny isan'ny zaza teraka tany Hong Kong tamin'ny 2011 ka hatramin'ny 40% n'ny zaza teraka no mpizahatany avy any Shina Tanibe ny ray aman-dreniny.
Shina: Mifampihaika Amin'ny Lasiroan'Antoko
Ny antsoina hoe 50 Cent Party na lasiroan'antoko dia ireo mpaneho hevitra an-tserasera indramin'ny Fitondram-panjakana Shinoa na indramin'ny antoko komonista shinoa entina hanefena ny fihevi-bahoaka. Matetika moa ireo Lasiroan'Antoko ireo milaza izay mpitsikera henoin-teny ho mpamadika ny tanindrazana. Tamin'ny 26 Febroary, ny mpisera Sina Weibo Zhang Nong dia nanapa-kevitra hifampihaika ankarihary amin'ny Lasiroan'Antoko amin'ny alalan'ity...
Sina sy Hong Kong: Raikitra Ny Adin'ny Mpiray Sisintany Tao Anaty Fiarandàlamby
Mpandeha iray no nifamaly tamin'ny mpizaha tany Sinoa avy any amin'ny tanibe izay nihinan-kanina tao anaty fiarandalamby tao Hong Kong, Izany no adin'ny mpiray sisintany nisy farany teo amin'ny Sina sy Hong Kong, teo amin'ny fifaneraseran'i Beijing amin'ny Hong Kong.