· Janoary, 2008

Below are posts about citizen media in Chinese (Traditional. Don't miss Global Voices 繁體中文, where Global Voices posts are translated into Chinese (Traditional! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Janoary, 2008

Shina: Ny fahatezeran'ny malemy

  30 Janoary 2008

Teny andalana hamonjy fiasana no nahitan'i Zengying mpiambina (‘voromahery'?) nandositra avy tamin'ny toeram-piambenana ny tanàna. Ampitandremany noho ny izany ny tsy hanaovana tsinontsinona ny fahatezeran'ny malemy ka manindry azy ireny hiverina hiady (hitolona).

Shina: fitohanan'ny fiaran-dalam-by

  28 Janoary 2008

Noho ny firotsahan'ny ranomandry be loatra any Hunan dia voatohintohina aok'izany ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalam-by. Azo jerena ao amin'ny  56.com (zh) ny toe-draharaha ao Guangzhou. Nahazo ny lahatsoratra avy amina mpanao gazety manan-daza iray ny Inmediahk.net, izay nampivoitra fa efa niainana nandritra ny 20 taona farany ity  olan'ny fifamoivoizana eo ampiandrasana ny...

Shina: Fitombon'ny mpivoivoy amin'ny aterineto

  22 Janoary 2008

Navoakan'ny Foiben'ny Fifandraisan-davitra sy filazam-baovao any Shina tamin'ny herinandro lasa teo ny mombamomba ny fivoaran'ny Aterineto any. Voambara ary fa nahatratra 210 000 000 ny isan'ny Olonineto (mpivoivoy amin'ny aterineto) tamin'ny taona 2007 ka nolazana fa ny nampitombo be dia be io isa io dia noho ny fitombon'ny tambanivohitra niditra...

Shina: Antontanisa mifangarika

  19 Janoary 2008

Tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa no nanaovana fanadihadiana, ny 76%n'ny mpianatra nohadihadiana ary no nilaza fa tsy mbola tany amin'ny Mozean'ny Zavakanto mihitsy nefa ny 84% indray no mitena fa tena tiany ny Mozean'ny Zavakanto. Dia lasam-borona i Zhang-qing hoe ahoana no ahafahana tonga amin'izany toe-javatra izany (zh).( hevitry ny...

Shina sy Hong Kong: Jet Li sy ny fitiavan-tanindrazana

  17 Janoary 2008

Diumanpark no namaham-bolongana momba ny resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza Li Lianjie fantatra amin'ny anarana hoe Jet Li any amin'ny fahitalavitra T.V interview, indrindra ny momba ny fijeriny amin'ny fitiavan-tanindrazana. Ho an'i Jet dia ny fahafaham-pieritreretana na ny fahafahana misaina malalaka no zava-dehibe kokoa (zh).

Hong Kong : fanavotana ny Lung Mei

  11 Janoary 2008

Natsangana ny bolongana vaovao iray hanavotana faritra mando iray ao Hong Kong (zh). Maminavina hanao fandaniambola hatramin’ny HKD130 000 000 ny governemanta hananganana tora-pasika voatr’olombelona ao Lung Mei, faritra mando voajanahary ao Taipo. Mihetsiketsika amin’ny fanangonan-tsonia sy famokarana lahatsary hanoherana izao fandravana ny tontolo iainana izao ny olonineto (netizens).

Taiwan: Ny vidin’ny anana

  11 Janoary 2008

Nihena hatramin’ny atsasa-bidiny ny vidin’ny anana any Taiwan hatramin’ny nisokafan’ny tsenan’ny tantsaha. Hoy ny filazan’i PipperL mitantara ny fidinam-bidin’entana mampahory ny tantsaha any (zh)

Ireo pejinay momba an i Shinoa

zht